Tosa-panavaozana 2024

1. hery ( 04/03/2024 22:08)
Nanomboka ny faramparan'ny taona 2023 dia mandalo fanavaozana daholo indray ny takelaky ny serasera.org. Efa nanomboka hatramin'ny Vavahady fidirana izany, nandalo tao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org sy ny avatar.serasera.org, avy eo ny tononkira.serasera.org sy ny vetso.serasera.org. Dia nandalo teo koa ity forum.serasera.org ity. Nohavaozina koa ireo takelaka hafa mampiasa ny fitaovana ampiasain'ny serasera toy ny katolika.org sy ny baiboly.katolika.org.
Fanavaozana mitohy no atao, satria mampiasa ny Solaitra vaovao izay mifototra amin'ny Codeigniter 4 ny tenako amin'izao fotoana izao raha niainga tamin'ny Codeigniter 2 ireo takelaka taloha.
Ezahiko taterina tsikelikely eto amin'ity lahatsoratra ity ny fitohizan'ny fanavaozana atao.
novalian'i hery ny 20/03/2024 05:23
2. SANAKERIB ( 20/03/2024 05:10)
Mba mangataka mba hisy takelaka ho an'ny literatiora malalaka : oh = Tantara mitohy ; tantara foronina ; lahatsoratra mampandroso sy lahatsoratra fikarohana ; mankasitraka tompoko
3. hery ( 20/03/2024 05:23)
SANAKERIB:
Mba mangataka mba hisy takelaka ho an'ny literatiora malalaka : oh = Tantara mitohy ; tantara foronina ; lahatsoratra mampandroso sy lahatsoratra fikarohana ; mankasitraka tompoko


Mety mbola tsy fantatrao fa efa misy
takila.serasera.org
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1002