Coronavirus

101. RBNIR ( 02/04/2020 19:09)
sady mampihomehy be ilay post hitanao fa manamafy fa ny baiboly dia manamarina fa tena misy ny fitsanganan ny maty
102. rhaj0 ( 02/04/2020 19:33)
Ka nipetsopetsoka mandainga izany i RBNIR teo.. mba miaiky fa niteniteny foana ianao k'lou ry RBNIR fa inona ary ity... Efa hoe tsy tian'i JEsosy ianao ry RBNIR, mandaingalainga foana io, nefa manao "fiteny mahery" toa ny avy eny ambony alitara..

Dia inona koa no mampihomehy ao re ry RBNIR: hoe tena resa-kehy izao mitsangana @ maty izao, ohatra ilay Lazarosy izy teo, hoe tena zombie HONO.

DIa raha tsy adala ka ho tonga dia hino an'izay soratsoratra tsisy lohany sy volony ao @ BAiboly ao izao re ry RBNIR?

Aoka ho'a...
103. RBNIR ( 02/04/2020 19:40)
fa izay nataon'i JEsosy irery hoy aho no naseho te anatrehan'ny vavolombelona maro...

azonao v izany sa???

lazarosy natsangany teo anoloan'ny vavolombelona maro...
ilay zazavavy koa teo anatrehan'ny vavolombelona maro..
dorkasy koa teo anatrehan'ny vavolombelona maro...

dia Izy tenany (Jesosy) niseho teo anatrehan'ny vavolombelona maro....
104. RBNIR ( 02/04/2020 19:44)
eny ary fa ahitsiko ra izay no tianao rhajo a!
ny tiako ambara ery ambony dia hoe ny kristianisma irery ihany no mbola nahavita nanaporofo fa tena misy marina tokoa ny fananganana amin'ny maty ary izany dia natao teo anatrehan'ny vavolombelona maro hatrany...
105. rhaj0 ( 02/04/2020 19:56)
Dia mbola tohizan-dRBNIR ihany ny fitenitenenana foana. Ianao ry RBNIR no TSY mahalala ny Kolotora hafa, dia lazainao fa "tsisy nahavita"...

Maninona raha mba honnete eo anoloan'i Jesosy ry RBNIR, dia milaza mazava hoe ARAKA NY KELY MBO FANTATR'i RBNIR, DIA TSISY NAHAVITA Bla-Bla...

TEna ny mpandainga mpamitaka mpamorika (ry) RBNIR no manao toa io (ataonao lava eto io aa...)
106. RBNIR ( 03/04/2020 05:21)

rhaj0:

Dia mbola tohizan-dRBNIR ihany ny fitenitenenana foana. Ianao ry RBNIR no TSY mahalala ny Kolotora hafa, dia lazainao fa "tsisy nahavita"...

Maninona raha mba honnete eo anoloan'i Jesosy ry RBNIR, dia milaza mazava hoe ARAKA NY KELY MBO FANTATR'i RBNIR, DIA TSISY NAHAVITA Bla-Bla...

TEna ny mpandainga mpamitaka mpamorika (ry) RBNIR no manao toa io (ataonao lava eto io aa...)

Efa mba narahinao tsara ve aloha ilay fikarohana nataoko tao anaty google eto ambany e?

https://fr.lmgtfy.com/?q=resurrection&pp=1

dia apetraho ny fanontaniana hoe maninona ny 99% ny fikarahoana nataon'ny google no nifantoka tao amin'ny kristianisma fa ny 1% ihany sisa no mba anjaran'ireo lazainao hoe NAHAVITA ireo????

