Site vaovao ato @ serasera

1. hery ( 03/12/2004 18:49)
Misy site vaovao vao niforona indray ato amin\'ny serasera. Tahiry. Jereo etsy amin\'ny lisitry ny sites etsy.
Mbola andrana ihany io hijerena raha misy tokoa ny hilàna azy.

Inona moa ilay tahiry?

Ny site Tahiry dia mitovitovy amin\'ny forum ihany saingy hevitra lava na lahatsoratra pejy maromaro no apetraka. Azo ametrahana tantara, fampianarana, fanadihadiana na hevitra tsotra izay hita fa mety mahaliana sy tsara havoaka ary hotehirizina.

Mitohy hatrany ny fanatsarana azy io ka miandry ny soso-kevitra sy ny tsikera... tsikera manatsara sy tsikera manaratsy dia raisina daholo.

Misaotra

Hery
répondu par oully le 07/12/2004 22:16
2. hery ( 03/12/2004 19:32)
Nametraka fanazavana ity site vaovao ity aho http://serasera.org/tahiry/index.php?rub=tahiry&t_id=t41b0be6ca16cb
3. kitjo ( 04/12/2004 15:15)
Misaotra @ fanatsarana ry Hery sy ny mpikarakara rht an...dia maztoa aby!
4. ramoul ( 06/12/2004 21:22)
Miasotra betsaka ry hery amin\' ny fanatsarana ny site hatrany a!
Mazotoa ry se dia aza mijanona mintsy ny manao zay maha-tsara hatrany an\' ity site tsika ity à! :wink:
5. lanto ( 07/12/2004 10:52)
Misaotra an\'i hery miasa MAIMAIM-POANA ho anay. Aza kivy na dia misy aza ny mandany ron-doha sy vola hanaratsiana sy hanimbana ny serasera. Fantatra ihany izy ireny! Mbola betsaka koa ny namana azo itokisana sy vonona hanampy rehefa ialaina. Mino aho fa hanamafy eto ambany izy ireo :))
Bizzzz Hery (sy ilay mpanohana akaiky ao) :)
6. angie ( 07/12/2004 11:49)
Dia faly mahita ny fanatsarana hatrany ity sitentsika rehetra ity. Dia misaotra an\'i Hery ny Tompo anie hamaly soa @ izao asa fitiava-namana sy ny tanindrazana izao. Izahay ndray namana foana e, tsy hiala, fa hiady ho @ fampandrosoana.
\"Fa isika tsy mba ho naman\'izay mihemotra, fa handroso amikintsim-po\"
Tsiky dia ampy :)
7. mihanta ( 07/12/2004 12:44)
midera sy misaotra an\'i hery am fikarakarana sy fanatsarana ity site ity.korazy foana raha mila fanampiana d aza misalasala. :D
8. fanja1 ( 07/12/2004 12:56)
Misaotra hery a! raha mila fanampiana de eto zahay, aza misalasala :D
9. oully ( 07/12/2004 22:16)
Mahafinaritra mihitsy ireto ekipan\'ny serasera ireto kah! (ny mpamorona sy ny mpanohana) :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1195