Fahasalamana: Ireo azonao handraisana anjara

1. hery ( 23/06/2024 07:30)
Heno fa tena fijaliana no iainan'ny mana-marary eto Madagasikara. Raha tsy manam-bola be ianao dia hosahirana, ary na manam-bola be ara mbola mety tsy ho araka ny tokony ho izy ny fitsaboana.
Tsy azo hianteherana firy izany ny resaka fitsaboana ka mila mifanampy ny mpiara-belona. 

Ireto misy sosokevitra vitsivitsy azon'ny rehetra andraisana anjara. Mila betsaka ny mpandray anjara mba ho tsara ny vokatra:

- Mila betsaka ny manome rà, ary maimaim-poana.
- Arahi-maso ny vokatry ny fanomezan-drà, raha betsaka tokoa ny mpanome rà dia tsy ekena intsony ny fandoavam-bola ho an'ny marary mila ra.
- Mifanampy amin'ny fanaraha-maso ny isan'ny marary miditra (indrindra amin'ny urgences)
- Mifanampy amin'ny fanaraha-maso ny dokotera miasa (misy ireo dokotera tsy manatanteraka ny gardes ara-dalàna)
- Mifampizara ny amin'ny fanafody omen'ny dokoktera (misy dokotera mampividy fanafody tsy ilaina akory, tsy ampiasaina akory)
- ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2836