FITRANDRAHANA FASI-MAINTY AO TOLIARA

1. Azrael666
(
28 andro lasa)
Mitondra am-bavaka anareo ao Toliara, fa tsy misy atody maharesy vato e!... Vahoaka tsy maharesy inona teo tokoa moa, hoy ilay raikalahy iry?... Mahereza mitolona am-bavaka, fa ny karazan-tolona ankoatr'izay dia handamoka... Kopakopa-tanana any @ "bazy toliara" any! Mahereza nareo longonay ao e
novalian'i Sony1 ny 17 andro lasa

2. hery
(
26 andro lasa)
Mety tsy hisy hevitra io. Jereo fotsiny ny tany Chine. Hita fa namono vahoaka ilay izy (cancer, environnement sns) fa tena naleony nanao sorona ny vahoaka sasany mba hahazoana vola. Dia ho toa izany koa io ao Toliara io. Vola be tsy azo odian-tsy hita no horaisin'ny fanjakana amin'io ka tsy maintsy atao na dia hisy voka-dratsiny aza. Raha ohatra ka hoe vola ho fampandrosoana ny firenena fotsiny mety tsy hataony ihany, fa hisy vola hiditra am-paosiny koa. Tsy hisy hiraharahiany an'izay vahoaka any amin'ny 1000km lavitra azy any.

3. Azrael666
(
26 andro lasa)
Tena raha tombatombanana dia toa efa tompony mangataka atiny isika: zalah no manan-karena fa ny vahoaka tena fadiranovana!... Henjana be koa fa vao manohitohitra eo dia efa haintsika ny tohiny. Md Augustin anefa niteny ity teny ity, ary entiko mampieritreritra ny rehetra: "à une loi injuste, nul n'est tenu d'obéir". Ny fitondrana volomboasary aloha dia mampieritreritra fatratra ahy e! Asa na samy famaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana, fa za manokana fanina amin'ny zava-nisy teto an-tanàna hatramin'ny nitondran'ireo e! Sady very fanantenana

4. Azrael666
(
26 andro lasa)
Ny tsy nahitako lalana sy tsy fananako vola no mbola ijanonako eto amin'ity gasikara mampahantra velona ty, fa raha ny sitrapoko dia any @ tany mampiasa euro any aho no mivelona... Mampite hanontany hoe fa maninona ary aho Andriamanitra no nataonao gasy, sy hoentin'ingahy rajoelina?

5. Azrael666
(
26 andro lasa)
Thorium 232, Uranium 238, Potassium 40: ireo éléments chimiques henjana be ireo, araka ny vaovao, no bedebe @ io fasimainty io. Ny uranium dia fanamboarana arme nucléaire. Dia tena ny vola ve no ambony?

6. Ygrayk
(
19 andro lasa)
Raha ny io Uranium io fotsiny nefa zao no ampiasaina eto Madagasikara dia azo atao hoe milamina isika. Tohy ny hoe tsy hisy jiro ho tapaka eto raha ampiasaina amin'ny famokarana herinaratra. Efa ela isika no potika, tsy ny gasy irery nefa maro amin'ireo firenena mahantra no potehina amin'ny vokatra simika tahaka ireo.

7. Azrael666
(
19 andro lasa)
Ygrayk:/
Raha ny io Uranium io fotsiny nefa zao no ampiasaina eto Madagasikara dia azo atao hoe milamina isika. Tohy ny hoe tsy hisy jiro ho tapaka eto raha ampiasaina amin'ny famokarana herinaratra. Efa ela isika no potika, tsy ny gasy irery nefa maro amin'ireo firenena mahantra no potehina amin'ny vokatra simika tahaka ireo.
Marina daholo zany! Fa aleo manantena nifin'akoho haniry, toy izay hanantena an'izany fanasoavam-bahoaka izany eto M/kara. Izy mianakavy efa manana nationalité vahiny sy passeport diplomatique daholo na potika aza M/kara, fa isika kosa zara aza tsy "gaz sarin" direct no navoakan'ny fasi-mainty sy ny fota-mainty! Indrisy ry gasikarako mainty, sy afrikako mainty, tsy tian'ny havany mainty!