Mitovy ny orinasa Procops sy ny Magro, ny Décagon sy Alma

1. rambo ( 09/02/2005 01:20)
EXPRESS DE MADAGASCAR
“Mitovy ny orinasa Procops sy ny Magro”, hoy Daniel Ramaromisa


Tsy re feo tato ho ato ny filoha nasionalin’ny Vahoaka vanona sahy vonona (VVSV). Ity antoko ity moa dia tarihin’i Daniel Ramaromisa, izay fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe: Rambo. Izy dia anisan’ireo lohandohan’ny mpisorona tamin’ny fanesorana an’i Didier Ratsiraka hatramin’izay na tamin’ny andron’i profesora Zafy Albert, indrindra fa tamin’ny fametrahana an-dRavalomanana ho filoham-pirenena.
Raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety ny lehilahy ka nanontaniana ny tsy nahitana azy tao anatin’ny sehatra politika amin’izao vanim-potoana izao dia nanamarika fa “izay mangina volamena, tsy izay rehetra miteny akory no inona. Vokatry ny resabe avokoa, hoy ihany izy, no mahatonga ny fiainam-bahoaka hikorosy fahana toy izao”.
Ho an’ity filohan’ny VVSV ity dia tsy misy ny maha-samihafa ny orinasa Procops tamin’ny Repoblika faharoa sy ny Magro amin’izao fotoana izao. Toraka izany koa ny orinasa Décagon tamin’ny andron’ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny orinasa Alma an’i Ravalomanana. Tsy ho tanisaina intsony, ireo petra-bola maron’ny mpitondra amin’izao fotoana izao any amin’ireo orinasa isintahan’ny fanjakana tsikelikely.
Nanamarika i Daniel Ramaromisa fa fandrebirebena fotsiny ilay resaka hampanankarena ny tsy manana ary mandinika ny fahoriam-bahoaka ny VVSV fa tsy mitazam-potsiny. “Ny mampalahelo ahy, hoy ity mpanao politika nanana anjara toerana lehibe tamin’ny andron’ny profesora Albert Zafy, ny vahoaka nanaovako voady tamin’ny fanohanana an-dRavalomanana isian’ny fanovana no mampalahelo ahy”.
Tsy nahazo fisaorana na indraim-bava aza
Mikasika ireo mpikarama an’ady nalaza ho saika niditra teto Madagasikara ireny, dia nanambara i Ramaromisa fa ny tenany no nanao izay nanakanana ireny, niaraka tamin’ireo namana. “Na ny fisaorana indraim-bava aza tsy natao ho anay izay azo lazaina nahafoy ny aina tamin’izany”, hoy izy.
Henjakenjana ny namaranan’ity filohan’ny antoko VVSV ity ny teniny, hoy izy: “rehefa feno ny kapoaka, ny tenako sy ny VVSV mihitsy no hialoha làlana hitarika ny vahoaka ho amin’ny lalan-tsara. Ny VVSV dia tsy mampiasa velively ny politikam-pisolelahana sy tsy mila seza mihitsy fa vahoaka vanona no kolokoloiny”.


répondu par chadlepunk le 19/03/2005 10:38
2. xxx ( 09/02/2005 08:02)
De nankaiza hono ny vola nangonina tamin'ny fotoana nahamay an'i Rova. De la we "vous etes tres formidables" hi hi hi
asa.... tsy haiko alou e !
3. iartistika ( 14/02/2005 17:25)
T@ nahateo @ fitondrana an'iRamaromisa (Zafy albert),nandroso ve sa nikorosofahana i m/car,ngamba le faharoa oh.....
4. fijo ( 15/02/2005 23:10)
ramaromisa dia anisan'ny nanana fomba tsy dia mendrika tamin'ny fitondrana.ny azy dia sandry foana no mahamaika azy.maro ny namako no niaraka taminy tao ka sahiko ny milaza izany eto.
5. iartistika ( 16/02/2005 09:34)
Misaotra ry fijo ah!tsy napetapetaka foana le anarana hoe RAMBO!
6. jentilisa ( 26/02/2005 15:18)
procops fomba fakana vola tany amin'ny banky dia tsy nisy hita nanjavonana izany avy eo. Decagon dia fakana vola tany ivoloina. Fa Magro inona no fahotany? Ary aiza ny toerana nanaovany fanambakana ny Vahoaka? Moa tsy ilay nampitovy orinasa io ve no nahafaty ny Soamandifera satria nanangana fitaterana izy hakany tombotsoa manokana?
7. mandrindra ( 28/02/2005 16:45)
Ataoko angamba r'ise ry i jentilisa fa tsy tokony notohizan'ise hatramin'ny farany ny fanazavana. ny Procops sy ny tariny dia halatra be vava. Ny Magro sy ireo orinasa hafa kosa dia maka ny marché maro amin'ny halalan'ny herin'ny mpitondra. Koa tsy samy mangalatra ve izany. Mety ho marina fa tsy mitovy ny vokany fa amiko manokana aloha rehefa kary dia kary.
8. jentilisa ( 28/02/2005 16:58)
Tsy izany kosa fa mety ho ny orinasa hafa no tsy te-hiditra intsony amin'izay sehatra idiran'ny Tiko e!
Sao dia ny TIKO mihitsy ary aloha araka ny hevitrareo no tokony hofoanana sa aleo atao bankirompitra izy io? Ny hevitra mety aloha dia tokony amidin'ny tompony amin'ny olona hafa izy io mba hampazava ny fifaninana eo amin'ny sehatra ara-barotra e! sa ahoana?
9. mandrindra ( 28/02/2005 17:08)
Tsy niteny aho hoe tokony hakatona ny Tiko. Ary miombonkevitra amin'ni jentilisa aho hoe tokony hamidin'ny tompony ireo orinasa ireo satria asa roa tsy tokony ampiarahana ny fandraharana nsy ny fitondrana fanjakana.
10. chadlepunk ( 19/03/2005 10:38)
iartistika:

T@ nahateo @ fitondrana an'iRamaromisa (Zafy albert),nandroso ve sa nikorosofahana i m/car,ngamba le faharoa oh.....


Na ahoana na ahoana aloha dia aleoko lavitra tamin'ny fitondran'i Zafy Albert fa tamin'ny androny tsy nilaha-bary izahay e!!!! C'était vraiment formidable!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2353