Forum manokana : Raha mahazo fanasana

1. hery ( 17/07/2004 22:48)
Betsaka ihany no manontany momba ny fidirana sy fandraisana anjara amin'ireo lohahevitra manokana.

Tsara homarihina aloha fa ny lohahevitra manokana dia mitovy fiasa amin'ireo lohahevitra hafa ihany. Ny mahasamihafa azy fotsiny dia namana misoratra anarana (mahazo fanasana na mangataka hiditra) no mahita ny lohahevitra sy afaka manoratra.

- Raha mahazo fanasana ianao handray anjara amina lohahevitra manokana dia midira ato amin'ny forum dia jereo etsy amin'ny [Fanoroam-pejy] dia jereo ilay hoe [Lohahevitra] - [Fanasana voaray] dia ho hitanao ao ny lohahevitra nanasana anao. Tsindrio ilay hoe [Ekeo] dia tonga dia afaka mandray anjara amin'ilay lohahevitra ianao.

Rehefa afaka mandray anjara amin'ny lohahevitra iray ianao dia mitranga avy hatrany ao amin'ny eo amin'ny lisitry ny lohahevitra toy ny mahazatra ilay lohahevitra manokana nandraisanao anjara.
Andramo aloha dia ho hita eo.
répondu par ramaso le 24/07/2004 07:37
2. kitjo ( 18/07/2004 11:50)
Mazava!
Raha misy manome: zavatra ho anao....
3. ramoul ( 18/07/2004 12:58)
Kingano teny heo: atôvy tsara be... :-P
Mazava zany fa ida ao ndray zany fankahita ô! :wink:
4. atmos ( 18/07/2004 13:27)
An3 tsy izany no izy ka.

Raha misy manome
Zavatra ho anao
Kinga miteny hoe
Ataovy be da be

Na izany aza mazava tsara hery e, misaotra betsaka. Miandry fanasana indray zao ity no malaza kou
5. hery ( 19/07/2004 06:12)
Tsy voatery miandry fanasana kah... afaka mangataka ny handray anjara koa... dia ekena na tsy eken'ny mpandrindra
8-)
6. hendry ( 19/07/2004 12:03)
Hery> -efa misy ve ilay lohahevitra manokana? Aiza no ahitana azy?
7. kitjo ( 22/07/2004 23:45)
hendry> efa hita ve?
rehefa manokatra forum d eo ambonin' ilay tabilao misy ny lohahevitra rehetra misy hoe "lohahevitra manokana"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2109