Jesosy communiste miampy finoana

121. rhaj0 ( 21/02/2020 19:10)
Ankoatry ny Temoins, dia ireo Mormons (Latter-day) koa izany "mapme" an-dry Gasy1zay (satria TSY mino ny Trinity toa Gasy1zay)
Ka dia samy "mifapme" ao zany nareo ka maninona moa :-)


Fa iverenako ilay resaka: I Gasy1zay izany mivavaka @ Zanak'i YWVH?
Eny dia eny tokoa ;-)

hi hi hi ... dia "mapme" ny Jiosy koa anie ianao izany ry Gasy1zay ee :-)


Fa dia mbo tena "mapme" @ Atheist daholo nareo izany k'nououuuu...
Ka iza no mivanitika betsaka indrindra? :-) :-)
122. gasy1zay ( 21/02/2020 19:42)
Nga isika menatra ny fihomezan'ny olona zany e! Ny kristiana tahaka ahy tsy mila sitraka @ olombelona fa @ Andriamanitra ihany. Ny an'i rhaj0 nga ny hehy no batometra handrefesana ny fahasambarana :) ?
123. gasy1zay ( 21/02/2020 19:59)
Aleo ary hitondra fanazavana hoan'i rhaj0 aho fa tena very izy.

Raha milaza hoe mpanao politika ve dia tonga dia raisina anaty harona 1 daoly na conservateur sy partie liberale satria samy milaza ireo hoe mandala ny demikrasia?

Aona moa no lazainao fa Kristiana ny antokompivavahana iray raha tsy manaraka ny fampianaran'i Kristy akory izy?

I Wikipedia izao milaza fa un chretien est une personne qui adhere a la religion issue de Jesus de Nazareth et suit ses enseignement rapporte par les evangiles

Mazava be anie izany e, inona ny fampianaran'i Jesoa , zanak'Andriamanitra izy, misy ny trinite satria izy nilaza mazava fa handefa ny FM rehefa hiverina any @ Ray

Ka aona no misy sahy milaza na lazainareo fa kristiana nefa tsy mino hoe Jesoa zanak'Andriamanitra na tsy mino ny FM?

Ka ny temoin dia milaza fa mpaminany Jesoa fa tsy zanak'Andriamanitra, torak'izany koa ny mormons fa tsy maninona raha metimety @ rhaj0 ny fampianarany dia araka ny averiko foana hoe tsisy ifanerena ny finoana fa safidin'ny tsirairay.
124. RBNIR ( 21/02/2020 21:44)
gasy1zay:

Ka aona no misy sahy milaza na lazainareo fa kristiana nefa tsy mino hoe Jesoa zanak'Andriamanitra na tsy mino ny FM?

Diso v aho sa lasa manomboka miova izy izany gasy1zay? ngah moa tsy rehefa mino an'i Jesosy dia voavonjy avokoa hoy ianao izany...
ka ry zareo ange mino an'i Jesosy ary mandray ny fampianarany (sasany) fa tsy mino fotsiny hoe Zanak'Andriamanitra i Jesosy e????
izaho mahafantatra olona temoin de jehovah fa bdb no mihevitra ny tenany efa niova fo an (nefa noho ilay teny ampianarina aminy hoe efa rava ny lalàna dia mbola bdb ry zareo no mandika lalàna ihany koa (mbola misy mangalatra vadin'olona sns...)
125. RBNIR ( 21/02/2020 21:50)
rehefa tsy manaiky ity tenin'i Jesosy ity dia tsy maintsy izay daholo no hiafarany e!
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

ary dia tena mialatsiny fa ao anaty harona iray marina daholo ihany tokoa ianareo ry gasy1zay...; satria tanteraka aminareo ilay teny hoe...

« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)

Mitovy daholo ihany tsy mahatanteraka ny sitrapon'ilay Rain'i Jesosy any an-danitra daholo...

Raha vao tsy 100% fampianarana tsy misy kilema dia 0 daholo ihany e! mitovy daholo....
126. rhaj0 ( 23/02/2020 21:32)
gasy1zay:
Aona moa no lazainao fa Kristiana ny antokompivavahana iray raha tsy manaraka ny fampianaran'i Kristy akory izy?

