Tsy mihambo ho efa zokiolona loatra, fa za dia mbola azo sokajiana ho generation 90 (teraka 93 aho). Fa izao no mba tsy aritro: fony fahazazanay teny @ tanana atao hoe Ampamelomana, dia tsy nisy afatsy EPP teny an-tanana fa rehefa afaka CEPE dia TSY MAINTSY any Betafo no mianatra: TSY MAINTSY miala maraina @ 5 sy sasany raha miditra @ 07, tsy afa-mody an-trano atoandro, ka na mitondra vary fonosina, na mitondra 200 ar hihinanana vary mitsangana. Ny gouter na 50 na ar 100. Ny lalana avy eo an-tanana mankany Betafo dia 6 km maraina 6 km hariva. Fa izao:
NAMPAHAY ANAY IZANY FIHAFIANA IZANY! Farafahakeliny ny moyenne-ko rehefa mizara bulletin: 15/20
Ny ankizy eo an-tanana anefa amin'izao: MISY EPP, CEG, LYCEE EO AN-TOKOTANY, MIHINANA GOUTER 1000 ar, MAHITA AN'I DADA SY MAMA MARAIN-TSY HARIVA: 12 DE MOYENNE NO MAJOR DE CLASSE! DE GAGA ELAH!
Vola ariana amin'izao ny vola ampianaran-janaka, indrindra fa @ sekolim-panjakana! Mbola tsy noresahiko aza ny niveau sy dimension mpampianatra FRAM.....