RESAKA TAKARIVAN'i JESOSY T@ RBNIR ANDROANY[

101. RBNIR ( 30/04/2020 00:03)
ity tenin'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana ity re no resahiko gasy1zay a...

« Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. » (Lioka 23:41)
« Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao. » (Lioka 23:42)
« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)

Anio (tsy ampitso, tsy rahafakampitso fa Anio hoy i Jesosy) no hihaona any paradisa Izy sy ilay jiolahy....

102. gasy1zay ( 30/04/2020 13:11)
Fa Andriamanitra anie RBNIR omnipresent e! Jesoa t@ nahaolombelona azy no voafetra ny toerana misy azy fa na izany aza mbola nisy Andriamanitra Ray niteny @ nanaovana batisa an'i Jesoa, mbola nisy ny Fanahy Masina niasa ary rehefa naka ny toetrany maha Andriamanitra azy Jesoa dia tsy voafetra ny toerana 1 intsony
103. RBNIR ( 30/04/2020 13:55)
izay izany hono hoy i gasy1zay (sady) tany amin'ny helo izany i Jesosy no tany amin'ny paradisa....

ilay voasoratra ao amin'ny asan'ny apostoly nefa dia hoe tsy foin'Andrianmaitra handeha any i Jesosy ...(izany hoe tsy navelany ho lasa any)..

tahakan'ilay teny hoe tsy foiny ho lo ihany koa izy (izany hoe tsy navelany ho lo fa tsy hoe efa lo

« Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; [*Gr. Hadesy] » (Asan'ny Apostoly 2:27)
« koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [*Gr. Hadesy] » (Asan'ny Apostoly 2:31)

ilay ao amin'ny efesiana tsy voasoratra mazava hoe fiainan-tsi-hita an!

Ny famaritana ny teny hoe Fiainan-tsihita mantsy aloha izao no tena resahina eto...
104. rhaj0 ( 30/04/2020 14:26)
Tena tsy mahay mamaky Baiboly 'le zalahy 'reto. Izaho Atheist indray no mahita...
ny Map according to biblical creation.

Ny Fiainan-tsy hita dia ao @ ilay SHEOL.
Sheol (/??i?o?l/ SHEE-ohl, /-?l/; Hebrew: ??????? Š???l), in the Hebrew Bible,
is a place of darkness to which spirits of the dead go.

Ary rehefa avy maty ka nalevina i Jesosy, dia nidina tao @ io fiainan-tsy hita , dia ilay Sheol.




Dia jereo tsara koa

- etsy ambony etsy, ilay floogate, dia ilay barazy tapaka ka nahatonga ny
safo-dranon'i Noah.

- etsy @ sisiny, ilay columns of mountains dia i Kilimanjaro.
Eo an-tongotr'i Kilimanjaro no mifarana ny Tany

- etsy ambonin'ny tafon'ny lanitra (firmament), dia mbola rano..
dia ilay rano tao @ Genesisy.

Lojika be daholo izany. :-)

Ny hamaranako azy, dia tsy hoe "aok'sik'ivavaka", fa AOKA ISIKA HIVANITIKA
...........
105. gasy1zay ( 30/04/2020 15:34)

RBNIR:

izay izany hono hoy i gasy1zay (sady) tany amin'ny helo izany i Jesosy no tany amin'ny paradisa....

ilay voasoratra ao amin'ny asan'ny apostoly nefa dia hoe tsy foin'Andrianmaitra handeha any i Jesosy ...(izany hoe tsy navelany ho lasa any)..

tahakan'ilay teny hoe tsy foiny ho lo ihany koa izy (izany hoe tsy navelany ho lo fa tsy hoe efa lo

« Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; [*Gr. Hadesy] » (Asan'ny Apostoly 2:27)
« koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [*Gr. Hadesy] » (Asan'ny Apostoly 2:31)

ilay ao amin'ny efesiana tsy voasoratra mazava hoe fiainan-tsi-hita an!

Ny famaritana ny teny hoe Fiainan-tsihita mantsy aloha izao no tena resahina eto...



hafa mintsy ny fandraisanao ny baiboly ao RBNIR a

Bible Louis Second 21
31C'est donc la résurrection du Christ qu'il a prévue et annoncée en disant qu'il ne serait pas abandonné au séjour des morts et que son corps ne connaîtrait pas la décomposition.

Bible Français courant
David a vu d’avance ce qui allait arriver ; il a donc parlé de la résurrection du Messie quand il a dit : “Il n’a pas été abandonné dans le monde des morts, et son corps n’a pas pourri dans la tombe.”

