Foana ny facebobaka: Vahaolana

1. hery ( 31/03/2024 10:34)

Araka ny vaovao heno izany izao dia tsy azo atao intsony ny mivarotra data internet latsaky ny 0,93$ ny 1Go. Noho izany dia tsy misy intsony ny facebobaka izay natolotry ny Telma sns.
Vokatr'izany dia betsaka ireo tsy afaka hijery facebook satria tsy maintsy mividy data lafolafo kokoa (méga hoy isika) vao afaka hijery facebook, kanefa avy eo vao tafiditra iny data vidina iny dia hiasa amin'ny zavatra hafa ao amin'ny finday ka asa na ho ampy hahafahana mijery facebook. 
Koa ireto misy vahaolana vitsivitsy ho an'ireo mpi-facebook, indrindra ireo mpanaraka influenceurs sy mpanaraka vente en ligne. Ho an'ireo mpamokatra video ho an'ny facebook indray aloha inoako fa manana fahefamividy amin'izany izy ireo satria efa betsaka aza ny manao TikTok.
Ka toa izao ary ireo vahaolana mety ho azo atao, izay mbola mahita dia afaka manohy ity resaka ity.

1. Sakanana ny mise à jour
Mety azo atao ho vahaolana iray raha tena ny facebook fotsiny no tianao handaniana ny data dia sakano ny mise-à-jour automatique. Izany hoe tsy avela hampiasa data ireo applications hafa rehetra ao anaty finday. Misy fomba hanaovana an'izany ao amin'ny paramètres ao amin'ny finday. Mety azo atao koa ny misakana ny applications tsirairay tsy hi-connecter amin'ny internet handany données.

2. Mampiasa Facebook lite
Ny Facebook lite dia version facebook iray izay faran'izay maivana ka tsy mandany data firy. Satria tsara homarihana fa na dia ny Facebook fotsiny aza dia tena mitroka be. Tsy izay zavatra jerenao irery no ampiasain'ny Facebook données fa na dia ny sary sy video izay tsy mbola jerenao aza fa heverin'i facebook hoe hojerenao rehefa avy eo. Tonga dia trohany ireny sary ireny mba hahafahanao mijery azy avy hatrany... izay ilay antsoina hoe "preload"

3. Connexion Wifi
Fomba iray azo atao koa dia ny mandeha amin'ny toerana misy WIFI isaky ny hampiasa facebook. Izany hoe tsy mampiditra data ianao fa mandeha manatona toerana misy wifi. Misy amin'izy ireny maimaim-poana, misy mandoa vola kely. Ny cybercafé matetika azo atao tahaka izany. Misy koa ny centres culturels na trano famakiam-boky na toeram-piasana mety manome wifi. Mila mifampiresaka amin'izay tompon'andraikitra.

4. Cyber
Ny fomba farany dia miverina amin'ny fotoana fony tsy nanana finday. Rehefa misy zavatra tiana hojerena amin'ny internet dia mandeha eny amin'ny cybercafé. Mila fizarana kely ny fampiasana internet amin'ny ordinatera amin'ny cyber satria tsy mitovy amin'ny finday intsony ny eny. Ilaina, ohatra, ny fitandremana tsara eo amin'ny site jerena. Ny fanamarinana hoe tena Facebook ve no sokafanao sa site sandoka sy fitaka. Rehefa vita koa izay atao dia tsy adino ny manidy ny kaonty (mi-se déconnecter) fa tsy tahaka ny amin'ny finday hoe avela amin'izao. Satria mety hidiran'olon-kafa mampiasa an'ilay ordinatera aorianao ny kaontinao.

Dia izay sy izay fa dia mahereza daholo.
répondu par hery le il y a 19 jours
2. hery ( il y a 19 jours)
Toa efa nofoanana sahady hono ity resaka ity 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.456