Teny Malagasy

1. Bob Ramananamiraka ( 27/04/2024 18:32)
TENY MALAGASY

Ry teny Malagasy, ianao no safidiko
Mamiko loatra ianao ka kajiko
Ianao ilay teny mamiko indrindra
Ka tsy avelako ho lany taminga

Ny teny Malagasy no fianatro
Izay hanaperako ny androko
Ianao ilay yeny tsy mba miova
Omena ny taranaka mba ho lova

Ny teny Malagasy no mampitambatra
Ka nahatonga anay ho nosy tena sambatra
Izy irery ihany no itenenanay
Sady hany mba reharehanay

Ianao irery no teny tena kanto
Ka nahatonga ahy andeha handranto
Andeha ho any amin’ny an-jery manontolo
Mba hanatsaràna ny fiainana manontolo

    Bob Ramanamiravaka
novalian'i hery ny 01/05/2024 13:58
2. hery ( 01/05/2024 13:58)
Efa nampidirinao ao amin'ny vetso.serasera.org ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1