ny fiainan'ny malagasy amin'ny ankapobeny

1. BENEM ( 25/09/2018 07:36)
Amin'izao fotoana izao dia hita sy tsapa fa tena tsy manana ny maha izy azy intsony ny tanora malagasy.
- ny ankamaroany ny tanora dia tsy afaka mamorona asa hoan'ny tenany fa miankindoha amin'ireo mpanambola avokoa
-efa maro be ihany koa ireo zone franche na irony atao hoe orinasa mpanjaitra afak'aba irony ka lasa miaina sy any no mitady asa fivelomana ny tanora
*TADIDIO ANEFA FA IRENY DIA ENDRIKA FANJANAHANTANY SY FANADEVOZANA VAOVAO
Miaina ao anaty tebiteby foana ny olona miasa amin'ireny
ny vola raisina isambolana tsy misy mipetraka fa efa vita kaonty avokoa
manenjika ora isa-maraina fa tsy maazo tara
any ampiasana ihany koa manenjika isa fa tsy maintsy vitaina ny asa
milahatra vary atoandro reefa hisakafo ary hoanina haingana fa sao tara fidirana
manenjika bus indray reef hariva fa sao voaendaka
ny alahady fialantsasasatra sy hikarakaraa ny tokantrano mbol tsy iverenana miasa reef misy asa tsy maintsy vitaina
FEHINY :
- TSY MISY AFA-TSY NY MANANA NY ASA HOAN'NY TENA IRERY IHANY NA DIA MIAINGA AMINA ZAVATRA KELY AZA FA NY FAHAMATORANA NO ATAO TSARA
- ISIKA MALAGASY DIA ISAN'NY VAHOAKA SAMBATRA ARY MANANA HARENA VOAJANAHARY BETSAKA KA TSY TOKONY NY VAHINY NO HIBAIKO NY SAINTSIKA
2. Meva215 ( 09/10/2018 19:03)
Marina tokoa, saingy isika anie amiko tany am-pianarana nampianarina ho mpiasan'olona fa tsy anangana orinasa e
3. Ulrichandry ( 23/10/2018 13:43)
Meva215:

Marina tokoa, saingy isika anie amiko tany am-pianarana nampianarina ho mpiasan'olona fa tsy anangana orinasa e

Tena marina izany, na Izaho aza ohatran'ny mahatsapa tena ho sahirana ihany rehefa misy resaka hoe : " Tsy mety Amintsika izany manangana orinasa izany fa miasĂ  aloha ". Te hanangana ny orinasako aho amin'ny faha-20 taonako. Ary tiako ho tohizana n'aizan'aiza io nefa dia efa hitako sahady ny sakana mety hahazo Ahy atsy ho atsy.
(17 taona aho ankehitriny ary efa hatr@ faha 15 taona ko aho no nanana an'io faniriana io )
4. Maeva2515 ( 23/10/2018 13:47)
Tsara tokoa ilay hevitra. Fa marina koa anefa izay lazainao :)

Jereo tsara fa rehafa tonga eny ami'nny oniversite ianao, mianatra mitantana sns fa tsy ampianarina anao ny fananganana orinsa, ireo fikafika sy ireo tokony atao. Ireo zavatra basique ian
5. Ulrichandry ( 23/10/2018 13:53)

Maeva2515:

Tsara tokoa ilay hevitra. Fa marina koa anefa izay lazainao :)

Jereo tsara fa rehafa tonga eny ami'nny oniversite ianao, mianatra mitantana sns fa tsy ampianarina anao ny fananganana orinsa, ireo fikafika sy ireo tokony atao. Ireo zavatra basique ian


Tsy ampianarina ahy eto ny fananganana orinasa saingy kosa haiko miandala ateny ihany Izany satria efa mifandray amin'ireo tompona orinasa sasantsasany ny tena ankehitriny ary mandinika tsara ny zavatra ataondry zareo ireny mba tsy hanaonaovako foana ao aoriana kely ao.
6. mirananirina ( 24/11/2018 18:37)
Tsy fananana vola daholo mahatonga izany. Raha hanangana orinasa ianao tsy maintsy mila vola ampiasaina aloha hananganana izany voalohany ( hofan-trano, fitaovana, olona ampiasaina sns...)
Izay matetika ny hoe zanaka mpanakarena sy manankatao ihany mahavita manangana orinasa.
Amiko kosa anefa raha miasa @ vazaha izy ireo tsy midika hoe voazanaka izany. Ry zareo aza manana pause, mahazo sakafo, mahazo fitsaboana sy fanafody.
Fa mba diniho anie patron Gasy sasany mampiasa olona ireny e! Ohatra mpanamboatra trano, voazeran’ny Biriky i Rabe dia maratra be! Asainy mody na makany @ dr io fa tsy entoany na Ariary aza! Avy eo mbola voaroaka satria tsy mahavita miasa intsony. Sakafo atoandro Zara mihinana katsaka na mangahazo. Asa anefa mafy be.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3691