Miara-mionona sy mifanotrona amin'i Sipagasy

1. hery ( 02/03/2019 18:40)
Noho isika atambatry ny fihavanana na dia hoe betsaka aza ny tsy mifankahalala dia tsy hoe miara-mifaly amin'izay mifaly ihany fa miara-ory amin'izay ory ihany koa.

Izany indrindra no anehoana ny teny fankaherezana sy teny fampiononana ho an'i sipagasy sy ny fianakaviany izay nilaozan'i Landy.

Efa naneho ny adidy taminy ny namana serasera Dago fa tsy mety ny tena raha tsy mandrakitra izany fiombonana izany eto amin'ny serasera. Tsy famohazana fota-mandry akory fa fanehoana ny fiaraha-mitondra ny mavesatra. Mahereza sipagasy ary aza misosoka alahelo intsony.

novalian'i ikalamako ny 05/03/2019 11:12
2. sipagasy ( 02/03/2019 19:03)

hery:

Noho isika atambatry ny fihavanana na dia hoe betsaka aza ny tsy mifankahalala dia tsy hoe miara-mifaly amin'izay mifaly ihany fa miara-ory amin'izay ory ihany koa.

Izany indrindra no anehoana ny teny fankaherezana sy teny fampiononana ho an'i sipagasy sy ny fianakaviany izay nilaozan'i Landy.

Efa naneho ny adidy taminy ny namana serasera Dago fa tsy mety ny tena raha tsy mandrakitra izany fiombonana izany eto amin'ny serasera. Tsy famohazana fota-mandry akory fa fanehoana ny fiaraha-mitondra ny mavesatra. Mahereza sipagasy ary aza misosoka alahelo intsony.








Misaotra anao sy ny namana rehetra mampahery fa tsy misy mpanao izay aza moa tompoko mitraka ihany fa maika fa misy anareo tapaka sy namana miaraka mizaka ny tsy zakanay irery koa dia fisaorana no atolotra anareo,

Ny fambolen-kazo dia tsy ho iny ihany fa dia ezahintsika atao isan-taona izany ary ny toerana dia araka izay ahitantsika
3. ikalamako ( 02/03/2019 22:04)
Hiaraka isika na faly na sariaka
Hiara hizaka ny mafy
Efa vonon-kihafy

Mahafinaritra foana mijery sary toa izao... firy taona aty aoriana ? 20 ve sa 15 ?
Misaotra foana sefo Hery ho an'ny serasera.org o... "namana hatrany", hoy ilay jingle ao amin'ny radiovazogasy

Kourazy foana tsika sipagasy o ! Amin'ilay itiavan'i Landy azy mihitsy izao, yessss
4. elien8 ( 03/03/2019 04:54)
misaotra nampita vaovao taminay ka miara ory aminy namana rehetra koa moa aza misosoka alahelo moa fomba ny faianana zany
5. booboo ( 05/03/2019 09:46)
ny ahy ampiako fihina beeeee ilay tsiky dia ampy. na efa mifankahita atsy an'anona atsy aza ohatra tsy mety raha manao bla² kely ato koa.
6. ikalamako ( 05/03/2019 11:12)
Tatitra kely o... dia mirary soa daholo.

http://vaovao.org/mg/news/fambolen-kazo-nataonny-seraseraorg-ho-fanomezam-boninahitra-ani-landy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5736