Novegasy sy ny tontolony

1. hagamamytahiana2023 ( 13/02/2025 02:59)
Salama daholo, izaho dia tena anisan'ny mpankafy sy mpanaraka tantara mitohy Malagasy ao amin'ny CANAL+ (Novegasy) : vaovao tsara no azoko lazaina aminareo, hijanona tsy hilalao ao amin'ny Novegasy intsony i Princia (zanak'i AVOKO) fa handeha hikopak'elatra any ampitan-dranomasina any satria efa naneho fisaorana ho antsika rehetra izy tao amin'ny pejiny Facebook fa hijanona hatreo ny Novegasy, sady efa nifarana rahateo ihany koa ny tantara mitohy WISA (saison 5), matetika mantsy ny série ao amin'ny Novegasy dia 60 épisodes ny "saison 1", fa raha "saison 2" izy dia 120 épisodes. Ireto avy ny série efa nandeha tao amin'ny Novegasy hatramin'izay :

AVOKO PRODUCTION : ANKILABAO 2.0 (60 épisodes), DIARY (240 épisodes ; saison 4), ZAVONA (120 épisodes ; saison 2), WISA (saison 5 ; 300 épisodes), SORA-JANDIANA (saison 1 ; 60 épisodes), TSY FOIKO IANAO (60 épisodes), BARAINGO (60 épisodes), LEFONA (60 épisodes), ANJELY NIVADIKA (60 épisodes), AINA MIRAY (58 épisodes), NIVERI-NOFO (60 épisodes), HAINTSO (60 épisodes), FARAKELY (60 épisodes), SAMY FATSORA (40 épisodes).
SARY.COM FILMS : ANAY (saison 3 ; 180 épisodes), ILO AINA & TANA MANIA 2.0 (saison 2 ; 120 épisodes), OSIKA (60 épisodes), MIFANINGOM-PAKA (60 épisodes), SIPA (120 épisodes ; saison 2)
PRO GÉNÉRATION STUDIO : ZOVY (180 épisodes ; saison 3), FAHAVALOKO MALALAKO (60 épisodes), VOHITSIAMBARA (60 épisodes), ATRIKA (60 épisodes), MIRAL (série mandeha ao amin'ny NOVEGASY : 60 épisodes)

Ny ankoatra izay ny an'ny producteur sasany mety 40 épisodes ny "VONA" sy "FANALA" fa ireto avy ny série izay mandeha ao amin'ny NOVEGASY amin'izao : MIRAL, TIA MANDRA-MATY, FANGA 2 ary SANGODINA.

Ny tohin'ny ANKILABAO 2.0 dia ho avy tsy ho ela fa mbola eo an-dalam-panatontosana izany ny trano mpamokatra.

Mazotoa manaraka NOVEGASY daholo ary ô !
2. hery ( 13/02/2025 08:43)
Misaotra e
3. hagamamytahiana2023 ( 13/02/2025 10:02)
hery:
Misaotra e
Aza miala amin'ny Novegasy ary e!
4. hagamamytahiana2023 ( 19/02/2025 06:25)
Salama daholo, ho antsika rehetra mpanaraka Novegasy dia aza adino ny manaraka ny andian-tantara mitohy na ny "feuilleton" mitondra ny lohateny hoe "TIA MANDRA-MATY" izay arahanareo isan'andro ny Alatsinainy hatramin'ny Zoma amin'ny 06 ora latsaka fahatelony hariva, ary ny famerenana amin'ny 09 ora alina, eto amin'ny NOVEGASY hatrany. Ilay tantara "TIA MANDRA-MATY" dia "feuilleton" vahiny izy io fa nadika tamin'ny fiteny malagasy, fa efa hitantsika any amin'ny Youtube any ihany koa ireo "feuilleton" an'ny Novegasy rehetra hatramin'izay toy ny ANKILABAO 2.0, ANAY, FARAKELY ary ny KODIARAN-TSARETY 1.

Aza matahotra fa mbola ho avy ny "série" vaovao izay ho atolotry ny NOVEGASY ho anareo : DIARY 5, ZAVONA 3, ANAY 4, MAIZIM-BOLANA, KODIARAN-TSARETY 2, OSIKA 2, MIFANINGOM-PAKA 2 ary ny SIPA 3 sy ny maro hafa.

Misaotra tompoko dia mazotoa mijery Novegasy daholo ary ô !
5. hagamamytahiana2023 ( 19/02/2025 06:27)
Mamerina ny arahaba ho antsika rehetra, ho anareo izay tsy nanaraka ny tantara mitohy ANKILABAO 2.0 mihitsy nanomboka tany amin'ny épisodes 1 ka hatramin'ny épisodes 60 dia azonareo jerena amin'ny YouTube dia inty aloha ny sombiny ho an'izay mbola tsy nahita :
6. hery ( 19/02/2025 09:47)
Ndraso aloha
Epîsode iray ve zany 45mn? Tena efa manao le Gasy raha izany
7. hagamamytahiana2023 ( 19/02/2025 11:09)
Salama Hery an !

Tsy azonao mihitsy ilay resaka, samy hafa ny "long-métrage" sy ny "feuilleton", ny maha-samy hafa azy dia ho hazavaiko aminao : ny "long-métrage" dia maharitra adin'ny iray ora sy fahefany ary mihoatra ny 60 minitra raha be indrindra fa ny "feuilleton" toy ireny efa hitantsika ireny (ANAY, ILO AINA, ANKILABAO, ZOVY, ATRIKA, DIARY, ZAVONA, TANAMANIA, sns.) dia raha "saison 1" izy dia 60 épisodes, fa raha "saison 2" izy dia 120 épisodes dia toa izay hatrany hatrany. Fa ny "durée" an'ilay "feuilleton" ao amin'ny Novegasy tompoko dia 10 minitra ihany raha kely indrindra.

Fa ny "épisodes" iray isaky ny "série" ao amin'ny Novegasy 10 minitra ihany.

Misaotra betsaka.
8. hagamamytahiana2023 ( 20/02/2025 10:07)


Salama daholo ! Izany indray àry ny "feuilleton" ANAY ho an'izay mbola tsy nahita e !
Ny "feuilleton" ANAY dia nanomboka ny volana Jona 2021 taorian'ny fizarana voalohany ny "feuilleton" ILO AINA izay novokarin'ny Sary.Com sy ny CANAL+ (Novegasy) dia namokatra ity andian-tantara mitohy ity izy ireo ny taona 2021. Fa kosa, tantara mahakasika ny vinanto sy ny rafozana no hovoaboasana ao anatin'ny tantara, satria i Anay dia zanaka olona mpanankarena iray ao amin'ny orinasa RAZANAKOTO izay hiasan'ny rainy ary rehefa nandao azy ny reniny izay atao hoe i Noro, dia nanana renikely izay izy ka nanao fihetsika mamoa fady tao amin'ny efitranon-janany ary noroahin'ny rafozam-baviny.

Maharitra 10 minitra io tantara io ka dia manasa antsika hijery izany : io ny fizarana voalohany na ny "épisodes 01".

Mirary soa dia mazotoa daholo mijery Novegasy ary e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6196