Fanavaozana ny Radiovazogasy

1. hery ( 7 ora lasa)
Eo an-dalam-panavaozana tanteraka ny Radiovazogasy aho amin'izao fotoana izao. Ny site sy ny studio no hohavaozina amin'izany. 

Ny site aloha dia atao mitovy amin'ny fitaovana izay ampiasain'ny Tononkira sy ny Vetso ny fitaovana ao anatiny. Ho an'izay liana kokoa dia mampiasa CodeIgniter 4 isika amin'izao ary mampiasa modules manokana ho an'ny Serasera rehetra. Izay no hahafahana mampiasa tenimiafina sy solonanarana iray ho an'ny pejy rehetra.

Fa ankoatra ny site dia miova koa ny fitaovana mibaiko ny Radio. Tsy mampiasa Windows mihitsy intsony isika amin'izao. Ilay fitaovana nampiasaina teo aloha dia fitaovana miasa amin'ny Windows irery ihany ka tsy maintsy manana serveur manokana vao afaka mampiasa azy. Amin'izao dia mampiasa Liquidsoap izay afaka miasa ho an'ny Linux. Mbola tsy vita tanteraka satria mbola misy miverimberina ireo hira fa efa jerena akaiky.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0539