maninona ny Boys Band no be mpanankiana indrindra ireo mpiondana rap

1. xxx ( 14/06/2004 15:00)
Amiko raha mbola resaka hira izany tsy tokony hifanaratsy fa tokony mifanome soso-kevitra. Tsy tokony hisy zany ady eo @ samy mpiangaly mozika zany fa samy manao izay mahafaly azy
répondu par dotmg le 08/07/2004 06:46
2. fijo ( 14/06/2004 22:03)
ka ny boys band anie tsy mpihira fa olona tsimponina esty sy ery dia tefitefena eo ihira e.
3. xxx ( 15/06/2004 13:56)
Amiko kosa dia efa manao ny mozika efa fantatry ny olona sy mande @ radio dia mpihira, ary ny boys band dia tsy tsimpotsimponina izany fa mpinamana no mifanaraka hanao mozika, fa diso hevitra enao ry Fijo an!!
4. jhouhlambout ( 15/06/2004 15:49)
... diso hevitra enao ry XXX a! Moa ve efa henonao ny tantaran'ny Beatles, ireny ny boys band voalohany dia jereo ny niafarany!!!
5. fijo ( 15/06/2004 22:50)
ny beatles dia mpinamana no niaraka nihira,fa raha ity boys band ankehitriny ity,asa raha tsy manaraka ilay izy i XXX,fa misy casting hifidianana ireoizay horaisina,dia avy eo vao amboarina hifanaraka amin'ny hira tiana hampanaovina azy.ka notsimponina no fahitako izany.
6. hendry ( 16/06/2004 10:50)
Ny mahatonga ny boys band sasany ho be mpanakiana amiko dia noho ry zareo ohatran´ny tsy mahafehy ilay mozika ataony. Sasany hoa fa tsy izy rehetra akory.
7. ari.malala ( 16/06/2004 11:26)
Marina aloha fa resaka mozika tsy tokony hifanaratsy, fa ny mahavoa ny boys band anie misy tena ratsy feo, misy na ny hirany aza miteniteny foana sady mi zesta be loatra koa no mahavoa an dry zareo ireny ê!
8. alz ( 16/06/2004 12:36)
Tamin'ny fotoanan'ny Boysband teto frantsa, be mpanakiana be ny boysbands indrindra ireo tia artistes klasika hafa, fa na izany aza ny boysbands no anisan'ny nahavarotra kapila be indrindra tamin'izany.
Ilay izy resaka commercial be, dia izay tsy tia produit commercial dia manakiana. Tsy dia natao ateza loatra ireny karazana mpihira ireny fa lamôdy.
Fa raha ny antontan'isa aloha no jerena dia mahalafo betsaka ry zareo na dia be mpanakiana aza e.
9. alz ( 16/06/2004 12:55)
Raha ny eto Frantsa no jerena dia ny be mpividy disque indrindra dia ny ankizy latsaky ny 12 ans.
Ny akamaroan'ny boysbands na ny mpihira stars academie dia mi-viser an'ireny kils ireny.

Ny ahy ny boysbands tiako fa efa tsy boysbands intsony izy zao dia i Robbins Williams
10. ikaretsaka ( 17/06/2004 03:47)
inona daholo izany rankizy an? angaha iznay mbola lamaody foana e
11. ikaretsaka ( 17/06/2004 03:48)
inona daholo izany rankizy an? angaha iznay mbola lamaody foana e
12. fijo ( 17/06/2004 23:14)
marina fa nahalafo hira be izy ireo,fa ny resaka eto aie dia ny hirany e.tsy misy fahaizan mihira akory fa fahaizana mihetsika angamba no tena natao be.
13. ikaretsaka ( 24/06/2004 06:38)
ilay boys band aloha raha ny any dao no tiako lazaina dia tsy heo mamely mafy aho fa de matina io tenin'i fijo io hoa dia toa mihirahira fahatany fotsiny manarak'iznay kao dia tsy hay ma mi rap ry zareo indraindray... tsy mahagaga raha tsy misy mpitia
14. fijo ( 24/06/2004 23:23)
ary izay no tsy mampaharitra azy e.hira tsy misy fototra no atao ve aharitra?
15. ikaretsaka ( 25/06/2004 03:33)
marina
16. dotmg ( 27/06/2004 14:59)
Sady ny bozb pelaka daholo fa tsy mba misy iray hetero! Sady tsy mahavoa raha resaka hira.

Mety ho antony iray hankahalan' ny mpiondana ny bozb koa dia satria hono ny namoronana ny bozb( ilay @ endriny ankehitriny) dia natao hanoherana ny tendance rap izay mozikan' ny làlana sy ny fanakianana, ka ny tononkiran' ny bozb dia mifanohitra tanteraka @ tanjon' ny rap fa teniteny foana tsy mampandroso no entiny. Fa ny tena mampisy fankahalana dia ireo bozb sasany izay milaza tena ho mpanao rap (oh TGaigy, ...), ny famaritana ny atao hoe Rap aza tsy fantatr' ialahy.
17. xxx ( 01/07/2004 08:13)
Ataovy fantarin'ireo mpiondana ireo aloha ny dikan'ilay teny hoe "boys band" ( fa antokona lehilahy na groupe de garçon ) izay vao mifanaratsy. Ny mpiondana koa anie olona efa mivoana @ tontolon'ny maha-malagasy e! Izany hoe samy io daholo fa aza mifanakiana e!!!!!!!!!!!
18. fijo ( 01/07/2004 22:02)
ilay resaka PD aloha tsy hitako izay hitsarana azy amin'izay.hira no resaka fa tsy sexe.
fa ilay izy tsy manana fototra momba ny hira mihintsy no ratsy.
19. dotmg ( 08/07/2004 06:46)
DRAY DRAY DRAY DRAY DRAY ry xxxxxx havako.
Mivoana amin' ny tontolon' ny maha-malagasy azy ahoana re ny mpiondana e?

Inona no maha-malagasy tandrovin' ny Unik na Tempo Gaigy na Faxy?
Ianareo bozb aza tsy naha-ome dika malagasy ny teny hoe boyzband nefa ry zareo mpiondana mba namorona ity teny hoe mpiondana ity!
Dia andeha isika haka tononkira roa, ny iray an' ny boyz band dia ny iray an' ny mpiondana, dia iza no be teny vahiny indrindra?

Ny idiran' ilay hoe pelaka dia satria ny rappeurs homophobe daholo, ary sendra ny mafy izay vao mba miara-miasa @ pelaka (toa an' i Eminem sy Elton John).

Ny hoe antokona lehilahy dia dika mot-à-mot, fa ny mpiondana tsy nanaratsy Rebika, nefa ireny groupe de garçons. Ny mpihirahira foana notsimponina no kianin' ny mpiondana, ary ireo no faritany hoe boys band (manao gadona dance, tononkira tsy misy ventiny, ...)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1855