Vocation à Caractère Économique

1. Lallah ( 19/02/2005 20:04)
Est-ce possible ?

Choisir le chemin pour soit-disant servir davantage Dieu, en profitant tous les intérêts personnels en particulier les bien matériels, en abandonnant le service au dernier moment une fois que le but soit atteint. Il ou elle entre dans une communauté réligieuse pour profiter les avantages et les ressources.

Constatation : les réligieux ou réligieuses malgaches ou des pays en voie de développement abandonnent sa soit-disant vocation quand ils ou elles arrivent à l'extérieur pour étudier alors que les budgets alloués à leurs études sont énormes.

Cela peut se produire en bien calculant toutes les stratégies de soit-disant Vocation (prètre, frère, soeur, ou autres ...). Qu'en pensez vous les mpiserasera Malgaches ?

C'est vraiment une vocation à caractère économique ou simplement vocation économique.

Vous pouvez répondre en malgache, j'ai des interpêtes malgaches. Ne vous génez pas !

Bonne intervention.
Un réligieux, ami des Malgaches
répondu par marozevo le 11/04/2005 02:59
2. ikaretsaka ( 19/02/2005 21:30)
Efa henoko koa io resaka io ary misy fahamarinany tokoa
saingy tsy idirana lalina.
any @ le fijerevana vocations voalohany any @ seminera sy @ noviciat no tokony hatao mafimafy kokoa sy rehefa tenenina hoa mety na tsy mety aminy ilay izy de tokony any de efa alamina.
na rehefa manao iznay dia tokony mamerina ny vola nalaina fa karazan'ny famitahana societe koa anie iznay e
3. dadabe ( 20/02/2005 07:38)
karetsaka>ka ilay izy anie lety @voalohany tysy fantatra e,satria masina be ilay olona(homme ou femme)miditra an-deglizy,fa rehefa mandeha ny andro sy ny volana ary ny taona izay vao miseho ilay hoe "vocation sa tsy vocation "ilay izy,amiko ny taona tokony hanaovany stage na fampiharana no tokony atao lavalava de asiana fitsapana mba tsy hanenenana ao aoriana :?
4. ikaretsaka ( 20/02/2005 14:51)
tokony hatao lavalava de tena atao mivadika indray le izy e

Constatation : les réligieux ou réligieuses malgaches ou des pays en voie de développement abandonnent sa soit-disant vocation quand ils ou elles arrivent à l'extérieur pour étudier alors que les budgets alloués à leurs études sont énormes.

avadika le izy heo alefa any manao missionera an'interieur elaela ilay relijiozy hijerena ny tena fahamarinam-pototr'ilay vocation-ny aloha .. asa.. atao hoe apetraka any bemaraha na any ambodin'ikongo aloha de mitandrina any ohatra na any @ reny le bled be any madagasikara ireny.. de raha mahataty elaela any (10 taona ohatra) dia jerena ny zavatra vitany sy voaoriny tany ( heo nandroso ve ny fiangonana na niha nino ve ny olona)
dia izay vao manampa -kevitra hoe tena lalina iznay finoanao ry ngahy ity fa tena mety aminao le izy na heo tsy nahavita ninoninona ianoa fa niala andaharana sns dia efa zay zany!

eo @ le "regence" no tokony atao mafimafy kokoa!

tsy haiko fa zany angamba ny nety nampety sy naha tsara kokoa ny vocation any an'ireny vazaha taloha ohatran-dry pere pedro. mere teresa sns ireny satria de ny an-dry zareo dia nalefa tany @ ilay tany gidraka ry zareo niasa tany de niasa tsara ilay vocation! sy azony tsara ny situation-ny
5. cutie ( 20/02/2005 15:22)
dadabe, asaovy mikonfesy matetika ry zareo e. lolllllllllll
6. hery ( 20/02/2005 18:38)
oui, c'est seulement dans les pays en voie de développement... il faut voir combien de religieux font pareil au Canada lallah :-)
7. Ramaso ( 20/02/2005 18:42)
any canada toa tsi bobaka ny we lasa any de niala fa toa rehefa mahavita fianarana ry zalahy de lasa mody de mikandra ko!
8. hery ( 20/02/2005 19:12)
Ny vazah no teneniko kah... tsy aretin'ny gasy irery io fa an'ny vazaha ihany koa :-)

Raha vocation à caractère économique no resahana dia tena misy tokoa, izany hoe miditra relijiozy mba hampilamindamina ny ekonomika... kanefa sarotra moa ny hahafantatra azy. Raha ny tokony ho izy dia tokony hiala tao ny relijiozy toa izany ary miasa sy misasatra aty ivelany ihany koa. Ny relijiozy mantsy raha ny tokony ho izy dia tsy mamelon-tena fa ny volan'ny kristianina aty ivelany no hanampiana azy amin'ny fianarany sy ny sisa. Noho ny tsy fahampian'ny Relijiozy sy pretra anefa, ary koa toa mba manao ny asany tsara ihany izy ireo na dia hoe tsy tena manana vocation aza, dia azo andeferana ihany ny ipetrahany ao... io ilay hoe tsy ifampitsarana e.

