Mandresy foana ny vehivavy

1. fatsoraly ( 03/02/2005 23:32)
Ny teny frantsay tsy mitovy @ teny Gasy satria manavaka ny "lahy" sy ny "vavy". Ny "trano" ohatra dia vavy--"la maison." ny "penisilihazo" kosa dia "lahy"-- "le crayon."

Nanontany ny mpampianany ity mpianatra iray: "Lahy sa vavy ny solosaina?"
Tsy namaly ilay mpampianatra fa nosarahiny sokajy roa ny zazavavy sy zazalahy tao an-dakilasy ary nasainy nikaroka hoe "lahy" sa "vavy" ny "solosaina"

Ny ankizilahy niteny fa "vavy" ny solosaina ("la solosaina"), satria:
1. tsy misy mahazo ny lojikany afa-tsy izay namboatra azy
2. tsy misy mahafantatra izay resahany @ solosaina mitovy aminy, afa-tsy izy ihany
3. ny fahadisoana kely indrindra ataonao dia voatahiriny ao @ fitadidiana maharitra (memoire permanent), mba ampatsiahivina any aoriana
4. raha vao mifantoka aminy (na @ 1 aminy) ianao dia lany vola be hividianana kojakoja.

Ny tovovavy kosa nanambara fa "lahy" ny solosaina ("le solosaina") satria:
1. raha te hanao zavatra ianao dia mila velomina izy aloha
2. manana "data" be de be izy fa tsy afaka misaina samy irery
3. natao hanampy anao hamaha olana izy, nefa matetika dia izy mihitsy no olana
4. raha mifantoka aminy ianao (na @ 1 aminy) dia hanenina afaka volana vitsy satria misy modely tsaratsara kokoa

Nandresy ny vehivavy ka dia natao ho lahy "UN ORDINATEUR" ny solosaina.
répondu par Nananie le 07/02/2005 11:30
2. sechat ( 04/02/2005 14:13)
=)) =)) =)) =))
3. ikaretsaka ( 04/02/2005 14:35)
4. yonikafopl ( 04/02/2005 23:28)
=)) =D>
5. ikaretsaka ( 05/02/2005 00:54)
aleo ihany le un ordinteur raha io fa sarotra be izany solosaina tsy hanampy iznay fa na ny lozikany aza tsy azo :-D
6. pitchou ( 06/02/2005 20:16)
7. booboo ( 06/02/2005 20:23)
=)) =)) ..... =)) =)) =)) =)) =))
8. Nananie ( 07/02/2005 11:30)
Tanjemo sô kofona booboo a! :^)
Tsy ratsy le izy ka. =D>
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4192