HAJAO IHANY NY FOMBAN-DRAZANA E

1. RUZ9 ( 07/06/2022 12:40)
Ho diso fanantenana ny kandida iray amin'ny fifidianana ho filoham-pirenenna amin'ny 2023 mikasa ny hamadika ny ho fahombiazan'ny Barea ho fandresen-dahatra ny mpifidy mba handatsa-bato ho azy ( «tsy fantatro ny anaran'io kandida io fa ny tenanay jamba sady marenina, tsy mahara-baovao » ). Malagasy aho manohana ny Barea.
Resy matetika nefa ity ekipam-pirenena ity hatramin'ny nitokanana ny kianjan'ny Barea mitondra ny anarany. tsy ho tafakatra any amin'ny CAN 2023 ny Barea satria notokanana tsy lera (ara-panandroana) io kianja io : araho ao amin'ny faramparan'ny article ao amin'ity rohy hotsindrinao ity ny fanazavana rehetra momba an'izany : Ny fisoronana sy ny ala faditra ; ny fitokanana sy ny fotoana mety aminy avy
novalian'i shafira ny 25/08/2022 12:17
2. Kth2 ( 30/06/2022 08:32)
Salama e !
Tsy tokn hanatena aloha na iza na iza hoe nanambotra an'zao na nanome an'zao dia hanatena ny fandreseny. Tsy mitovy tsinona ny fijerin'ny olona Malagasy tsirairay.
3. RUZ9 ( 01/07/2022 09:21)
Mila misokatra tsara ny masontsika Malagasy, fa ity mpitondra ity tsy miezaka ny hampandroso ny firenena.
Heveriny fa ho voky fampisehoana ny Malagasy.
Ary ny ratsy aminy dia izy tsy mandray torohevitra mmihitsy na dia avy amin'ny Mesia aza izany.
Heveriny angamba fa hanaiky an'izay tiany Andriamanitra.
Enga anie Andriamanitra mba ireo mafy sofina tsy mety mankatoa anao ihany no hofaizinao MAFY.
Amen.
4. shafira ( 25/08/2022 12:17)
Tsy fanajana sy ny tsy fankatoavana ny Ilon-dRazana no tena nahavery antsika lavitra noho ny akon'ny fanjanahana nataon'ny frantsay...Raha mbola ny fanakaikezana an'ny frantsay no imasohantsika eto dia tsy hisy firenena ho tafavoaka izany eto,ariana sy badoina ny fomba sy ny fahendren-dRazana fa ny an'ny vahiny no tsara sy mahasoa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3264