Ela tsy niserasera i Ruz 9, mbola niketrika sarimiaina amin'ny teny malagasy, hivoaka tsy ho ela ny COVID69,
Ao aorian'izay kosa no hivoaka ny tantaran'i Madagasikara fahagola fintinin'ity bande annonce ity : tsindrio raha hiditra
Hitako ilay izy fa ohatry ny mbola basique be izany? Sao dia mila maka fitaovana hafa hanaovana animation. Misy gratuit daholo ihany mantsy ireny.
Ny olona mantsy tsy hanohana ara-bola izany raha tsy efa mahita zavatra tsara mivoaka.
Ilay sarimiaina ve sa ilay horonantsary fanadihadiana ?
Sahiko ny milaza fa tsy latsaky ny kalitaon'ny sarimiaina vita vahiny io, na tsy mitovy aza ny fitaovana nampiasaina, ny fahaiza-manao mantsy mahafeno banga maro ihany, ary efa afaka amidy ny vokatra izay maharitra ora iray.
Na izany aza olona tsy mitsahatra mikaroka i Ruz 9 ka azo ekena ny handray ny fitaovana avy any amin'ny olon-kafa.
Raha ny amin'ilay horonantsary fohy ampahany momba ny tantaran'i Madagasikara fahagola indray, ny feo no vita, ny sary mila fanampiana ara-bola mihitsy ary mila fidinana eny amin'ireo toerana voalaza vao hotontosaina ny sary.