Bible parole de vie:
David avait prévu que le Christ allait se relever de la mort. En effet, il a dit : “Dieu ne l’abandonnera pas dans le monde des mortsbold text, et son corps ne pourrira pas dans la tombe.”

Bible semeur :
Ainsi il a entrevu par avance la résurrection du Christ, et c’est d’elle qu’il parle en disant que Dieu ne l’abandonnera pas dans le séjour des morts et qu’il ne laissera pas son corps se décomposer.


106. RBNIR ( 30/04/2020 22:24)
efa nomena anao ny dikanteny malagasy mba hanazava ny sainao nefa dia mbola tsy mino ihany ianao ary dia tena mihevitra marina tokoa fa dia tany amin'ny helo i JEsosy (hades)
107. RBNIR ( 30/04/2020 22:54)
https://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/abandonner/27

Laisser quelque chose au pouvoir, à l'action de quelque chose ; laisser aller, livrer à : Abandonner une barque au courant.

raha araka ireo hitako o izao ireo izao afaka adika tsara iry teny frantsay iry hoe...

Dieu ne le livrera pas au....sa tsy izany gasy1zay? izay izany no nahatonga ilay dikanteny malagasy...
108. RBNIR ( 01/05/2020 00:55)
izao re no tena marina ry gasy1zay a! maty Jesosy : tena maty Izy dia ny fanahiny mankany paradisa (fa tsy helo) satria ny tsara fanahy (araka ny baiboly no mandeha any paradisa fa ny ratsy fanahy kosa no mankany amin'ny helo..
ilay vatana tavela tao ampasana (fa saingy tsy navelan'Andriamanitra ho lo...dia rehefa tonga ny andro voalohany dia naverina tao amin'ilay vatana indray ny ain'i JEsosysy ny fanahiny...
dia nitsangana Izy...
Ny antony moa dia ny hanaporofoina amin'ny olona fa tena misy ilay atao hoe fitsanganana amin'ny maty fa tsy lainga akory...

ka mba maneke re hahitsy amin'ilay hoe lasa tany amin'ny (hades) maninona raha hiteny ihany dia tenenina hoe maty dia nitsangana indray fa tsy hoe nandeha tany amin'ny hades (helo)???
109. rhaj0 ( 01/05/2020 01:48)
F'angaha tsy mbola maneno aloha ny Trompeta Fito, izay vao mandeha ny Fitsarana Farany?
Nataok'ty hoe ao @ SHEOL daholo k'lou izao ireo "maty ka nalevina" h@ izay 2000 taona lasa rehetra izay.

Sa tena mbola natory ry Miles Davis sy Louis Armstrong, ary dia tena mihanahana miandry daholo ao @ io salle d'attente io ny mpokona? :-)
110. midrou ( 01/05/2020 07:15)
rhaljO:

F'angaha tsy mbola maneno aloha ny Trompeta Fito, izay vao mandeha ny Fitsarana Farany?



rah fintinina ny tantaran izay maty dia toy izao rhajo a:
* izay mibebaka ,izany hoe nanao ny sitrapon A/tra ka MATY. Dia mivantana any @ Paradisa ny fanahiny( tahakan Jesosy)
= ao no miandry ny fitsanganana voalohany rehefa tonga eny @ RAHONA indray Jesosy

* izay maty kosa ka tsy nanao ny sitrapon A/tra fia midina avy hatrany any @ fiainantsihita( ao ambanin ny tany ao) ny fanahiny ( efa mahatsiaro ho may saady an)
= ireo kosa mbola tsy mitsangana aloha mandrapahatapitry ny 1000taona.
Fa rah vao tapitra ny 1000taona vao hitsangana ireo ka handre ny DIDI PITSARANA FARANY dia hafindra hoany @ le tena AFOBE @ zay.

Asa raha azonao:-)
111. rhaj0 ( 01/05/2020 10:35)
Hhhheee... O ry zaza Midrou a... mbola lavitra ny dianao izany fa etsy tantanako :-)

Tena mbola mila mandalo @ fanatisman'i RBNIR ianao, dia mandalo @ revy virijinin'i Gasy1zay, dia miakatra any @ 3eme etagen'i Bor2lais, izay vao lasa lehibe misoka-tsaina ary lasa Atheist..
rahefa afaka 10 taona... :-)


Ary tena tsy azonao ilay hoe SHEOL

1- aiza io teny Sheol io no nampiasaina ary nofaritana
Sheol (/??i?o?l/ SHEE-ohl, /-?l/; Hebrew: ??????? Š???l), in the Hebrew Bible,
Ary hoe, ao @ Baiboly. RAha zohinao dia ao @ Genesisy. Ny Genesisy original dia Bresheit, izay ao @ Torah.

