Finoana tsy arahin'asa

1. hery ( 05/05/2025 16:00)
Matetika adino matetika (adion'ny kristianina sy adinon'ny tsy kristianina koa) hoe ny Fiangonana dia tena miasa. Asa fampandrosoana, asa sosialy, asa fanabeazana. Mety hoe misy fidiram-bola ny sasany amin'izy ireny (sekoly, hopitaly) fa misy tena fitsinjovana ny madinika tanteraka (caritas sns). Amiko raha mbola fiangonana tsy mitsinjo ny madinika fa vao maika indray manabotry azy amin'ny fanerena azy handoa vola mihoatra dia tsy mbola fiangonan'ny finoana. Ny finoana dia arahina asa. 
Asehoy amin'ny asa ny finoanao.
Asehoy amin'ny asan'ny fiangonana ny fiangonanao.
2. Azrael666 ( 06/05/2025 06:30)
Izany rehetra izany dia marina avokoa! Matetika koa anefa ilay "côté" finoana dia hadino, fa ny "asa" no mandeha, ary mandeha "routine". Eo koa ny lafiny RAFITRA. Matetika manakana ny laïque tsy hiasa sy hivelatra ny rafi-piangonana sasany.
Ny zavatra hitako koa anefa dia izao: mitady hijanona ho FILAMATRA SISA ny fifampitsinjovana ventesin'ny Fiangonana:tena efa nahita sekolim-pinoana nandroaka mpianatra tsy nahaloa ecolage iray volana monja aho! Efa nahita marary noroahin'ny hopitalim-piangonana aho, fa tsy ampy vola avy any ambanivohitra zareo, ary maty androtrio ihany ilay vehivavy (matin'ny sovoka)! NANKAIZA NY FIFAMPITSINJOVANA? Fantatro fa maro ny mpitondra Fiangonana mandalo ato, ka samia misaintsaina ity resak'i Hery ity.
3. RBNIR ( 06/05/2025 12:39)
Faly misera amintsika rehetra indray, tena marina tokoa fa ny finoana tokony arahina asa. Ary tsy mety raha mitia eo imolotra fotsiny ihany (jak.2:16) fa tokony mba misy fahafoizana tsy maintsy atao MBA hanampiana n'y hafa.Tsy voatery atao ankarihary ihany koa anefa izany satria n'y Tompo Dia nampianatra hoe izay atolotry ny tananao havia aoka tsy ho hitan'ny tananao havana.
Fa tsy mety ihany koa raha ny sosialy no atao lohalaharana satria Jesosy Tompo dia efa nampianatra hoe katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany....Mila Hay tsara araka izany ny mampihatra ny tenin'Andriamanitra MBA tsy hifanipaka @ izay nampianarin'ny Tompo antsika
4. Azrael666 ( 06/05/2025 13:41)
Tonga soa indray namana RBNIR! Maniry hahita anao maharitra eto e! Tsy ampy sera mihitsy eto fa za sy Hery ihany no mifampikômanty eto matetika! Tahian'i Jesosy e
5. reynoldschicago ( 08/08/2025 03:06)
Marina tokoa izany, tokony hiara-dalana ny finoana sy ny asa. Tsy tokony ho adidy fotsiny ny fanampiana ny hafa, fa ho fanehoana ny fitiavana nampianarin’i Kristy. Andeha isika hiaina ny filazantsara, fa tsy hiteny fotsiny ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0515