Aiza aza Andriamanitra amin'ity fahoriam=be eto Madagasikara ity kanefa ny fiangonana an'alin-kisa?

101. endriny ( 21/11/2017 07:16)

Miharena:

Dia tadiavo ny vaha-olana raha hitanao fa Andriamanitra efa nametraka hoe : omena anao ny fahalalana ny fiainana sy ny fahaverezana, ka izay iray fidianao. Dia matoa ory dia nisafidy ny ho ory izany fa ny mpanara-dia an'Andriamanitra IZY ihany no miahy azy eny rehetra eny e!


Izaho angaha moa dia miandry tolorana e. Sady tsy mangataka ihany koa.

Fa angaha tsy efa very moa i Madagasikara izao sa tsy mahita ry Miharena, efa tafarina. Indrisy mantsy ry tapa-tsosisy.
102. endriny ( 22/11/2017 14:47)
Fehiny kay lalalalalalalalla daholo ireto milaza tena ho mpino kristianina ireto fa tsy manana finoana na ohatran'ny voatsinampy akory aza, fa ilay misandoka akana hanamaroana isa ny kliobany fotsiny no mahamaika azy.
103. Miharena ( 23/11/2017 07:24)
Tsara raha tsy miandry tolorana sady tsy mangataka. Izany hoe mpandray anjara mavitrika amin'ny fampandrosoana izany olona tsy mangataka sy tsy miandry tolorana izany Endriny.

Ka raha izay no izy dia jerena izany hoe firy ny olona toa anao aloha dia jerena koa hoe firy ny Kristianina manao zavatra amin'ny rariny sy ny hitsiny.

Firy no mahavita miahy olona mahantra ka mampahomby ny fiainan'izy ireo hahaleo-tena : Ny mpanao politika ve? Ny mpitondra fivavahana ve? Ny mpandala ny fomban-drazana ve?

Dia tokony hatao ireo fanadihadiana ireo fa tsy hoe Ra-Kristianina ihany no ataonao lalalalala eo Endriny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1561