RESAKY NY 3eme ETAGE FATAON'I BOR2LAIS @ Atra

61. rhaj0 ( 23/04/2020 15:48)
Mbola anao foana ny sehatra Radoko ooo.. Jereo kely ny tabilao fa tena poupoulera be ianao, fa verinao efa ho vangy 100 izy roaroa iretsy.

Ka azo anontaniana ve ianao Radoko raha mahita ilay (Zanak') Ondry mipetraka eo ankavanan'Andrmntra koa, azony ny kilalao eto, hitanao ihany ireo ankizy falifaly, dia hoe
izay TSY mahita an'ilay Ondry dia zanak'i Satana ooooo....

62. gasy1zay ( 24/04/2020 14:38)
rhaj0 zany mihevitra hoe ny lanitra dia io hitantsika maso lalovan'ny avion io?

63. bor2lais ( 24/04/2020 15:30)
Aleo aho mba hitsimpona kely :
RBNIR:

...
Manome fotoana foana Andriamanitra mba hibebahan'ny olona iray ...
Fotoana lavalava mihitsy no homen'Andriamanitra mba hibebahan'ny olona ...
Misy fetra ihany anefa izany fotoana izay ...

Ilay fotoana hibebahana dia mandritra ny fahavelomana eto an-tany (jereo ohatra ilay jiolahy niara-nombohana tamin'ny Tompo, tantaran'ilay zanaka adala).

Fa rehefa maty ianao dia tara loatra a (jereo ny tantaran'i Lazarosy malahelo sy ilay mpanankarena (Lioka 16 : 19-31))

Ka ny zava-dehibe dia ny fiverenana amin'Andriamanitra (fibebahana).

ramose atsy amin_didy 12:

...
ntss... hafa ihany ho'a ny gasy sy ny angolan-teniny rahefa manao ohabolana eee... tena tsy mba nanao ohabolana toa io mihitnsy ny gasy.

Sady jereo koa anie ny an'i Nampoina ny fahendreny, fa dia misy fo misy saina ny gasy ee..
RAhefa tsy manaraka ny Didy 12 dia hoe:
Mahazo mifona, ary ny vahoaka no asain'Andrianampoina mitsara farany...

:-)
Mahazo mifona (amin'Andriamanitra) kosa ianao e ! Zanaka tiana miverina @ RAD ve hozonina !

Dia jereo ange ny lazaiNY aminao avy eo e :

"Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony ? Eny, mety manadino ihany izy, FA IZAHO KOSA TSY MBA MANADINO ANAO" (Isaia 49 : 15)
Mifono Vaovao Mahafaly ange ny Baiboly fa tsy vaovao mampitahotra e ! :-)
64. rhaj0 ( 24/04/2020 15:33)
Izany no famaritana ny "teny" hoe "lanitra" ao @ dikisionera.

Fa ny an-dry Kristiana sy ny Mpanjanaka moa, alainy ny teny, izay teny ampiasain'ny olona ary manana ny dikany, ary dia ovainy ny dikany.

Io sahala @ teny "Andriamanitra" izay tenin'ny Ntaolo manondro ny Vadin'i Zanahary ho'a.

Fa nosavihan'ny misionera ilay teny, ary dia lasa nanondroana an'i Dadan'i Jesosy, izay niteraka an'i Jesosy t@ Ikala Maria, fa Ikala MAria akory TSY vadin'ny Dadan'i JEsosy nefany, dia koa, araka ny lalanan'ny 3 no 1, dia manondro an'i Jesosy koa iilay teny...

Asa hoe iza aminareo eto no mahatakatra ny halalin'izany tantara-angano izany :-)
65. RBNIR ( 24/04/2020 16:34)
bor2lais ilay jiolahy finoana sisa no afaka notakin'Andriamanitra taminy ary dia nataony izany ka dia voavonjy izy fa ho an'ny olona mbola afaka mibebaka dia tsy tokony hanantena tahaka an'ilay jiolahy izy fa ny fibebahana ihany no tena azo antoka satria araka ny noporofina tery aloha dia misy fetra (ety antany fa tsy hoe rehefa maty) ny famindrapon'Andriamanitra...
Izay aloha ny voasoratra mazava...avereno vakiana tsara ilay oha.1:23-33...2Tes.2:10-12

