Miala tsiny fa amiko ny homosexualité dia...

21. rhaj0 ( 08/09/2018 17:12)
hery:
Tsy amin'izao ka. Sa moa tsy natioraly indray ilay hoe straight na tsia?

Dia tafasisika ihany ny Finoana/Fivavahana @ ity resaka ity, fa ny "natioraly" @ Mpino (Kristiana) dia hafa eee... Sampona. Ny anareo ny atao hoe "natioraly" dia izay araka ny Baiboly, na ilay raki-tsoratra tao moyen-orient talohan'ny l'an zero sy taoriana keliny.

Efa lazaina foana fa eraky ny kontinenta sy eraky ny siekla, na hatrany Sina sy Amazonia ka hatrany Dago sy ny tao moyen-orient tao, dia efa nisy foana ny nanana fitondra-tena homo. Dia efa hoe koa hoe, na ny biby aza nahitana izany koa.

ka inona izao "natioraly" an'i Hery izao?

hery:
Hoy aho hoe tsy mbola nahita aho hoe ray amandreny naniry hoe hanan-janaka ho homo rehefa teraka.

Dia tsy mifanerasera @ ireny couple homo ireny marina izany ianao ry Hery.
Izay hitanao ao izany dia izay (ihany) ee..

hery:
Fa raha ohatra ka hoe tsy natioraly ilay resaka homo sy tsia dia vokatry ny fanabeazana sy ny manodidina indray kay ilay izy izany.

Izao no vohizin'ny .. antsoiko hoe maizin-tsaina aty @ provansin'ny Ontario aty. Lazainy fa "ideolozia" hono ny fampianarana ny Ankizy ny momba ny LGBT any ampianarana. Ary dia avy koa ilay PM vao voafidy teo, izay Trump kely, dia notapahiny izany tao @ programam-pampianarana.

Dia rahefa mikato-tsaina ao ry bainina sy baofy, sady lasany moa izany ny fahefana, dia izay izany eee... Fa dia ny interinety izany no hampianatra ny Ankizy ny @ izany, f'inona koa moa ny olana... avelao zareo bainina sy baofy ao hihinana ny totohondriny ao.. Satria ho'a, ireo olona mpikitakita @ ity resaka ity, dia tsy iza fa ireo izay inhibé, refoulé ny maha-homo azy, satria nopriatin'ny Finoany ao.. Fa dia hihomehezan'ny Ankizy ao any aoriana any ee... :-)
22. hery ( 08/09/2018 17:29)

rhaj0:

Efa lazaina foana fa eraky ny kontinenta sy eraky ny siekla, na hatrany Sina sy Amazonia ka hatrany Dago sy ny tao moyen-orient tao, dia efa nisy foana ny nanana fitondra-tena homo. Dia efa hoe koa hoe, na ny biby aza nahitana izany koa.

Izany hoe fitondran-tena tahaka ny hoe "mangalatra" sns ilay izy. Vokatry ny fanabeazana sy ny famolavolan'ny fiaraha-monina? Sa hoe natioraly tahaka ny hoe maha-fotsy na maha mainty hatrany ankibo?

rhaj0:

Dia tsy mifanerasera @ ireny couple homo ireny marina izany ianao ry Hery.
Izay hitanao ao izany dia izay (ihany) ee..

Ireny ngaha moa afaka hiteraka fa ny zanak'olona indray izany no iriany ho lasa homo koa?

23. rhaj0 ( 08/09/2018 22:20)
rhaj0:
Dia tsy mifanerasera @ ireny couple homo ireny marina izany ianao ry Hery.
Izay hitanao ao izany dia izay (ihany) ee..

hery:
Ireny ngaha moa afaka hiteraka fa ny zanak'olona indray izany no iriany ho lasa homo koa?

oadray.. tsy ao anaty ny boky famakin-dry Hery marina ve ny hoe, afaka manao na anaovana insémmination artificielle anie ny papa na mama homo? :-)
koa na ny zaza natsangana angaha tsy efa hoe "zanakao" koa re ry Hery...