I Wikipedia izao milaza fa un chretien est une personne qui adhere a la religion issue de Jesus de Nazareth et suit ses enseignement rapporte par les evangiles

Mazava be anie izany e, inona ny fampianaran'i Jesoa , zanak'Andriamanitra izy, misy ny trinite satria izy nilaza mazava fa handefa ny FM rehefa hiverina any @ Ray

Ka aona no misy sahy milaza na lazainareo fa kristiana nefa tsy mino hoe Jesoa zanak'Andriamanitra na tsy mino ny FM?

Anontanio k'lou Ineny Gogola alohan'ny hitenitenenana re ry Gasy1zay, fa ny Baiboly na izay "FM-ao-@-G" izao, ireo anie TSY hanome fahalalana anao ny zava-misy ee..

O ry Gasy1zay: ny Trinity dia DOCTRINE noforomporonin'i father Tertullian t@ taona 300 tany. TSY fampianaran'i Jesosy izany.
Io izao sahala @ ilay doctrine Immaculate Conception, izay mbola noforomporonina koa taty aoriana, Katolika 1854. Fa ny Trinity moa nolovanareo ao @ "born-again", ary izay koa no notazomin'ny Protestanta t@ Katolika rahefa nisintaka ireo, fa ilay Immaculate Conception tena nolavinareo fa toa vendrana beuh angaha.. ary marina ny anareo :-)

Fa dia "Kristiana" izany, na Temoins de J na Mormons, ary TSY mino ny "doctrine Trinity" zareo fa mbola mino an'i Jesosy ihany eee...
hi hi hi... Ary namen'i RBNIR ny paquet-nao koa anie ianao izany ry Gasy1zay, fa hoy RBNIR hoe ngah moa tsy rehefa mino an'i Jesosy dia voavonjy avokoa hoy ianao izany...

Ka dia rahavavinao ao @ Tomp re ireo ry Gasy1zay (sy RBNIR) f'aza dia tsiratsiraina, na koa tsaratsaraina... :-)

Dia aza dia misendoatra be toa izao re ry Gasy1zay, fa ngo dia andosiran'ilay "FM-ao-@-Gasy1zay" eo ity vatanao misamboaravoara ao izao :-) :-)
127. RBNIR ( 23/02/2020 22:35)
« Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. » (Joela 3:2)

Jehovah = Ray = FM iray ihany

« Izaho sy ny Ray dia iray ihany. » (Jaona 10:30)
Jesosy = Ray = iray ihany

« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Korintiana 3:17)

Tompo = Jesosy = FM = iray ihany

===>Ray=Jesosy=FM = iray ihany.....3 izay 1
128. rhaj0 ( 23/02/2020 22:49)
inona ny contexte an'ireo ry Ratiatsimpontsimpona Betsindrotsindroka?
Dia iza no nanoratsoratra tao @ Krointiana?
Dia ngo dia kisari-teny fotsiny io ao @ Jaona io, fa TSY raisina au premier degre? Toa ny hoe, iray zareo @ zavatra iray. Toa ny hoe, raha milaza hoe "iray ihany nareo mivady", dia tsy midika izany hoe, "iray nareo mivady" au premier degre...

Satria koa mantsy ny doctrine Immaculate Conception koa dia mijejojejo mitsimpontsimpona resa-Baiboly hanamarinany ny Doctrine-ny, toa ianao RBNIR io ihany.


Fa na izany na tsy izany, dia bravo RBNIR: miray Doctrine @ Katolika kay koa nareo sy HRNRN? Dia faly nareo fa tsy iray doctrine @ TJ sy Mormons?
Nefa toa raha ny fahazoako azy, ireo Katolika ireo no tondrotondroin'i HRNRN ho tsihaitsihay.
129. RBNIR ( 23/02/2020 23:02)
efa teo foana ireo 3 ireo hatramin'ny voalohany....(niaraka namorona)...

« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)

Ity no porofo fa teo marina tokoa i Jesosy tamin'io fotoana io...« Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. » (Jaona 8:58)
Gasy1zay koa dia efa nanaporofo tamin'ilay Jao.16

Rehefa marina ny ambaran'ny olona iray dia marina fa tsy misy marina anankiroa, hoy aho hoe tsy diso avokoa akory ny zavatra hampianarin'ny fiangonana rehetra...fa ao no mbola mahatahiry 5%, 10%,20% sns....fa saingy ny tena takiana hoy aho dia 100% = fampianarana tsy misy kilema = izay ampianarin'i Jesosy (satria Jesosy irery no mahafantatra ny marina rehetra ankehitriny fa tsy misy olombelona afaka hihambo ho mahalala izany)....

