HIMO

1. tsilan ( 22/10/2004 12:59)
Inona no maha samy hafa ny HIMO sy ny fanandevozana fahiny ary ny SMOTIG?
répondu par fijo le 13/01/2005 22:16
2. ramoul ( 22/10/2004 19:34)
Inona aloha ny dikan\' ilay HIMO fa tsy azoko azafady?
3. tsilan ( 23/10/2004 15:09)
Io ilay food for work, na ilay fanaovan-dalana amin\'ny olona maro be, dia omena vary iray kilao avy eo.
4. fijo ( 25/10/2004 21:52)
ny tsy hitovizany dia ny fanandevozana miaro kapoka.
5. ikaretsaka ( 25/10/2004 23:02)
tsy hoe pro smotig aho akory fa raha jerena dia misy lafy tsarany ihany ilay izy satria tsy vaky ange ny lalana sy ny lalamby raha tsy nanao smotig ry dadan\'i dadabe e!
6. pitchou ( 26/10/2004 18:51)
tsy dia tena hoe vary 1kg ilay izy kosa alou e!
ny fanandevozana dia tsy misy karama, tsy misy fanajana ny maha olona ny olona (sady tsy noheverina hoe olona rahateo ny andevozina), ny smotig dia tsy maintsy natao (na tiana na tsy tiana) fa ny HIMO (haute intensité de main d\'oeuvre) dia karazana asam-pokonolona anomezana karama (vary masaka tsy maninona) fa toa tsy voatery akory ny olona fa an-tsitrapo ihany! Raha jerena malalaka kokoa dia mety azo heverina ihany koa hoe fanampiana (an-kolaka) ny olona tsy an\'asa mba azahoany sakafo (1 andro isan\'andro) nefa mba \"@ fomba mendrika sy manaja ny maha olona azy\" satria tsy mangataka izy na mangalatra fa ny hatsembohany no ihinanany!
any @ faritra tena tsy misy hoanina sy tsy misy asa no tena ahitana tsara ny tombontsoa azo @ HIMO!
7. fijo ( 26/10/2004 21:16)
eny tokoa wa.ka raha izay no hampandroso aloha tsy olana e.
8. pitchou ( 26/10/2004 21:28)
ny tena izy izany dia samy mahita tombontsoa daholo ny rehetra e: ny fanjakana satria mampihena na dia kely fotsiny aza ny tsy fahitan-tsakafon\'ny olona, ny mpamatsy vola satria mora kokoa noho ny main d\'oeuvre certifiée, ny olona satria zara aza mba misy asa ...
ary io izao no système vaovao amporisihana ny projet aty!
9. fijo ( 26/10/2004 23:11)
tsara nefa kosa tsy tokony hitoy ela loatra ka
10. pitchou ( 26/10/2004 23:46)
d asa aloha e!
11. fijo ( 27/10/2004 20:13)
izay mihintsy.aleo vita hifampitsarana.
12. pitchou ( 28/10/2004 19:49)
le HIMO v no hoe nahavita azy? zavatra tsotsotra ange no azo ampanaovina olona @zany fa tsy zavatra tekinika be e! sady misy tekinisiana manara-maso sy mi-encadrer
13. fijo ( 28/10/2004 20:45)
aleo hiasa aloha ny olona e
14. py ( 13/01/2005 10:50)

Io dia fomba iray ahafana manampy betsaka ny olona na ara-tsakafo na arak\'asa satria raha tapitra ilay asa ataony dia afaka ihany koa izy mitady asa any ivelany noho ny formation izay efa azony tao
15. fijo ( 13/01/2005 22:16)
izay koa lafiny tsara iray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6745