Ambany dimension sy niveau ny mpianatra ankehitriny

1. azrael666 ( 15/03/2023 03:01)
Tsy mihambo ho efa zokiolona loatra, fa za dia mbola azo sokajiana ho generation 90 (teraka 93 aho). Fa izao no mba tsy aritro: fony fahazazanay teny @ tanana atao hoe Ampamelomana, dia tsy nisy afatsy EPP teny an-tanana fa rehefa afaka CEPE dia TSY MAINTSY any Betafo no mianatra: TSY MAINTSY miala maraina @ 5 sy sasany raha miditra @ 07, tsy afa-mody an-trano atoandro, ka na mitondra vary fonosina, na mitondra 200 ar hihinanana vary mitsangana. Ny gouter na 50 na ar 100. Ny lalana avy eo an-tanana mankany Betafo dia 6 km maraina 6 km hariva. Fa izao:
NAMPAHAY ANAY IZANY FIHAFIANA IZANY! Farafahakeliny ny moyenne-ko rehefa mizara bulletin: 15/20
Ny ankizy eo an-tanana anefa amin'izao: MISY EPP, CEG, LYCEE EO AN-TOKOTANY, MIHINANA GOUTER 1000 ar, MAHITA AN'I DADA SY MAMA MARAIN-TSY HARIVA: 12 DE MOYENNE NO MAJOR DE CLASSE! DE GAGA ELAH!
Vola ariana amin'izao ny vola ampianaran-janaka, indrindra fa @ sekolim-panjakana! Mbola tsy noresahiko aza ny niveau sy dimension mpampianatra FRAM.....
novalian'i Aminata ny 17/07/2023 08:16
2. hery ( 18/03/2023 22:08)
Izay voky no maharaka ny namany. Raha noana ny vatana mivezivezy ny fanahy.
Ireo fotsiny dia hahatsapana fa tsy ho tafita ny ankamaroan'ny ankizy satria mbola anaty hanoanana loatra.
Tsy maintsy hoe izay mahita atao ihany no ambony niveau.
Tsy ny fampianarana izany no mila ahitsy fa mila tohanana mihitsy aloha na ny mpampianatra na ny mpianatra.
3. hery ( 05/06/2023 18:09)
Aminata:
Salama eee. Azafady , mba hanontany ny maha samy hafa hoany sy hoa any. Misaotra.


toa tsy fiteny izany hoa any izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1381