Dia hafa dia hafa mihintsy ny ao anaty box-nareo zany lehiretsy.. efa 2018 nefa ny taona ;-)
24. tealala ( 10/09/2018 08:22)

Tahaka ny miteny ianao hoe ny lehilahy tsy normal raha tsy misy utérus hahahaha!!!

Sa ve hoe izaho lehilahy tsy misy utérus ity no tsy normal?

Na hoe hametraka fanontanina hoe inona no hatao hoe normal?
25. mbositra ( 18/09/2018 14:47)

Sali an

Na hoe hametraka fanontanina hoe inona no hatao hoe normal?

Misy karazany 3 ny normal:

1/ Rehefa mitovy amin'ny maro isan-jato
2/ Rehefa eritreretinao hoe mitovy (fijery,fiaina sns) aminao.
3/Tsy misy ny normal fa samy manana ny mahasamihafa azy daholo.

jereo izay mety aminao amin'ireo.
26. hery ( 18/09/2018 19:53)
rhaj0:

koa na ny zaza natsangana angaha tsy efa hoe "zanakao" koa re ry Hery...

Dia mba zaza straight ve sa zaza homo no alain'izy ireny hatsangana?
27. rhaj0 ( 19/09/2018 11:04)
rhaj0:
koa na ny zaza natsangana angaha tsy efa hoe "zanakao" koa re ry Hery...
hery:
Dia mba zaza straight ve sa zaza homo no alain'izy ireny hatsangana?

Dia asa mihintsy ho'a ny fiainana 2018 hitanao ao ry Hery..
Ny zaza vao teraka sy mbola zaza bodo aloha dia tsy hita na hoe fantatra na homo na tsia. Tsisy mahalala izay ao anatiny lalina ao, fa rahefa lehibe izy no hivoaka eo.

Fa ao koa ny manangan-jaza, ohatra ireo zaza mary ray sy reny, na koa ireo zaza maditra.

Dia eny ry Hery.. misy dia misy tokoany ny olona tsara sitra-po manangana ny zaza na inona na inona ny aminy ao.

Sa ny an-dry Hery, raha mba hananga-jaza (ihany) dia, blond o zieux bleus ary straight ary olo-tsy-hanambady-mandrakizay toa Jesosy ihany ny ady eo? na koa ho virijiny-mandrakizay toa Maria, na dia hiteraka ihany aza Ikalakely any aoriana?
28. hery ( 19/09/2018 20:54)
Ka noheveriko hoe natioraly hatrany ambohoka ilay homo sy tsy homo kou.

Dia raha tsy homo izany ny zaza atsangan'ireny olona ireny dia ahoana?

Sa teren'izy ireny ho homo toa azy koa?
29. rhaj0 ( 19/09/2018 22:24)
hery:
Ka noheveriko hoe natioraly hatrany ambohoka ilay homo sy tsy homo kou.

Raha ny fahatakarako azy tokoany aloha, dia ... tsy haiko koa ny hoe "hatrany ambohoka". Ny hitako in-1 mandeha izay toa efa nofintinin'i wikipedia dia
https://en.wikipedia.org/wiki/Biology_and_sexual_orientation
a combination of genetic, hormonal, and social factors determine it

Ary tsarovy foana fa "in progress" ny Siansa, ka dia araho ny vaovao farany.

hery:
Dia raha tsy homo izany ny zaza atsangan'ireny olona ireny dia ahoana?

Sa teren'izy ireny ho homo toa azy koa?

Io indray ry Hery dia fantaro ary aza hadino intsony fa hoe, TSY mitovy amina(re)o daholo anie ny olona ee...
- TSY "maniry" ny zanany ho katsaka tsaramaso voanjobory (toa anareo),
- TSY ''manery" azy ho katsaka tsaramaso voanjobory (toa anareo)

Fa ny (ho) fi(s)ainan'ilay zaza dia SAFIDINY.

