Kivy ve ianareo?

1. lantoratsida ( 13/02/2018 12:46)
Miarahaba ny Diaspora rehetra,
Naheno vaovao ratsy t@ hainoaman-jery aho herinandro vitsivitsy izay hoe toa misy misandoka ka maka vola any aminareo anefa dia tsy araka ny tokony ho izy akory ny fampiasana izany. Nisy nijoro vavolom-belona hoe tena diso fanantenana.

Indrisy fa feno olona toy izany aty amintsika ankehitriny noho ny antony maro.

Manentana anareo anefa mba tsy ho kivy ary koa hanova fomba fiasa ka hitaky vokatra matotra kokoa. Indrindra indrindra mba tena ho fanohanana mahafaobe no hatao fa raha vao zavatr akely dia tsy manova akory fa vao maika aza toa mampisy fiangarana. fantatro fa tsy hoe mpam-be toy inona akory ianareo fa angamba tokony jerena hoe misy fomba fitantanana ny fanampian'ny DIASPORA. Ny aty amintsika mantsy aloha dia hainareo ihany e: projet sy pilote lava izao ka miteraka faniriana fotsiny dia ritra. Dia misy vaovao indray dia toy izany hatrany. Mila hetsika goavana sy mahafaoka ny Madagasikara manontolo isika. Amin'ireo dia ny Tanora no heveriko fa laharam-pahamehana.
2. mirananirina ( 23/02/2018 18:34)
NA aiza na aiza namana dia misy mpisandoka foana fa tsy hoe ny ao Mada ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1476