Tsotra e! satria lainga daholo ny sasany fa ny kristianisma ihany no afaka nanaporofo rhajo a!!! izay no nahatonga ny google nandray ny kristianisme ho reference amin'ny fitsanganan'ny maty fa tsy ireo finoana hafa...
107. RBNIR ( 03/04/2020 05:28)
na itony centre de recherche itony aza dia mandray reference ny kristianisma...rehefa nitady ny famaritana ny atao hoe fitsanganan'ny maty ry zareo...

https://www.cnrtl.fr/definition/r%C3%A9surrection
108. rhaj0 ( 03/04/2020 11:41)
Notsimponin-dRAtiatsindrontsindroka RBNIR ny teny hoe centre de recherche, nefa ny rohy nameny ho an-na Centre nationale de ressources TEXTUELLES ET LEXICALES. Dia io HONO no ... an an... toa mampandany andro sy mampandany bandwidth fotsiny ny miresaka @ ilay RBNIR sy ny havendranany 'ty kah. Tsy mampihomehy intsony.

Ny lohahevitra nefa Coronavirus.
109. rhaj0 ( 03/04/2020 12:17)
110. endriny ( 03/04/2020 12:41)
RBNIR

Tsy misy idiran’ny resaka Atra ny teny hoe Ota, na Manota. Fa rehefa mandika ny didy sy ny fombam-piarahamonina dia manota izay. Tsy iverenana ny tantara fa lavabe.

Fa izao Corona Virus izao no tokony hampisehoanareo malaza ho bottom-pinoana an’izany Atrareo sy Jesosinareo ary ianareo mahay sy mahavita fahagagana izany.

Mba roray kely fotsiny ilay marary, na ametrao tanana, na sasao mba ho sitrana raha tena majika tokoa ianareo?

Mivavaha mafy ka hamburger no hilatsaka rehefa misy rahona fa tsy orana manodra-drano akory
111. rhaj0 ( 03/04/2020 12:48)
hi hi hi.. . dia tsy hay intsony ity

:-) na ny recette-mBaiboly sy recette-nJesosy toa ny fotaka+rora sy ny petra-tanana no TSY mahomby sy mahasoa

;-) na .. ngo dia mahomby kosany azany ho'a ireo, fa ny Kristiana ankehitrio no TSY AMPY FINOANA, ary dia ny recette-nJEsosy no afa-baraka


Ny Kristiana ankehitrio eto @ serasera eto, dia
- ny "tena izy" toa an-dry RBNIR na i MIdrou,
- ny any @ "3eme etage" toa Bor2lais,
- ny "born-again/virjin-again" toa Gasy1zay
112. gasy1zay ( 03/04/2020 14:02)
rhaj0 > efa nentina nametrahantanana nga ireo marary?
113. gasy1zay ( 03/04/2020 14:16)
Tsy azon'i rhaj0 mintsy ny olana mahazo an-draolombelona, ny marina dia ny olona mbola miankina @ hita maso, ny azo tsapaintanana, ny takatry ny sainy dia io toa an'i rhaj0 miantehitra @ siansa io, fa jereo ny voasoratra ao @ baiboly ao rhaj0 fa ny olona nahazo fanasitranana t@ Jesoa dia nanao pas de foi : nanantona sy nitady azy

Rehefa tsy manantona azy ianao dia mbola mijanona voageja ho andevo ao egypta, voafatotry ny fahotana, ny aretina, ny ozona sns...Efa vita ny famonjena fa ny fandraisana azy dia safidin'ny tsirairay.
114. rhaj0 ( 03/04/2020 14:47)
Ireo mpametra-tanana andrarezina eraky Etazonia na born-again na baptist dia niafina nisitrika tany anaty trano volamenany daholo, fa ireo mpino madinika nambakainy h@ izay mihanahana tsisy aleha izao io... ka entina ametraha-tanana @ ahoana azany ireo marary an-tapitrisany ao Etazonia ao ohatra ry Gasy1zay?

