Felantsoa14 - 26/07/2018 01:25
|
![]() Tsy ninia mamitaka aho sanatria Na hoe tsy ampy ahy ny iray f’aleoko roa Fa nisy fitia iray tsy mbola hitako nandalo teo Dia tsy fantatro fa lasany aho Fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo Nangatsiaka aho dia nantsoiny eo aminy Sanatria tsy hoe tsy tia anao intsony aho dia nandeha Nandeha aho dia niverina indray ...... (Rija Ramanantoanina) |
Haby - 26/07/2018 10:23
|
![]() hihihi!!!! mety azo atao setriny ve ty hira ty Toa nisopatra ny lahatra Nanao izay nihaonako aminao Naleoko mihitsy re tsy hary Raha hijaly toy izao Marobe ireo efa hitako Tsy nampiraika ahy akory Asa loatra fa ianao Manjary tsy ahitako tory Aza jery ahy intsony Ireo masonao ireo Ataovy koa izay tsy andrenesako Andrenesako ilay feo Ilay feonao malefaka iny Tsy ho azoko androtsy ahy Fa vao maika koa nandratra Ny aty, foko sy fanahy Aleoko izaho mandao anao Any an-tany lavitra any Any aho no hitsabo Izany ratram-poko izany Toy izay mahita akaiky Nefa tsy afaka manantona Ilay lapa soa anananao Indro tsinjoko mikatona Aleoko izaho mandao anao Any an-tany lavitra any Any aho no hitsabo Izany ratram-poko izany Toy izay mahita akaiky Nefa tsy afaka manantona Ny hany fantatro dia izao " tsy anjarako ianao " LALATIANA "TSY ANJARAKO IANAO" |
Felantsoa14 - 28/07/2018 01:26
|
![]() Mahafehy zava-maro ity hira ity. Mampiaiky ahy ny fahaizan'ny mpamprona tonon-kira. Toa hainy ny fiainanao. Ny maha-hafa azy kely dia tsy noho ny fisarahana no nandehananay taty fa efa fikasana tanteraka saingy nifanojo @ ilay tantara niseho |
mirananirina - 13/08/2018 11:57
|
![]() |
Rt.JOSVAH - 13/08/2018 12:17
|
![]() |