Novonoina ve Vincent Lambert?

1. hery ( 17/07/2019 17:57)
Hevitro manokana mikasika an'i Vincent Lambert. Naharitra andro vitsivitsy taorian'ny tsy nanomezana sakafo azy intsony dia maty i Vincent Lambert. Betsaka ny niteny hoe efa tsy olombelona intsony izy ka tokony notsoahina hatry ny ela ny fanomezana sakafo sy rano azy.

Manomboka oviana tokoa moa no azo antsoina hoe olona ary hatramin'ny oviana no azo antsoina hoe olona? Rehefa misaina ve, rehefa misakafo ve, rehefa oviana?

Vincent Lambert, ho ahy talohan'ny nanatsoahana ny sakafony dia olona feno, mety hoe marary mafy izy saingy mbola tsy maty. Tsy misy mahalala izay mbola tao an'eritreriny tao, na ny tao amin'ny fanahiny tao. Tsy mbola nisy tonga tamin'ny stade toa azy ka afaka nanaporofo hoe efa maty. Mitovy amin'ny olona kilemaina tanteraka izay tsy afaka miteny, tsy afaka manaporofo hoe velona, tsy afaka mihetsika, kanefa velona.

2. rhaj0 ( 18/07/2019 00:08)
1.
K'izy io anie ry Hery, scene be ny an'i Vincent Lambert, fa raha ny olona 'maty ampitsanganana' noho ny fahantrana sy hanoanana ary aretina hafa koa ka dia feno manerana ny tany eee..

Satria tsisy hopitaly/dokotera sy gazety mijery dia toa 'maty ho azy' eny ireto izy ee...

Ka dia It's The Economy Stupid no fandehany, fa ny hoe 'olona' sa 'tsy olona' dia azo resahina lavabe avy eny ambony canapé eee..


2.
Fa eto @ lohahevitra finoana/fivavahana moa ito, ka dia ... ka aiza ilay finoana azany ry Hery ooo??
Tsy mahavita ny Siansa, ary dia izay izany hoz'izy.
Fa ahoana ilay 'miracle'-n'ny vavaka angaha tsy mahavoa h@ Papa? :-)


3.
Fa t@ izaho tany Dago, dia namangy ilay (katolika) mpitaiza sembana tatsy Andoharanofotsy. ilay zaza dia voan'ny aretina henjana be, ny lohany lasa ngozabe, ary sembana ara-tsaina izy, fa mbola tazomin-dry Masera ho velona ihany. Ary nakatony tamina hotry ny cage ny fahitako azy, satria indraidray hono mahery fihetsika.

Dia ny fanontaniako: ho an'ny conscience-n'ilay Masera (te-hahazo pass any Paradisa) ity atao, sa ho an'ilay Zaza marary mijaly ary akatona amina cage???
3. hery ( 19/07/2019 15:04)
Mifangaro be izy izany raHaja

Ny ahiahiko fotsiny dia ilay mandray fanapahan-kevitra amin'ny hoe avela ho faty na tohizana ho velona. Raha tany Madagasikara i Lambert dia efa ela no maty, tahaka ireo izay maty tsy nahatratra fitsaboana sns koa.

Ny mahatonga azy eto amin'ity sokajy ity dia noho izay fahafahana mitsara hoe hovonoina sy hovelomina izay indrindra.

Ny momba ilay masera amin'ity tantaran-draHaja ity indray dia toa efa io nolazainy io ny valiny hoe indraindray mahery fihetsika. Resaka pratique izany ka tsy haiko na fitsinjovana an'i Masera na ilay zaza na ny mpiara-monina aminy ao.
4. rhaj0 ( 26/07/2019 22:54)
hery:
Raha tany Madagasikara i Lambert dia efa ela no maty, tahaka ireo izay maty tsy nahatratra fitsaboana sns koa.

Izany hoe, kay izany tena tsisy idiran'izay revirevin'ny (tsy-)finoana/fivavahana izany ity resaka maty-fa-tsy-notazomina-ho-velona ity eee... maty, na i Vincent na ny Gasy-mahantra, satria tsy araka ny onjam-piainana. Na tsy mino izay eo, na mino.

hery:
Ny momba ilay masera amin'ity tantaran-draHaja ity indray dia toa efa io nolazainy io ny valiny hoe indraindray mahery fihetsika. Resaka pratique izany ka tsy haiko na fitsinjovana an'i Masera na ilay zaza na ny mpiara-monina aminy ao.