Sa tena TSISY born-again na ny iray azany ireo marary ireo?
115. RBNIR ( 03/04/2020 20:22)
aleo ary angamba hezahiko hazavaina hatrany e,

raha nentina teto ny fanazavana momba ny gen.2:21,22 (nanao operation an'i Adama Andriamanitra ary nanao clonage hahazoany an'i Eva)....

sy ny resaka momba ny hoe Afobe dia tsy inona fa ilay trou noir hitan'ny manampahaizana ankehitriny (mahavita mandevona sy mandoro galaxie anankiray ...(ny masoandro, kintana, volana ny tany sns.....)

Dia misy "hafatra lehibe" tian'Andriamanitra hampitaina antsika taranak'olombelona aty aoriana ao....

Izany hafatra lehibe izany dia hoe (Isa.55:8,9)

« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isaia 55:8)
« Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. » (Isaia 55:9)


"Io Andriamanitra io dia manana fahalalana miohatra lavitra noho ny fahahalalana anan'ny zanak'olombelona ankehitriny....ka tokony "homena Voninahitra, sy hatahorana ary hiankohofana mihitsy aza....(apok.14:6,7)....

Tonga ny fotoana fiasan'ilay anjely voalohany voalaza ao amin'ny apok.14 ankehitriny...

Ka raha te hovonjena re! (amin'ity coronavirus ity sy ireo loza 7 mahatsiravina ary koa ilay Afobe izay ho avy tsy ho ela intsony rehefa vita ny asan'ireo anjely 3 ao amin'ny apokalipsy 14 ireo dia tanteraho ny lazain'ity anjely voalohany ity....

« .... Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apokalypsy 14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apokalypsy 14:7)


Tianao Andriamanitra....ny zavatra rehetra hitantsika ankehitriny (araka ny ambaran'ny namana midrou ery ambony dia fahatanterahan'ny soratra masina avokoa...)

MINOA ISIKA REHETRA FA ISIKA IZAO NO GENERATION FARANY FA TSY MISY INTSONY AORIANA AO .... NY ZAVATRA REHETRA MISEHO ANKEHITRINY DIA MANAMARINA IZANY AVOKOA....

NY CORONAVIRUS DIA VAO FANOMBOHANA IHANY (TOY NY SIDA, NY PESTES BUBONIQUES SNS.... (SATRIA NY LUC.21:11 DIA MILAZA HOE PESTE(S) AU PLURIEL IO...HIVOAKA DAHOLO IZAO KARAZAN ARETINA MANDRINGANA TSY MBOLA FANTATRA IZAO MANOMBOKA HATRETO...ARY HIHAMAFY HATRANY NY FISEHONY ARAKARAKY NY MAHAKAIKY ILAY FARANY ARY HISY FAMANTARANA LEHIBE ENY AMIN IO LANITRA IO HAMPIHOROHORO NY ZANAK OLOMBELONA......

il y aura de grands tremblements de terre, et, en divers lieux, des pestes et des famines; il y aura des phénomènes terribles, et de grands signes dans le ciel.Luc.21:11

vOKATR IREO ARETIMANDRINGANA IREO DIA HO TONGA NY MOSARY SATRIA TSY AFAKA HIASA ARA-DALANA INTSONY NY OLONA ARY NY VOKATRA AVY DIA HITOTONGANA (SAMY EFA MAHATSAPA AN IZANY ANGE ISIKA IZAO E!!!°

MATAHORA AN ANDRIAMANITRA!!! MIANKOHOFA EO ANATREHANY ARY OMEO VONINAHITRA IZY FA TONGA NY ANDRO FITSARANY!!!
116. RBNIR ( 03/04/2020 20:40)
endriny:

Fa izao Corona Virus izao no tokony hampisehoanareo malaza ho bottom-pinoana an’izany Atrareo sy Jesosinareo ary ianareo mahay sy mahavita fahagagana izany.

ka mba asio "finoana ary aloha farafaharatsiny endriny a!" tahaka an'ity vehivavy nangataka tamin'i Jesosy ity...

« Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony. » (Marka 7:25)
« Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy. » (Marka 7:26)
« Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely. » (Marka 7:27)
« Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany. » (Marka 7:28)

vakio tsara..."nino ilay vehivavy fa vitan'i Jesosy ilay izy sady "niankohoka teo an-tongony izy....na dia tsy zanak'i Jesosy aza izy.....

Ka minoa an'i Jesosy aloha ary miankohofa eo anatrehany (fa tsy eto anatrehako sao ho diso fandray eo indray) dia hohitanao ny hanasitranany anao raha voan'ny corona ianao....

117. rhaj0 ( 03/04/2020 20:51)
Rehefa TSY mahatakatra ny fandehany dia mivarina @ finoanoam-poana toa i RBNIR io.

saika isaky ny taonjato dia nisy pandemy mamely ary mamono olona an'alinkisa. 1720, 1820, 1920, 2020.. Ary eo antenantenany koa misy areti-mandoza koa. Ngo dia raikitra indray ity minomino foana, dia hoe rehefa '20 dia avy ny loza. Ka da mandalo io ary tafarina foana Raolona, RAHEFA TSY MIANKINA @ IZAO REVIREDIM-BAIBOLY HOE FARA-ANDRO IZAO.


Ohatra izao @ ity Coronavirus ity. Inona @ lazain'ny Siansa ity no TSY azonao?

-- raha 5% no maty, ary 5% koa mila urgence be, dia 85%-n'ny voany dia sitrana.
Averina indray, [size=15]85%-n'ny voany dia sitrana[/size].
Averina fanin-telony, [size=18]85%-n'ny voany dia sitrana[/size].
Averina fanin-efany, [size=22]85%-n'ny voany dia sitrana[/size].

Inona no tsy azonao hatreto ry RBNIR?
118. RBNIR ( 03/04/2020 21:02)
koa maninona no tsy havela hiasa ny olona raha izany dia izay marary mafy ihany no tsaboina rhaj0 fa maninona no hampihorohorona izao tontolo izao???

ary maninona ianao no mbola mihiboka ao fa tsy lasa mivoaka???? hi hi hi....

matahotra ny ho isan'ilay 5% ngah????

Mibebaha dia tsy ho isany e!
119. RBNIR ( 03/04/2020 21:40)
aleo ary ampiako ianao e! satria raha avela hahalaka io corona virus io dia raha 7 milliard ny isan'ny olona eto ambonin'ny tany dia ny 350 millions izany (raha kely indrindra) dia ho faty...

raha kely indrindra hoy aho satria rehefa tena betsaka loatra ny olona marary dia hitombo io 5% io satria tsy ho vitan'ny mpitsabo intsony ny hiandraikitra azy ka mety hoe 5% no hitantsika izao fa raha avela hihanaka io dia mety ho lasa hatramin'ny 20% mihitsy na mahery....

ka zava-doza amin'ny atambo re io pandemie (areti-mandringana) io fa aza dia faly hamaly fotsiny izato ianao rhaj0 a!
*
voa ny corona virus izay fa raha ny faminaniana mbola betsaka no ho avy eo....

Ny fahendrena dia mibebaha!!!
120. RBNIR ( 03/04/2020 21:46)
LOZA BE AMIN ATAMBO ITY MAHAZO ANTSIKA ITY RAOLOMBELONA O!!!

EFA VOALAZAN NY BAIBOLY IO!!! FA MIFOHAZA!!! MIBEBAHA!!! MANAOVA NY MARINA RAHA TSY TE HO VOA!!! (SALAMO FAHA 91)

INONA NO MARINA??? « Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)

izay nambaran'i Jesosy no MARINA...

iNONA NO NAMBARAN I JESOSY???

« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

FAMPIANARANA AVY ANY AN-DANITRA!!! AVY TAMIN ANDRIAMANITRA
Izay nambaran'i Jesosy no marina (FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA)

ITY MISY OLONA IRAY NAMPIANARINY AN IZANY

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5006