Ohatra iray ity resaka trinité ity, mbola betsaka ny fiangonana mino an'izy io....tsy azo lavina hoe marina ilay resaka trinité, na iza na iza mampianatra azy...
130. RBNIR ( 23/02/2020 23:50)
rhaj0:

hi hi hi... Ary namen'i RBNIR ny paquet-nao koa anie ianao izany ry Gasy1zay, fa hoy RBNIR hoe ngah moa tsy rehefa mino an'i Jesosy dia voavonjy avokoa hoy ianao izany...

Tsy hoe omena ny paquet-ny kosa i gasy1zay fa izay ange ilay hoe fampianarana sy fanitsiana e! 2Tim.3:16
Ny tena marina dia izao..
Dingana 1 takiana amin'ny olona aloha dia ny finoana an'i Jesosy....
Ity no teny omena azy amin'izany...« Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asan'ny Apostoly 16:31)

Rehefa mino indray kosa ilay olona dia toy ny zazakely voa teraka no hitondrana azy...
Ronono aloha no omena azy satria ronono no sahaza ny zaza....« Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza, » (1 Korintiana 3:2)

Dia eo ilay teny tahaka ny hoe Andriamanitra dia fitiavana, be famindrampo, raha mandray an'i Jesosy ho Tomponao sy mpamonjy anao ianao dia ho velona....
eo mbola somary malalaka ihany ny lalàna hitondrana ny olona....

Dia rehefa mba lehibebe kosa indray (otran'i gasy1zay, dia taritina amin'izay mba hiaina ilay fampianarana tsy misy kilema amin'izay ny olona....

Manomboka tery amin'izay ilay lalàna, ka rehefa tsy mahatakatra izay ilay "mpino" dia manomboka miteniteny foana...ary ny hafarany dia hangidihidy mihitsy ny sofiny ka dia...

« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] » (2 Timoty 4:3)

Velona amin'izay ny hoe mpampianatra sandoka ireo fa ary no tena izy e! sns....

Ny tena marina anefa dia tsy zakany ilay fampianarana tsy misy kilema....
131. rhaj0 ( 24/02/2020 12:33)
Eo ampiandrasana an'i Gasy1zay, sy ilay FM@Gasy1zay.com, dia, ho an'i RBNIR:

1- tena miana-kendry manao ny demonstralatation-n'ny Doctrine Trinity izay an'i father Tertullian t@ taona 300 izany I RBNIR an...
hi hi hi... ianao RBNIR IRERY no resy lahatra @ izany resabe izany re ee...

2- dia efa hoe ireo tsimponinponinao ireo ho'a ve ry Rbnir, @ ahoana ny kronoloziany?

Vao mitsindroka I RBNIR hoe, Jesosy ao @ Jaona, dia mila averina foana ny fanontaniana:
- ilay Jesosy mbola nivavaka t@ YWVH teny @ Sinagaoga ve io (i YWVH no nivavahana t@ izany)
- sa ilay Jesosy taitra tampoka dia nilaza fa Izy no Zanak'i YWVH (mbola i YWVH ho'a no nivavahana t@ izany)?
- sa ilay Jesosy nisintaka t@ Sinagaoga dia nanorina ny fiangonany ho an'i Petera? (tsy hay intsony eto hoe IZA no ivavahan'i JEsosy eo, asa... ny tenany ihany??)
- sa ilay Jesosy, "nilatsahan'ny FM" (fomba fiteny io), dia nilaza hoe, reveo MAIMAIM-POANA?

Ilay Jesosy IZA no resahinao ry RBNIR? I Jesosy anie ka "nivoatra" eee...


io fataonao io ry RBNIr dia toa ny hoe, mamaky boky ianao, dia ao @ ilay boky misy fivoarana mitohy ny tantara, misy kronoloziany, fa ny an-dRBNIR, tsimponina fehezan-teny ao @ chapitre 6, dia tsindrohana fehezan-teny @ chapitre 9, dia aravina ho ... tantara 6+9=69 vaovao???

koa na ianao azany ry RBNIR mbo "nivoatra" koa. Raha manao citation-n'ny fampianaran'i RBNIR izao, dia hainao fa mila tsipihina tsara hoe,
- ilay RBNIR, fony mbola Mpangala-badin'olona (ohatra ity an) ve no ampitenenina,
- sa ilay RBNIR efa nibebabebaka dia niverina ho virijiny HONO?? (oops, kay ho'a I Gasy1zay no virjiny-again.. 'zafady ee..) :-)

Sampona ee.. dia izany mihintsy no hoe, sampona fa RBNIR. :-)
132. RBNIR ( 24/02/2020 13:49)
misaotra anao aho Ray fa tanteraka tokoa ity ny faminaniana....

« ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; » (1 Petera 4:4)
133. gasy1zay ( 24/02/2020 14:18)

rhaj0:

gasy1zay:
Aona moa no lazainao fa Kristiana ny antokompivavahana iray raha tsy manaraka ny fampianaran'i Kristy akory izy?

I Wikipedia izao milaza fa un chretien est une personne qui adhere a la religion issue de Jesus de Nazareth et suit ses enseignement rapporte par les evangiles

Mazava be anie izany e, inona ny fampianaran'i Jesoa , zanak'Andriamanitra izy, misy ny trinite satria izy nilaza mazava fa handefa ny FM rehefa hiverina any @ Ray

Ka aona no misy sahy milaza na lazainareo fa kristiana nefa tsy mino hoe Jesoa zanak'Andriamanitra na tsy mino ny FM?

Anontanio k'lou Ineny Gogola alohan'ny hitenitenenana re ry Gasy1zay, fa ny Baiboly na izay "FM-ao-@-G" izao, ireo anie TSY hanome fahalalana anao ny zava-misy ee..

O ry Gasy1zay: ny Trinity dia DOCTRINE noforomporonin'i father Tertullian t@ taona 300 tany. TSY fampianaran'i Jesosy izany.
Io izao sahala @ ilay doctrine Immaculate Conception, izay mbola noforomporonina koa taty aoriana, Katolika 1854. Fa ny Trinity moa nolovanareo ao @ "born-again", ary izay koa no notazomin'ny Protestanta t@ Katolika rahefa nisintaka ireo, fa ilay Immaculate Conception tena nolavinareo fa toa vendrana beuh angaha.. ary marina ny anareo :-)

Fa dia "Kristiana" izany, na Temoins de J na Mormons, ary TSY mino ny "doctrine Trinity" zareo fa mbola mino an'i Jesosy ihany eee...
hi hi hi... Ary namen'i RBNIR ny paquet-nao koa anie ianao izany ry Gasy1zay, fa hoy RBNIR hoe ngah moa tsy rehefa mino an'i Jesosy dia voavonjy avokoa hoy ianao izany...

Ka dia rahavavinao ao @ Tomp re ireo ry Gasy1zay (sy RBNIR) f'aza dia tsiratsiraina, na koa tsaratsaraina... :-)

Dia aza dia misendoatra be toa izao re ry Gasy1zay, fa ngo dia andosiran'ilay "FM-ao-@-Gasy1zay" eo ity vatanao misamboaravoara ao izao :-) :-)


Tena sur ve rhaj0 fa tsy nampianatra ny trinite Jesoa?

1- impiry izy no nilaza fa zanak'Andriamanitra?
2- impiry izy no nilaza fa izy sy ny Ray dia iray ihany
3- Tsy nilaza ve izy fa handefa ny FM
4- Tsy nidina taminy ve ny FM
5- Tsy azonao ve hoe mpananatra hafa = FM
6- Inona ny trinite raha tsy Ray + Zanaka + FM?
134. rhaj0 ( 24/02/2020 14:36)
gasy1zay:
Tena sur ve rhaj0 fa tsy nampianatra ny trinite Jesoa?

1- impiry...

1- tena miana-kendry hanao ny demonstralatation-n'ny Doctrine Trinity izay an'i father Tertullian t@ taona 300 koa izany I ... Gasy1zay

Eritrereto ao ihany ry Gasy1zay fa ianao ange TSY toa an'i RBNIR ee :-)

Ohatra ataovy parallel ny Doctrine Immaculate Conception. Azonao atao ary vitanao Gasy1zay koa ny manao ny demonstralatation an'io Doctrine io.
135. gasy1zay ( 24/02/2020 15:56)
Izao ary rhaj0, aleo mba avadika kely ny rasa, asehoy anay dondrona sy tsy mahay hoe avy aiza ilay spermatozoida sy ovule niforonan'ireo homo sapiens sy gidro nievoluer ho olona araka ny fahitanareo azy fa tsy azonay mintsy, dia aza atontona @ hoe work in progress fa mba efa andron'ny AI isika izao, raha hitan'ny siansa ve ny planete any @ annee lumiere lavitra any dia tsy mba voavaliny izany?