66. RBNIR ( 24/04/2020 16:38)
kanefa marina aloha, mbola afaka mibebaka i rhaj0....(satria mbola hita miharihary fa tena mbola miala nenina mafy aminao Izy ankehitriny....
67. gasy1zay ( 24/04/2020 19:00)
ka ny loza anie dia i rhaj0 tsy mihevitra hoe mpanota izy e! Izy mihevitra hoe hendry izy dia mahay miaina hono.
68. rhaj0 ( 24/04/2020 19:26)

mouah ha ha... tsisy mahakitika ahy (atheist) izany resa-kehinareo, hoe ota sy helo sy fandringanana sy fara andro sy ny mikimpy-mafy-toa-constipE sns.. izany ee...
69. bor2lais ( 25/04/2020 10:08)

RBNIR:

bor2lais ilay jiolahy finoana sisa no afaka notakin'Andriamanitra taminy ary dia nataony izany ka dia voavonjy izy fa ho an'ny olona mbola afaka mibebaka dia tsy tokony hanantena tahaka an'ilay jiolahy izy fa ny fibebahana ihany no tena azo antoka satria araka ny noporofina tery aloha dia misy fetra (ety antany fa tsy hoe rehefa maty) ny famindrapon'Andriamanitra...
Izay aloha ny voasoratra mazava...avereno vakiana tsara ilay oha.1:23-33...2Tes.2:10-12

Fa inona kay no nolazain'io jiolahy io tamin'ilay namany talohan'ny nitodiany tamin'ny Tompo ry RBNIR ? Niaiky fa diso izy ary mendrika azy ny ho faty. Tsy fieken-keloka ve izany aminao ?

Nefa tsy nijanona tamin'izany izy fa nitodika tamin'ny Tompo mba ahatsiaro azy rehefa mby any amin'ny Fanjakany Izy : tsy fangatahana famelan-keloka sy fihavanana ve izany aminao ?

70. RBNIR ( 25/04/2020 15:23)

bor2lais:

Marina daholo ireo voalazanao ireo gasy1zay...
Andriamanitra tsy misy voa tsy hary...ireo voalazanao ireo sisa no afaka nataon'ilay jiolahy amin'ny toerana izay nisy azy ...dia neken'Andriamanitra izany (io Jiolahy io tsy nahafantatra an'i Jesosy raha ny fomba firesany fa teo mihitsy izy vao nahafantatra...mbola misy hafa nefa ny tena marina takiana amin'ny olona raha resaka famonjena nefa fantatr'Andriamanitra fa ireo sisa no afaka nataon'ilay Jiolahy dia nekeny ho fahamarinany izany...

fa ho an'ny hafa kosa hoy aho izay mbola afaka mibebaka tsara mihitsy sy manao ireo dingana hafa toy ny batisa sns...dia aleo averiko eto ny teny...

« Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; » (Ohabolana 1:24)
« Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: » (Ohabolana 1:25)
« Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)
« Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, » (Ohabolana 1:27)
« Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. » (Ohabolana 1:28)
« Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah, » (Ohabolana 1:29)
« Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, » (Ohabolana 1:30)
« Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. » (Ohabolana 1:31)

tsy olona ambavahoana kosa ngamba ireo teneniny ireo fa olona nanamafy fo nanoloana ny fitiavany an?

manamafy izany ity teny iray ity...

« ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. » (2 Tesaloniana 2:10)
« Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, » (2 Tesaloniana 2:11)
« mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. » (2 Tesaloniana 2:12)

vakio tsara nanome fitiavana Andriamanitra hamonjena azy nefa tsy nandray ilay olona dia Andriamanitra mhitsy no ampanatitra fiasén'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany lainga...mba helohina izy...

ka izay no marina e! tsy azo afenina na amboarina fa aleo ho fantatry ny maro fa misy fetra ny famindrapon'Andriamanitra ka raha tsy mibebaka aingana ny olona (rehefa mandre ny antson'Andriamanitra) dia mety ho ozona no azony ny farany ary fanamelohana no hiandry azy...
71. rhaj0 ( 26/04/2020 13:56)
rhaj0:
i Nampoina ny fahendreny, fa dia misy fo misy saina ny gasy ee..
RAhefa tsy manaraka ny Didy 12 dia hoe:
Mahazo mifona, ary ny vahoaka no asain'Andrianampoina mitsara farany...
bor2lais:
Mahazo mifona (amin'Andriamanitra) kosa ianao e ! Zanaka tiana miverina @ RAD ve hozonina !
gasy1zay:
tian'Andriamanitra daoly ny olona rehetra ...
RBNIR:
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)
rhaj0:
IZA io "mihomehy" sy "mandatsa" io ry RBNIR?
RBNIR:
Andriamanitra izay no miteny
bor2lais:
"Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony ? Eny, mety manadino ihany izy, FA IZAHO KOSA TSY MBA MANADINO ANAO" (Isaia 49 : 15)
RBNIR:
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)