2- inona ny dikan'ilay SHEOL
(The Sheol) is a place of darkness to which spirits of the dead go.
Ary hozy Ineny Gogola gasy hoe
(Ary) ny Fasana dia toerana misy ny maizina izay alehan'ny fanahin'ny maty (HONO).

Ary raha ny marina, dia hoe, ilay "fiainan-tsy hita" io.

Ary dia diniho tsara ny famaritana: "ny fanahin'ny maty", fa tsy hoe "ny fanahin'ny mpanota".

Ary ny fanekem-pinoana Loterana, dia mamaritra tsara fa i JEsosy, rahefa avy maty ka nalevina, dia nidina tany @ io fiainan-tsy hita io, tahaka ny olon-drehetra (HONO). Fa no-censurer-n'ny miseho ho mpahay azy moa iny FAnekem-Pinona iny.

Ary dia izany koa ho'a no nampianarina tamiko tany @ Protestanta fahiny, fa nihomehezako fotsiny.
112. gasy1zay ( 01/05/2020 13:20)

RBNIR:

izao re no tena marina ry gasy1zay a! maty Jesosy : tena maty Izy dia ny fanahiny mankany paradisa (fa tsy helo) satria ny tsara fanahy (araka ny baiboly no mandeha any paradisa fa ny ratsy fanahy kosa no mankany amin'ny helo..
ilay vatana tavela tao ampasana (fa saingy tsy navelan'Andriamanitra ho lo...dia rehefa tonga ny andro voalohany dia naverina tao amin'ilay vatana indray ny ain'i JEsosysy ny fanahiny...
dia nitsangana Izy...
Ny antony moa dia ny hanaporofoina amin'ny olona fa tena misy ilay atao hoe fitsanganana amin'ny maty fa tsy lainga akory...

ka mba maneke re hahitsy amin'ilay hoe lasa tany amin'ny (hades) maninona raha hiteny ihany dia tenenina hoe maty dia nitsangana indray fa tsy hoe nandeha tany amin'ny hades (helo)???


RBNIR a! Raha Jesoa tsy nidina tany @ fiainan-tsy hita no miresaka aminao dia tadidio fa tsy Jesoa nintsangana t@ maty koa izany ary tsy ilay Jesoa Kristy voalazan'ny baiboly

Tadidio fa misy Kristy sandoka
113. RBNIR ( 01/05/2020 16:56)
gasy1zay:

Tadidio fa misy Kristy sandoka

Marina izany nefa tandremo fotsiny ary sao hiteny ratsy ny FM ianao namana...

torohevitra ny fampianarana avy any ambony ...dia tokana ary tsy mitovy amin'ny fampianarana rehetra eto ambon'ny tany (ireo fampianarana rehetra izay voizinao ary tena marina mitovy avokoa ankehitriny...)
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jaona 3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jaona 3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jaona 3:33)

Izay no mahatnga anao tsy mahay mandray azy mihitsy...

ka avadibadio im-pito aloha ny lela vao...LOZA LOZA LOZA ange ity teny ity e!

« Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3] » (Lioka 12:10)
114. gasy1zay ( 01/05/2020 17:08)
Tsy fampianarana avy amin'ny olona no zaraiko aminao RBNIR fa fampianarana voasoratra MAZAVA ao anaty BAIBOLY, ny anao lazainao fa azonao mivantana nefa mifanipaka amin'ny BAIBOLY, ka normal be raha milaza aho hoe sao dia mba kristy sandoka no mampianatra anao fampianarandiso?

Aleo ary hazavaiko aminao tsara fa DISO ny zavatra nambaranao izay lazainao fa azonao tany aminy ka na ianao no diso fandray na ilay nampianatra anao no diso


Ianao milaza fa tsy nidina tany @ fiainan-tsy-hita Jesoa?

valio mazava eto ary hoe tena izay ve no fampianarana nomeny anao? Tena Jesoa ve no nanome izany anao ?

Rehefa mamaly ianao dia omeko anao ny toko sy andininy milaza fa diso ianao
115. RBNIR ( 01/05/2020 20:03)
ny fampianaran'ny olona rehetra ngeh dia miainga avy ao anaty baiboly avokoa e!
fa hafa ny olona navela hahalala ny tena hevitry ny teny sy sasany tsy mba navela...
misy aza mianatra mandrakariva nefa tsy mahafantatra...
mampalahelo ngeh izany e!