136. rhaj0 ( 24/02/2020 16:15)
Tena ao @ maha-Siansa ny Siansa mihintsy ilay "work in progress".

Raisonnement par iteration fotsiny atao dia ho hitanao. Ny olona t@ 1900s koa dia nilaza fa "aza atontona @ hoe work in progress fa mba efa andron'ny Big-Bang isika izao"

Ny Zanantsika no hanazava izay mbola tsy voazava izao. Koa na ny efa voazava izao azany mety mbola ampiana fanazavana.

Ary confortable @ izany "work in progress" izany ny Siantista.


Io ho'a efa nolazaiko teto foana hoe, toa ny taloha, rahefa nilalao baolina tany Zambia ny Cheminot... (hi hi hi .. efa teraka ve I Gasy1zay k'lou t@ izany?)
TSISY mbola mahalala ny vokatry ny baolina ny alatsinainy maraina!.. na ilay RTM azany tsy mba miantso an-taroby ny any Zambia, fa dia samy mihanahana TSISY mahalala eo daholo.

Dia ahoana?

Ianao ve izany andeha hino ilay belazao manao hoe, satria hozy ny Boky na ny Bolabola kristaly, dia hoe nandresy ny Cheminot?

Izaho aloha dia kalamina ho'a ny saiko, ka raha tsy fantatra izany dia izay izany.
137. gasy1zay ( 24/02/2020 16:34)
rhaj0 > mba afaka manana honetete intellectuel ve zany ianao hanambara mazava eto hoe tsy manana valiny?
138. rhaj0 ( 24/02/2020 16:41)
Eny. TSY manana valiny @ antsipiriany aho. TSY manana valiny @ antsipiriany ny Siansa, fa afaka manome ampahany kosa.

Ny kasinga rehetra eto @ Latera, dia avy t@ ilay lasopy t@ Big-Bang.
Rien ne se perd, rien ne se cree, tout se transforme.

Ny kasinga lazaina io dia ny proton/electron/neutron, na ny kelikely kokoa noho io koa azany, ny quarks...


Dia ny nivoaran'ny bolongana be (planeta sy kintana) sy ny kasinga eto @ Latera koa ohatra, dia resaka lavabe koa.

Dia ny nisy talohan'ny Big-Bang, dia mbola TSY fantatra @ antsipirihany.
139. gasy1zay ( 24/02/2020 16:47)
rhaj0 > aleo indray ary ianao asaiko mivoaka ny box -nao

Tsisy resaka baiboly an, fa fanontaniana tsotra hoan'olombelona misaina sy lojika:

Esory ny fampianarana renao rehetra, dia valio aho, ianao zany dia tena resy lahatra fa gidro nandady dia afaka millions d'annee hiova olombelona?

Raha ny fahalalanao io dia inona no mora hinoana kokoa gidro mivadika olombelona sa ... tsy haiko ny extraterestra ohatra?

Dia tena resy lahatra i rhaj0 hoe gidro mivadika olombelona, miakanjo, mianatra sns...? Fa maninona ny gidro no lasa nievoluer ho olona fa ny dauphin ohatra heverina fa biby manana qi ambony dia ndriiii, nijanona trondro foana lol? Dia aona oreo gidro, maki, chimpanze, gorille mbola gidro hatrizao?

I rhaj0 milaza siantista ve zany mba nikarokaroka momba izany sa raisina ho marina satria zay no nambaran'ny manampahaizana?

140. rhaj0 ( 24/02/2020 16:49)
Izay ilay izy ry Gasy1zay aa...

hi hi hi.. tsy hitanao marina ilay hoe, @ 1 latsaka folo atoandro ny vaovaom-panatanjaha-tena. Dia mihazakazaka ary dia mipetraka eo am-body radio, miandry an'i Marius Rasoanaivo hilaza ny valin'ny baolina io Alatsinainy io. Ny baolina anefa efa vita t@ Alahady!! :-)

Dia torak'izany koa ee... Kingakinga ny saina mitady dia mihaino ny Siansa rahefa voavahany ny olana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2097