Eto indray nipetraka ny safidy:
- na tsy-tazomina-ho-velona ilay zaza marary giravy,
- na akatona anaty cage, dia avela mijaly-marary ao koa (ilay vavak'i masera angaha moa nanala aretina)

Fa ny safidin'i masera, dia miorina @ finoany, izay manome paradisa azy HONO fa satria izy manaraka ny revy.

izay k'lou ny fahitako azy
5. RBNIR ( 29/07/2019 14:46)
hery:

Mifangaro be izy izany raHaja

Hitako fa lasa problema be an'i rhajo,mihitsy ity mampifangaro resaka ity....

Tsara raha mba mianatra mifehy lohahevitra ihany isika fa manjary mampikorontana resaka an!
6. rhaj0 ( 30/07/2019 00:00)
Mouah ha ha... efa mba nasiako 'toko aman'andininy' hoe !. 2. 3. ilay, mba ahafahan'ny mpamaky Biboly manaraka ny resaka fa hhheeeee....

Averina indray azan ye e :-)

1:
K'izy io anie ry Hery, scene be ny an'i Vincent Lambert, fa raha ny olona 'maty ampitsanganana' noho ny fahantrana sy hanoanana ary aretina hafa koa ka dia feno manerana ny tany eee..

Satria tsisy hopitaly/dokotera sy gazety mijery dia toa 'maty ho azy' eny ireto izy ee...

Ka dia It's The Economy Stupid no fandehany, fa ny hoe 'olona' sa 'tsy olona' dia azo resahina lavabe avy eny ambony canapé eee..
hery:
Raha tany Madagasikara i Lambert dia efa ela no maty, tahaka ireo izay maty tsy nahatratra fitsaboana sns koa.
rhaj0:
Izany hoe, kay izany tena tsisy idiran'izay revirevin'ny (tsy-)finoana/fivavahana izany ity resaka maty-fa-tsy-notazomina-ho-velona ity eee... maty, na i Vincent na ny Gasy-mahantra, satria tsy araka ny onjam-piainana. Na tsy mino izay eo, na mino.

7. rhaj0 ( 30/07/2019 00:09)
2:
Fa eto @ lohahevitra finoana/fivavahana moa ito, ka dia ... ka aiza ilay finoana azany ry Hery ooo??
Tsy mahavita ny Siansa, ary dia izay izany hoz'izy.
Fa ahoana ilay 'miracle'-n'ny vavaka angaha tsy mahavoa h@ Papa? :-)
8. rhaj0 ( 30/07/2019 00:11)
3.:
Fa t@ izaho tany Dago, dia namangy ilay (katolika) mpitaiza sembana tatsy Andoharanofotsy. ilay zaza dia voan'ny aretina henjana be, ny lohany lasa ngozabe, ary sembana ara-tsaina izy, fa mbola tazomin-dry Masera ho velona ihany. Ary nakatony tamina hotry ny cage ny fahitako azy, satria indraidray hono mahery fihetsika.

Dia ny fanontaniako: ho an'ny conscience-n'ilay Masera (te-hahazo pass any Paradisa) ity atao, sa ho an'ilay Zaza marary mijaly ary akatona amina cage???

hery:
Ny momba ilay masera amin'ity tantaran-draHaja ity indray dia toa efa io nolazainy io ny valiny hoe indraindray mahery fihetsika. Resaka pratique izany ka tsy haiko na fitsinjovana an'i Masera na ilay zaza na ny mpiara-monina aminy ao.

rhaj0:
Eto indray nipetraka ny safidy:
- na tsy-tazomina-ho-velona ilay zaza marary giravy,
- na akatona anaty cage, dia avela mijaly-marary ao koa (ilay vavak'i masera angaha moa nanala aretina)

Fa ny safidin'i masera, dia miorina @ finoany, izay manome paradisa azy HONO fa satria izy manaraka ny revy.
9. mirananirina ( 25/08/2019 18:30)
Efa maty tokoa moa izy iny? Reko ilay ady tany @ tribunal sns dia tsy hitako tohiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9177