Jj.be - 25/09/2019 12:39
|
![]() Médechine hafa kely Hikaroka sy hitady Hivezivezy toy ny tantely Tsy avelako raha tsy hitako Ny fanefitry ny fahafatesana Fa ny fasana efa feno Toa misy fitsetsefana |
Tara-masoandro - 26/09/2019 12:19
|
![]() Toa zary nofy ihany Ny fiainana eto an-tany, Miserana, mandalo, Tsy afahanao mikalo maharitra ny vetsovetsonao, Hoe: " 'zaho hanao mpitsabo" No hiraina sy ventesina Afahana manaisotra izany "fahafatesana", Izay tsy ho fongotra na oviana Na ho tiana na tsy ho tiana. Mahery vaika mantsy ny heriny misintona Ny tenantsika, mandositra mirintona, Mba hanalavitra azy, kanefa zava-poana, Fa izy dia hamoky, ny kibony izay noana. Ny Rangolahy tsy handefitra Tsy ho hita ny fanefitra Fa hitelina ahy sy ianao hatrany Izay no tanjony eto an-tany. Ka ny marina sy soa no 'ndeha katsahintsika Izay hampandroso hatrany, ny fanahintsika. Aleo ny fo sy saina, no 'ndeha koloina tsara Mba ho rehareha fatratra amin'ny zanaka amam-para. Ka ho velona ao am-pony, tsy ho foana ny hatsarana, Na dia levona aza isika, efa vovoka, lasana. |
Jj.be - 26/09/2019 12:41
|
![]() |
Tara-masoandro - 26/09/2019 12:42
|
![]() |
Tara-masoandro - 26/09/2019 12:43
|
![]() ![]() Hoatran nanainga fanahy tampoka ilay soratra nataonao koa. |
Jj.be - 26/09/2019 12:51
|
![]() |
Jj.be - 26/09/2019 12:58
|
![]() |
Tara-masoandro - 26/09/2019 13:00
|
![]() |
Tara-masoandro - 26/09/2019 13:02
|
![]() Ilay anao io koa ve mba azoko indramina? |
Jj.be - 26/09/2019 13:06
|
![]() |
Jj.be - 26/09/2019 13:10
|
![]() |
Tara-masoandro - 26/09/2019 13:19
|
![]() Ok, ny mahakasika ilay tononkalonao. Misaotra indrindra, sady tena mahafinaritra ny fifampizarana. Mety ho soratako ao amin'ny Tononkalo malagasy ihany. |
Tara-masoandro - 26/09/2019 13:25
|
![]() |
Jj.be - 26/09/2019 13:34
|
![]() |
Tara-masoandro - 26/09/2019 14:28
|
![]() Sao dia mahita lohateny ianao? |
Tara-masoandro - 26/09/2019 14:34
|
![]() Satria vahona mangidy, izany hoe mangidy amin'ny olombelona ny fahafatesana. Dia ao anaty ilay tononkalo manambara ny fitotototon'ny olombelona mitady ny fanefitra, saingy indrisy anefa fa tsy misy... |
Jj.be - 26/09/2019 14:52
|
![]() |
Tara-masoandro - 26/09/2019 15:05
|
![]() Satria tsy hisy na oviana izany ody faty zany, any amin'ny nofy no tanteraka. Fa mety daholo aloha ny fahitako ireo nosoratanao ireo e. Fa asa izay tena ho hevitra tapaka izany. Raha mbola mahita hafa dia lazao foana aloha. |
Jj.be - 26/09/2019 15:17
|
![]() |
Tara-masoandro - 26/09/2019 15:26
|
![]() Hoatrany izay angamba no mety. |