Eka ro... tena "TSY HADINONY" tokoany ry Bor2lais, ary dia io izany ilay "Zanaka (lazaina hoe) tiana", arak'i Bor2lais, na ilay "olona tiany", arak'i Gasy1zay, fa dia io izany fa
- ringanin'Andmtnra ireto olona
- sady ihomehezany sy latsainy.

rhaj0:
Ary dia hoy aho hoe, "hadalanareo izay mino an'izany rehetra izany" io...
72. midrou ( 26/04/2020 17:06)
rhajO:

5a- satria tsy nanao maska, ka dia hoz'Izy hoe.. toa "maka fanahy"ahy ilay RAdoko 'ty,fa dia aleo hijinja izay nafafiny (toa ny resak'i Midrou atsy ambadika tatsy)

Tsy voatery ho avy @ devoly avokoa anie ny loza e!
Fa mety tsy fitandremana mihitsy.

Tsy hoe satria aho " mpivavaka mafana fo" de hanaonao foana satria hiaro ahy ny Tompo!!!( toy ny hoe efa hita izao afo midedadeda de hiroso ihany fa eo ny Tompo

@ zavatra ts nampoizina nefa tonga @nao ilay afo dia handresy tokoa ianao
Ohatra: Sadraka,Mesaka,Abednego ilay ao @ Daniel

Na izany aza
73. midrou ( 26/04/2020 17:11)

74. rhaj0 ( 27/04/2020 10:50)
rhaj0:
5a- satria tsy nanao maska, ka dia hoz'Izy hoe.. toa "maka fanahy"ahy ilay RAdoko 'ty,fa dia aleo hijinja izay nafafiny (toa ny resak'i Midrou atsy ambadika tatsy)
midrou:
Tsy voatery ho avy @ devoly avokoa anie ny loza e!
Fa mety tsy fitandremana mihitsy.

O ry Midrou aaa... ilay Andrmtnra anie no "mamela an-dRAdoko hijinja izay nafafiny" eee.. Izay ilay resaka eto.

Fa marina loatra ny anao re ry Midrou
1- TSY avy @ devoly tokoany izany ilay izy, fa
2- avy @ RAdoko ihany, izay "tsy nitandrina", hozy Midrou, fa ilay RAdoko nilaozany nanao ny nataony, ary dia io mijinja izay nafafiny io
3- ary jeren'Andrmntra fotsiny i RAdoko mijafajafa ao...
4- Ary sahala @ ilay resakao tatsy izany, dia sahala @ eto izao ilay Andmntra no "mihomehy sy mandatsa" an-dRAdoko

Ka aleo hanontaniana indray i Bor2lais:
tena HO izay tokoany ve ilay izy @ io situation hypaotetika io?

75. gasy1zay ( 27/04/2020 13:25)
Tena tsy mbola azon'i RBNIR mintsy hatr@ zao ny dikan'ny batisa :

batisa = niaramaty amin'i JK teo @ hazo fijaliana, dia miara mitsangana aminy ao @ fiainambaovao

Rom 6 :
3Ignorez-vous que nous tous qui avons été baptisés en Jésus-Christ, c'est en sa mort que nous avons été baptisés ?
4Par le baptême en sa mort nous avons donc été ensevelis avec lui afin que, comme Christ est ressuscité par la gloire du Père, de même nous aussi nous menions une vie nouvelle.

ka iza no tena niaina io ry RBNIR raha tsy ilay jiolahy niaramaty t@ JK?

Ny antsika natao batisa aty aoriana dia tandidona ilay fiarahana maty t@ JK sisa no atao fa ny FM no manao ilay asa mampiray antsika ao JK @ finoana
76. bor2lais ( 27/04/2020 14:22)
Ny manahirana miresaka amin'i RBNIR ange dia milaza tena fa Kristiana izy nefa toa tsy mitory ny Vaovao Mahafaly vitan'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana akory. Tsy dia mahagaga aloha fa tsy mankalaza ny Paska Kristiana ry zareo !