116. RBNIR ( 01/05/2020 20:05)
eto izao misy namantsika anankiray (mampiaiky anao ny fahalalany baiboly hoy ianao)...nefa nitondra azy tamin'ny finoana v izany??? toa voa maika aza nilentika...satria ny tena antony hamakiany baiboly dia ny hitadiavany teny entina manohitra ilay finoana???
ka tsy izay rehetra mamaky baiboly dia hahafantatra avokoa ....
117. gasy1zay ( 04/05/2020 14:10)
RBNIR > tsy mety mamaly fanontaniana tsotra indray ianao fa mamadika resaka toa ireo mpanao politika! Ny fampianarana misy kilema RBNIR dia tsy 100% misy kilema fa mety hoe 80% marina fa ny 20% no mifanipaka @ baiboly, matoa hoe misy kilema dia ilay 20% izany na tsy ao anaty baiboly fa interpretation an'olombelona na tena niniana noforonina mba hamitahana olona dia nosaromana hoe lovantsofinan, révélation personnelle azo avy @ Andriamanitra

ka io no mahazavadoza ireo olona milaza fa nahazo nofy t@ Andriamanitra, nahazo fampianarana t@ Andriamanitra, nisehoan'Andriamanitra/Jesoa/Fanahy Masina/anjely/sns... Raha toa ka ny zavatra zarainy dia mifanipaka amin'ny tenin'Andriamanitra

Ny kristiana rehetra aloha hatreto dia miaiky fa ny baiboly no fototra, ny baiboly no marina, ny baiboly no mampahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra ary araka ny nambaran'i Paoly dia hoe raha misy olona mitory filazantsara ( fampianarana) hafa ankoatra izay nozarainy ( mifanohitra ny filazan'ny baiboly) dia tsy tokony ho ekena ho marina.

118. rhaj0 ( 04/05/2020 14:15)
Ka ilay Fampianarana an-dry RBNIR sy HRNRN
- tsy vitan'ny "misy kilema", misy 20% mifanipaka @ Baiboly,
- fa koa "bevohoka", misy noforomporonin-dry HRNRN, toa ny hoe, i HRNRN HONO no Apostoly #13 (ao @ io Baiboly io), ary i RBNIR no nain #8 (ao @ Blanche-neige)

[size=8]Nefany eto angaha misy toerana voatokana ho an'ny bevohoka sy kilemaina [/size] :-)
119. gasy1zay ( 04/05/2020 16:02)
Rehefa tsy sahy mamaly ianao RBNIR dia tsy maninona fa zaraiko aminao ihany hoe maninona no DISO ny fampianarana azonao mikasika ny Jesoa tsy nidina tany @ fiainan-tsy-hita


1- Voalohany efa nambarako hoe fampianaran-diso ny filazana fa ny fiainan-tsy-hita dia heverinao fa helo

fiainan-tsy-hita = séjour de mort
helo = enfer

zavatra 2 samihafa ireo ary voalaza mazava ao amin'ny baiboly

Matthieu: 10.28 Ne craignez pas ceux qui tuent le corps mais qui ne peuvent pas tuer l’âme ; craignez plutôt Dieu qui peut faire périr à la fois le corps et l’âme dans l’enfer.

Matthieu: 5.29 Si donc c’est à cause de ton œil droit que tu tombes dans le péché, arrache-le et jette-le loin de toi : il vaut mieux pour toi perdre une seule partie de ton corps que d’être jeté tout entier dans l’enfer.

Apocalypse: 20.13 La mer rendit les morts qui étaient en elle, la mort et le séjour des morts rendirent les morts qui étaient en eux ; et chacun fut jugé selon ses oeuvres.

Actes: 2.27 Car tu n'abandonneras pas mon âme dans le séjour des morts, Et tu ne permettras pas que ton Saint voie la corruption.


tsy mitovy ny helo sy ny fiainan-tsy-hita

Raha helo no resahina dia adika amin'ny teny hoe enfer
Raha ny fiainan-tsy-hita no resahina dia adika amin'ny teny hoe enfer

Rehefa azon'i RBNIR izay différence izay dia tohizana ny fampianarana...



120. gasy1zay ( 04/05/2020 17:13)
fianan-tsy-hita adika hoe séjour des morts fa diso kely
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4554