Ilay hoe

les réligieux ou réligieuses malgaches ou des pays en voie de développement abandonnent sa soit-disant vocation quand ils ou elles arrivent à l'extérieur pour étudier alors que les budgets alloués à leurs études sont énormes


dia tsy dia marina loatra satria raha kotiana ny isan'ny relijiozy sy pretra miala dia vitsy ireo hoe aty ivelany miala noho ny any Dago miala. Matetika aza ireny alefa aty ivelany ireny no tena tsy afaka na tsy te hiala... satria olona manana ny lanjany eo amin'ilay fikambanana misy azy.

Raha momba ny vola naloa tamin'ny fampianarana azy ireo dia tsy dia manao alahelo amin'izany ny Fiangonana. Mirehareha aza ny Fiangonana raha ohatra ka mba tafita ilay olona ka afaka mbola mirehareha amin'ny maha Katolika azy. Mitovy amin'ny zanaka ao antrano ihany aloha e... Raha toa ka miala tao antrano ny zaza dia tsy ny ray amandreny mihitsy no hitaky hoe avereno ny vola naloanay tamin'ny nampianarana anao... Anisan'ny haren'ny Fiangonana Katolika ny Gratuité... (io no maha katolika ahy :-)) ... Heverina ho toa ny Fitiavana an'ilay olona ny fampiofanana azy ka raha mahasoa azy izany dia tena atao am-pitiavana tokoa.

Ilain'ny olona iray ve anefa ny fianarana nataony? Raha lafiny ekonomika (satria izay no resaka) dia tsy ilain'ny relijiozy niala mihitsy ny fianarana nataony... satria tsy misy azony ampiasana azy afatsy amin'ny maha relijiozy azy. Tsy afaka nanana fotoana hianarana zavatra hafa ankoatran'ny fianarana maha relijiozy azy mantsy izy ireny (raha tsy mikafiry amin'ny sisiny). Atahorana mantsy hoe sao dia miala raha mahay zavatra betsaka eo... dia donto kely raha tsy mahitahita any ambadika. Io koa no tsy mampitombona an'ilay hoe mivoaka rehefa tafita... satria tsy mahatafita amin'ny fiainana ivelany mihitsy ny ao (raha tsy nahita fika amin'ny sisiny).

Farany: Inona no tokony hatao? (io no tena zava-dehibe fa tsy mametraka fanontaniana sy mikritika fotsiny)

Marina aloha fa misy système azo amboarina... kanefa tsy ny relijiozy rehetra no miala. Izany hoe mbola mety ihany ilay système. Hoy ikaretsaka hoe avadika le izy heo alefa any manao missionera an'interieur elaela ilay relijiozy hijerena ny tena fahamarinam-pototr'ilay vocation-ny aloha dia averiko indray ilay teo hoe misy betsaka ny relijiozy efa nandalo an'izany fa niala ihany (saingy tsy miharihary satria tsy aty andafy)... Ary raha ny hoe marimpototra dia tsy izay mijanona manao relijiozy mandrapahafaty no atao hoe manana vocation marim-pototra. Betsaka ny toa izany kanefa tsy manana vocation saingy tsy afaka na tsy te hiala tao intsony izy noho ny engagement izay efa nataony na ny fiainana aty ivelany sarotra be (mety tsy hahita asa, tsy hahavita fianarana sns)...
Ka ny zavatra azo atao dia ny liberté ihany. Araka ny nolazaiko hoe tsy manao alahelo amin'izay miala fa sokafana ho azy hatrany ny fiainana sy ny lalana rehetra... tokony avela hianatra izay tiany hianarana (raha mahavita) ny relijiozy... Tsy hofehezina ao anatin'ny tahotra hoe Tsy mahavita tena ianareo raha tsy ato satria mampitraka ny hambom-po io...
9. intelligenzia ( 20/02/2005 22:11)
ary ahoana ny politiqua a caractere economique? araraotina hamenoana paosy sy andehanana any an-dafy.
10. intelligenzia ( 20/02/2005 22:13)
ary ahoana ny politiqua a caractere economique? araraotina hamenoana paosy sy andehanana any an-dafy.
11. ikaretsaka ( 20/02/2005 22:33)
izy aby zany
12. intelligenzia ( 20/02/2005 22:43)
io anie ry zareo ilay voalazako atsy ambadika hoe kitrano an-trano ny ao amin'ny papaute sy ny fitondrana ny fiangonana katolika e! Sahala @ bourses zarain'ny fanjakana ihany io: ny akamakama sy fianakaviana no alefa any an-dafy. Torak'izany koa ny fandefasana frere, soeur, pere, sns... tsy ilay "asa" no tena mibahana fa ilay hoe mankany an-dafy. Ny tena mampihomehy dia tsy azo tsikareina ry zareo satria hono "lalana sy didy" no manendry azy mankany ivelany. :-D
13. ikaretsaka ( 20/02/2005 22:51)
ahtsy kely aloha
ny hitako aloha eo @ fivavahana sy ny ao @ congregation 1 manokana (tsy haiko ny politika sy ny any @ congregation hafa an) dia tsy ny akamakama no mandeha fa izay mahay sy tsara notes sy mendrika heo mety aminy sy ho an'ny fikambanana ve le zavatra tadiaviny hianarana any dia mianatra izy de rehefa mahavita dia miverina miasa sy mampihatra ilay nianarany tany. io le hoe arakaraky ny vocation ny
14. intelligenzia ( 20/02/2005 22:57)
ka io tsy misy vocation zany e! PISTON io fa tsy vocation. :-D . mitovy tsy misy vakala @ politika sady Vatican rahateo Etat!!!!