Ny hozon'ny lalàna (izay tsy voaharaky ny Jiosy) ihany no afafiny izay manaporofo fa toa tsy azony akory hoe inona no antony nahatongavan'i Jesoa teto an-tany (hita taratra koa izany amin'ny tsy mba fankalazan'izy ireo ny Krismasy).
77. rhaj0 ( 27/04/2020 14:46)
i RBNIR izany tena extraterrestre sady HS foana ary mihintsy raha atao kisarisary ny resaka :-)

Fa inona indray azany no mampitovy na mampiray an'i GAsy1zay sy Bor2lais, ary inona no maha-samy hafa anareo roaroa koa?
78. RBNIR ( 27/04/2020 14:46)

bor2lais:

Ny manahirana miresaka amin'i RBNIR ange dia milaza tena fa Kristiana izy nefa toa tsy mitory ny Vaovao Mahafaly vitan'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana akory. Tsy dia mahagaga aloha fa tsy mankalaza ny Paska Kristiana ry zareo !

Ny hozon'ny lalàna (izay tsy voaharaky ny Jiosy) ihany no afafiny izay manaporofo fa toa tsy azony akory hoe inona no antony nahatongavan'i Jesoa teto an-tany (hita taratra koa izany amin'ny tsy mba fankalazan'izy ireo ny Krismasy).

Ny vaovao tokony "hahafaly ny olona" dia ny fahafantarana fa kay misy fahamarinana bdb nafenina hatrizay..ka nahavoafitaka ny maro....ary mbola mamitaka ny maro ka mahatonga ny ankamaroan'ny kristiana mbola voageja sy voafatotr'ireo karazan'ota rehetra mandraka androany namana bor2lais...

ekeko somary mampagidihidy sofina hoy aho izao fampianarana izao nefa izay ngeh ilay tsy misy kilema avy amin'i JEsosy e!

ho an'izay rehetra tapakevitra dia izao no fampaherezana homeko azireo...

« Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona* izy.[*Gr. voavonjy] » (Lioka 8:50)

« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)

tsy misy ezaka ataonao fa ny fanapahakevitrao hiala sy hahafoy ny fahotana no takin'Andriamanitra dia ny FM no hanantanteraka ny zavatra rehetra ao anatinao ao...

« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)

Vavolombelon'izany ny tenako ry namana isany....
79. RBNIR ( 27/04/2020 14:55)

rhaj0:

i RBNIR izany tena extraterrestre sady HS foana ary mihintsy raha atao kisarisary ny resaka :-)

Fa inona indray azany no mampitovy na mampiray an'i GAsy1zay sy Bor2lais, ary inona no maha-samy hafa anareo roaroa koa?

efa tsy nolaviko ange io ry rhaj0 e!

« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jaona 3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jaona 3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jaona 3:33)

Fampianarana avy any an-danitra hoy aho izao fampianarana izao ary izay no mahatonga ny maro tsy mandray azy....

Na izany aza afafy foana ny teny satria mbola manantena ny tenanay fa indray andro any mbola hamangy an'ireny olona ireny ihany Izy na ho ela na ho aingana...

80. RBNIR ( 27/04/2020 15:11)
mbola marina hatrany mandraka ankehitriny ireto fijoroana vavolombelona nataoko ireto...

http://forum.serasera.org/forum/message/m4f27eb8ce4cd6

tena voageja tanteraka aho ary efa tena nihezaka niala tamin'ny karazana fatotra rehetra mihitsy satria fantatro tsara ny voka-dratsiny tamin'ny fiainako...
Tsy vitako tamin'ny herin'ny tenako anefa izany na dia efa niezaka mafy tokoa aza ny tenako...

fa ny tena marina anefa rehefa nahafantatra ny MARINA AHO dia afaka ho azy tsy nila ezaka tsy nila delivrance ...
tanteraka ara-bakiteny tamiko ity teny ity....
« ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. » (Jaona 8:32)

Jesosy irery no nanafaka Ahy ....
« Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. » (Jaona 8:36)

Izany no hifaliako ankehitriny ka hahasaiako mitaona ny olona hamantatra ireo marina rehetra saro-patarina sy efa nafenina mafy ao anatin'io baiboly io

Misaotra Azy aho fa nifidy mpanompo mahatoky Izy...mahatoky hoy aho satria olona tsy voavidimbola fa mijoro amin'ny fahamarinana hatramin'ny farany....
vavolombelon'izany koa ny tenako....

Sarotiny dia sarotiny amin'io fampianarana io satria fantany tsara ny lanjany....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2129