Ny RaR dia mi-faciliter, manampy sy manohana, araka ilay hoe "how can I help you".
30. rhaj0 ( 21/09/2018 00:16)
mbositra:
Misy karazany 3 ny normal:

1/ Rehefa mitovy amin'ny maro isan-jato
2/ Rehefa eritreretinao hoe mitovy (fijery,fiaina sns) aminao.
3/Tsy misy ny normal fa samy manana ny mahasamihafa azy daholo.

jereo izay mety aminao amin'ireo.

Te-hitongilana @ ilay 3/ aho.

Nefa ihany aloha, misy ny fahalalana sy soatoavina ary lalàna 2018, ary izay izao no eken'ny fiaraha-monina.

Nefa indray anefa, dia ao anatin'ireo ny fanajana ny faha-samy hafana (diversité) sy ny tsy fitovian'ny eritreritra (divergence d'idées/opinions) izany.

Fa tsy haiko kosa aloha hoe. dia mila lazaina ve hoe, rehefa ry Mpino (ao @ 2/) no hilaza anao fa ny hany "normal" dia izay lazainy fa lazain'izao Inoany ao izao... dia asa ho'a iza no sampona (anormal).

31. mbositra ( 21/09/2018 13:59)

Ka raha azonao raisina kosa hoe anaty faha samihafana koa ilay hoe Mpino sy tsy mpino dia mitovy ihany ny fifandraisanao aminy dia milamina.

Raha tiana apetraka fanindroany ny olana amin'ity adihevitra ity dia lasa hoe: Anaty fivoaran'ny fiaraha-monina ve ny fanekena ny homoseksoaly? Mety tsy resaka finoana fotsiny fa mety hoe ara-kolo-tsaina sns.
Ianao izao Rhajo miteny hoe mifanerasera amin'ny olona lahy tia lahy na vavy tia vavy, dia hatraiza ho aiza ny trangan-javatra ifandraisanao aminy?
I Hery izao miteny hoe ekeny ny fisiany amin'ny fiaraha-monina dia hatraiza ho aiza koa ny zavatra tsy eken'ny sainy?
32. rhaj0 ( 22/09/2018 19:17)
Raha hoe "samy hafa" dia samy "mi-vivre sy mi-laisser vivre" anie ny rehetra dia "milamina" tokoany io eee..

fa ilay #2 (satria manana ny fahefana dia) manakorontana sy manimba ny fi(s)ainan'ny olona tsy mitovy aminy no tsy mampilamina ee..

Raha ny @ LGBTQ, dia tena mila mifanerasera ary mahalala ny fi(s)ainana sy izay niainan'ireo olona ireo mihintsy ny tsirairay, ary izay angamba vao ho tonga saina fa tena olon-doza izy (indrindra ireo Kristiana sasany) tery saina manitrikitrika ny LGBTQ io.

Mampalahelo mihitnsy fa indrindra isika gasy izao, dia niharan'ny colonialisme sy ny racisme. Fanefa dia milaka milaka mihintsy manao io homophobisme io ny sasany, mody malefaka sy be rezonema nefa homophobe giravy ihany..
33. Calinbrandon ( 23/10/2019 07:58)
Fa inona no tianareo ho voizina amin'io hevitra io ?
Hoe :
- tokony ekena ve ny rafi-pisainana tandrefana milaza fa mety ny LGBTZ ary tsy maninona io ? Ny "Z" dia zoophilie izay efa normal any ivelany any.
- sa tokony ho potehina ny kolontsaina Malagasy ?
- sa tokony ho potehina ny fototry ny maha olona ?
- sa tsy manana Hasina isika ka tsy maninona fa ataovy mitovy kilasy amin'ireo tsy misy fototra?
- sa tokony ekena ireo mba hahazoana vola sy fanampiana ialana amin'ny fahantrana ?
- sa ireo rehetra ireo ?

Tsory mazava be tsy misy mivilana. Sady efa misy mikononkonona hamoaka lalàna mba hamelana ny mariage pour tous eto amintsika. Sady efa misy ny gasy manambady biby.
Tena efa mivarina ho amboa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1346