Nanontaniako i ChatGPT fa mbola i Madagasikara ihany aloha no firenena nampiasa fitsapana lainga izany raha ny fahafantarany. Zavatra mbola tsy nisy ???? raha toa ka hanivanana izay hitondra firenena na ho mpikambana ao amin'ny governemanta.
Ny tanjona hono dia hoe mba ho olona madio (farafaharatsiny 60%) no miditra ao amin'ny governemanta.
Mahavelombolo ilay fikasana fa ny fomba hanatanterahana azy no mahalasa saina. Marina fa efa mahakivy mihitsy ny mpitondra sasany, vao mahazo toerana dia hanangon-karena (tsy ny rehetra). Tonga dia trano be mijoalajoala anaty volana vitsivitsy mova tsy toa ny nahazo loka tamin'ny lôtô. Marina fa tonga dia raikitra ny kiantrano antrano efa nifandivàn'ny minisitra teo aloha...na ny forongony na ny taranany koa ara. Fa dia tena tsy misy atokisana intsony rokoa ve izany?
Amiko, tsy voatery hodiana tsy hita koa ireo minisitra teo aloha izay niaina tanaty fahatsorana sy fahombiazana. Tsy nanan-karena tampoka nefa nahavita ny asany. Afaka maka an'ireny. Na niara-niasa tamin'ny forongony ara izy ireny dia nahavita ny mission-ny. Dia misy koa ireo manana ny traikefa nasehony tamin'ny andraikitra ambony nomena azy na noraisiny. Tsy voatery ho minisitra teo aloha fa mety efa nanana andraikitra ambony noho izany eo amin'ny sehatra iraisampirenena ary tsy lasa mpanan-karena tampoka. Dia misy koa ireo olona efa hita tamin'ny tantarany. Azo nitokisana sy nametrahan'ny fiaraha-monina adidy kantsy nivadika. Ireny koa azo omena andraikitra eo amin'ny firenena.