Teny malagasy : latsaka sa nianjera?

1. hery ( 28/05/2023 10:55)


Rehefa tena mpiteny malagasy isan'andro hatramin'ny mbola kely dia tsy mahatsapa hoe misy teny maromaro izay mitovitovy dika kanefa samihafa ny fampiasa azy, ary tsy misy fitsipika manokana fa vokatry ny fahazarana sy ny fampiasan'ny rehetra azy fotsiny. Anisan'izany ny latsaka sy nianjera.
Nanontanian'ny zanako teraka taty ivelany, miteny malagasy, aho hoe inona no mahasamihafa ny latsaka sy nianjera? 

Amin'ny teny frantsay dia samy azo adika hoe "Tomber" ireo teny roa ireo. Tsy misy fitsipika manokana. Niezaka nitady fitsipika ihany aho. Mety azo lazaina ho fitsipika ankapobeny ity: rehefa milatsaka fotsiny amin'izao, tsy misy hery ivelany mahatonga an'ilay filatsahana dia latsaka izay. Fa rehefa misy hery ivelany mahatonga an'ilay fianjerana dia nianjera izay. Tsy fitsipika marina foana anefa io satria misy vitsivitsy milaza hoe nianjera na latsaka tsy mifanaraka amin'io fitsipika io. Ka aleo maka ohatra vitsivitsy:

- Olona latsaka anaty lavaka na hantana.
- Olona nianjera fa tafintohina
- Vola latsaka avy any anaty paosy.
- Ny vary latsaka rehefa tsy mahay mihinana tsara
- Ny penina latsaka avy eny ambony latabatra
- Ny olona nianjera avy eny ambony fandriana
- Ny olona nianjera avy eny ambony hazo
- Ny voankazo masaka latsaka (sa nianjera?)

Ny hevitrareo?


novalian'i Aminata ny 31/05/2023 10:47
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2251