Mba efa renao tokoa ve ilay antso hatao farany ho ...

41. gasy1zay ( 29/04/2020 18:45)
rava ity forum fivavahana sy finoana ity raha miala eto rhaj0, fa ny tena mapme dia raha atao ny stat mpanoratra eto dia ilay olona tsy mpino no nanoratra be indrindra e! Tohizo fa tsara, ento miakatra ity serasera ntsika ity
42. RBNIR ( 30/04/2020 00:13)

rhaj0:

Raha misy olona milaza fa "mahare feo" anefa izao ao gabone ohatra, dia tena mety tonga dia hozy RBNIR hoe, any Anjanamasina 'ty ... Nefa i RBNIR "mahare feo" koa HONO :-)

Fa raha misy koa olona milaza fa "misy mitarika azy" HONO izy.. tsy olona no mitarika fa something.. dia hozy koa i Gasy1zay hoe, any Anjanamasina 'ty ... Nefa i Gasy1zay tarihin'izao FM izao koa HONO :-)

Ny iray misy miresaka, ny iray misy mitarika.

Mitovy ho'a fa tsy sahala ee... :-)

tsy mitovy rhaj0 an! rehefa tena nohadihadina teto i gasy1zay dia hita ary tsapa fa mbola tsy tena nandray ity fanomezana voalaza ato ity izy....
misy presence réel tokony ho fantany sy tsapany mantsy voasoratra mazava ao...

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

raha olon'izao tontolo izao (na koa kristiana ihany fa saingy mbola miaina araka ny fanaon'izao tontolo izao ihany ) dia tsy hahita na hahafantatra an'io mihitsy.....
43. rhaj0 ( 01/05/2020 11:53)
gasy1zay:
rava ity forum fivavahana sy finoana ity raha miala eto rhaj0, fa ny tena mapme dia raha atao ny stat mpanoratra eto dia ilay olona tsy mpino no nanoratra be indrindra e! Tohizo fa tsara, ento miakatra ity serasera ntsika ity

TSY rava izany ny forum ry Gasy1zay a.. i Hery anie no herin'ity eee... Raha hozy i Hery hoe "aoka izay" dia, eny, vita ny baolina. Fa raha izay izaho dia tsisy dikany @ n'inon'inona. Raha tsy diso aho, dia i Radoko koa azany no mandrindra ity lohahevitra ity. RAha hozy Radoko hoe, mangin'ty, dia vita koa ny baolina.

Fa raha i Hery (sy Radoko) kosa aloha, dia tena miondrika ambany dia ambany ary manaja azy aho, fa bebe ihany izay forum nandehandehanako izay, fa tena tsisy hotr'ity Seraseran'i Hery ity. Eto dia tena Malagasy, m(if)anaja (@) teny Malagasy sy samy Malagasy. Na dia tsy mitovy azany ny (fi)hevitra,

Ary raha ny lohahevitra eto indray, dia ny TSY finoana ry GAsy1zay dia mbola (azo) kilasiana @ lohahevitra ity aa... REsaka finoana/fivavahana daholo izany. Misy sasany mantsy mihevitra fa (sahala @) eny ambony alitara hono izy eto.


Fa dia tohizo ny resaka eto ee....
Dia ilay r@ 10 taona mifankahita koa ataovy mitranga :-)
44. RBNIR ( 01/05/2020 15:59)
rhaj0:

TSY rava izany ny forum ry Gasy1zay a.. i Hery anie no herin'ity eee... Raha hozy i Hery hoe "aoka izay" dia, eny, vita ny baolina. Fa raha izay izaho dia tsisy dikany @ n'inon'inona. Raha tsy diso aho, dia i Radoko koa azany no mandrindra ity lohahevitra ity. RAha hozy Radoko hoe, mangin'ty, dia vita koa ny baolina.

Fa raha i Hery (sy Radoko) kosa aloha, dia tena miondrika ambany dia ambany ary manaja azy aho, fa bebe ihany izay forum nandehandehanako izay, fa tena tsisy hotr'ity Seraseran'i Hery ity. Eto dia tena Malagasy, m(if)anaja (@) teny Malagasy sy samy Malagasy. Na dia tsy mitovy azany ny (fi)hevitra,

tena marina izany rhaj0 ary dia tena hisaorana be dia be an-drizareo namana mpandrindra marina tokoa...
na dia somary mampangidihidy sofina ihany aza ilay fampianarana tsy misy kilema tsindraindray dia hitako ary tsapako fa tena malalatsaina marina tokoa ireo mpandrindra namantsika eto.....
Samia ho tahin'Andriamanitra ry namana isany a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1931