diniho ange reny jiolahy melohin'ny fitsarana ireny dia lasa manao pretra malaky mba dia foana ho azy ilay fanamelohana e :-D . Mihevitra ve ianareo fa niova fo izy kanefa ao izy vao maika manao ny ataony satria misy miaro azy ao. :-D
15. cutie ( 20/02/2005 23:17)
mba avelao @ zay mou ty relijiozy nareo ty e.
Cekezem an-dry zareo io na vocation na tsia. lolllllllllllll
16. hery ( 21/02/2005 07:08)
manao pretra malaky ahoana kou? :-D 11 taona ange l'ty ry intelligenzia vao tonga pretra e... raha i Radidy ve no nanao pretra malaky tsy ho antitra ihany vao ho tonga pretra?

Fa le izy aloha tsy resaka hoe piston e... ary tsy resaka hoe Andafy ihany koa... lozika be ilay izy. Ho anay any ambanivohitra ohatra (any @ Firaisan'i Morafeno) dia izay mahaihay ao andakilasy no afaka fanadinana :-) (lôzika) dia ireo mahaihay ireo no alefa any Arivonimamo (Satria ireo no antenaina hahavita an'lé fianarana)...
17. intelligenzia ( 21/02/2005 07:14)
niditra nihofana ho pretra ny tiko nambara e. fa tranga tena misy io an, fa tsy radidy aloha :-D

mino aho aloha fa misy ny hoe fahaizana manokana sy fahamendrehana sns...saingy matetika dia piston no lozika mitondra an'io. ry zareo ao ihany ange no ahafantaranay an'izany fa tsy mamorona akory izahay e.

raha hitan'i Hery fa tena tsy misy mihitsy ny piston dia avereno amiko ny teniko :)
18. hery ( 21/02/2005 07:20)
Tena tsy hitako hoe aiza ho aiza no misy an'ilay piston... alohan'ny hidiran'ny olona ve sa aorian'ny hidirany dia itadiavana lalana.

- Raha alohan'ny hidirany, izany hoe misy olona ve mipaompy azy (piston :P) hoe midira midira... tsy haharitra ela ao izy raha izany satria 11 taona wah vao maka aina :-)

- Raha aorian'ny hidirany, misy olona ve manoro lalana azy rehefa tafiditra izy? Tsy hitako indray izay ratsy amin'izany... satria omena izay zavatra hita kokoa fa vitany izy.
19. intelligenzia ( 21/02/2005 07:27)
ry zareo samy ao ihany ka. misy ny manana piston matanjatanjaka dia alefa any an-dafy any aminareo any roma. Ny tsy ampy tosika dia tsy ho tafavoaka mihitsy fa tsy misy consideration hoe mahay sa mendrika fa ny piston no heriny e. Misy koa aza efa mba voatosika ihany fa tsy lasa any roma no miteny fa henjana be ny piston ilaina vao tafita any, ka aleo mionona any @ firenen-kafa :-D

sahala @ bourse omen'ny fanjakana araka ny voalazako etsy ambony. zava-misy ve dia atao mahamenatra e. :)
20. hery ( 21/02/2005 08:42)
dia arakaraky ny congreg marina angamba... atao ahoana fa tsy afaka le maha gasy e. oups... sao dia tsy gasy aloha? :-) ok, tsy afaka le maha olombelona izany e.
Sady io tahaka an'ilay hoe tsy fantatra intsony hoe iza no manin... tsy hoe ze gasy any Frantsa na any Canada na any USA na any Australia na any Italie rehetra akory dia hoe akaman-dRatsiraka daholo... marina fa nisy ny pisitaonina fa tsy ny rehetra :-D Fa zany hoe tsy fantatra intsony hoe iza no piston, iza no polifika, fa dia samy mihainohaino aty andafy daholo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1187