Fitaizan-tena sy Fitaizam-panahy Kristiana

21. endriny ( 07/09/2017 03:37)

rhaj0:

Fa ilay "fitaizam-batana" nataon'i Jesoa (par l'exemple) toa ny "milanja vata-kazo" sy "manao barafixa" kosa aloha, mety mivanivany isika eto,


Tena tsy mivanivany aho Tompoko fa voasoratra ao amin'ny Matio 11: 29 io. Fa mety hoe any aminareo ny Zioga mety fonjam-by fa tsy vatan-kazo ohatry ny eto Madagasikara angamba.

rhaj0:

fa tena misy dia misy tokoany ny Mpino no manao an'io, ankoatry ny "mandohalika mandeha", rehefa manao an'itony hoe Chemin du Calvaire itony an...


Fampianarana misy kilema izao io anao io, satria Jesosy tsy nampianatra olona andohalika izany. Rehefa ampianariny aza ny olona dia asainy maka toerana miataka, azo ipetrahana sady omeny mofo sy trondro

Dia hay misy fanazaratena faha-11 nampianarin'i Jesosy: Mihazakazaka manao 100 na 1000 na 3000 m
22. rhaj0 ( 07/09/2017 11:10)
Ny @ Jesosy "mandohalika", dia ao @ Lioka 22:41, efa noresahina tatsy iihany, dia "par l'exemple" no nanaovany azy.

Ka iilay "milanja vata-kazo" sy "manao barafiksa" koa izany fampianarana "par l'exemple" eee..

Ka ireo izany no "fampianarana TSISY kilema" ..

O ry RBNIRm-belazao @ fampianaranatsisikilemany izao oooo...
Mba "mandohalika" sy "milanja vata-kazo" sady "manao barafiksa" va re ianao sy Hrnrn ao ooo ????? :-)

23. Miharena ( 08/09/2017 08:06)
Fitaizan-tena sy fitaizam-panahy no resahana dia aza afangaro voraka toa io.

Ny fitondran-tena mahitsy no fitaizan-tena ampianarin'i Jesoa. rehefa manaraka tsara ny didin'Andriamanitra dia salama tsara ny saina. ny fo ary ny fanahy.

Rehefa mandika dia marary daholo dia manaotao foana.

Ny meditasion tsy ahitana hatra ny amin'ny tokony hataon'ny olona amin;ny miara-belona aminyfa ny didy folo no manome tsara izany.

Ao koa ny fampianaran'i Jesoa izay milaza ny tokony hifankatiavana.

Dia mba atombeno kokoa rehefa miresaka fa aza maniditsidina any amin'ny barafiksa izay fantatra fa olombelona no namorona izany rehetra izany arakaraka ny fivoaran'ny fiainany teto.
24. rhaj0 ( 08/09/2017 14:15)
Ny an'i Miharena k'lou dia izay nataon'i Jesosy, ataony "par l'exemple" hampianarana ny mpanaraka azy ", ary voatatitra ao @ Baiboly, dia tena firan'i Miharena fotsiny. Na ny "fanasitranana jamba/moana/marenina" io, na fitaizana vatana toa ny ... bara fikisa.

hi hi hi.. Izaho indray ve hi-contredire anao @ izany ry Miharena.. firo ao eee.. :-)
25. endriny ( 08/09/2017 15:26)
Fitaizan-Tena ange no resahina fa tsy fitondran-Tena ry Miharena e.
26. rhaj0 ( 08/09/2017 22:58)
REraka eo ianao ry Endriny, fa n'inon'inona "resahina" eto anie, ny an'Itsimahalalaafatsynysaimpantany dia ilay "saimpantany" ihany no asesiny ee :-)
27. Miharena ( 10/09/2017 03:18)
Mifanaraka tsara ny fitaizan-tena, fitondran-tena ary fitaizam-panahy raha ny marina.
28. rhaj0 ( 12/09/2017 13:50)
Inona moa no tsy "mifanaraka" ao @ imazination-nao (irery) ao ry MIharena..

Hita be fa hotsahotsan'ny hoe, MINOU FOTSY fa dia mety daholo na fitaizan-tena, na fitondran-tena na fitaizam-panahy.

Hanontaniana ry Miharena hoe,
- ahoana ny "fitaizan-tena" na "fitaizam-batana"?? MINOU FOTSY
- ahoana ireo recetten-Jesosy ao @ Baiboly ireo?? MINOU FOTSY
- ahoana na inona no resaka atao eto @ serasera eto?? MINOU FOTSY
- ahoana ny katsaka no toa lasa voanjobory, ny rano no lasa pi??? MINOU FOTSY
29. endriny ( 12/09/2017 14:09)
Ny elefanta dia manana orona lava be ohatran'ny kankana ary ny kankana dia mipetraka ao anatin'ny tany. Ny kankana dia biby lavalava ohatran'ny bibilava saingy tsy manana masony. Ny maso no taovam-pijerena ampiasain'ny olona rehefa mamaky teny izy...lalalalalalala
30. Miharena ( 14/09/2017 05:08)
Eny ary,

Lazainareo moa fa mifangaro ny resaka.

Miantraika amin'ny tena na fitaizan-tena na fitondran-tena na fitaizam-panahy. Hazavaina tsara aloha mba tsy hifangaro ary:

Ny an'ny Kristianina raha mijery sy mandinika ny Baiboly manontolo ianao dia resaka fitondran-tenan'ny olona tsirairay no ao ary misy vokany amin'ny tenany avokoa ny zavatra ataony aby.

Ohatra : rehefa manota Davida mpanjaka dia nihatra taminy ny fahavoazana. Rehefa manota Saoly dia miantraika aminy ny fahavoazana.

Ny marina amin'izany dia ny fitondran-tena tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy dia misy vokany ratsy, na ara--batana, na ara-panahy rahateo.

Ny fitaizam-panahy dia mifanaraka amin'ny fitondran-tena eto.

Azo andramana tsara amintsika ilay izy hoe rehefa mangalatra ianao = fitondran-tena dia miantraika any amin'ny ati-fanahinao any hoe diso ianao = tsy mandraharaha fitaizam-panahy. Ny marina tsy mandraharaha ny fitazan-tena ara-Kristianina ianao dia manao fitondran-tena tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy.

31. rhaj0 ( 14/09/2017 12:42)
Ataovy misesy azany ry Miharena aa.. Raha atombokao @ "fitaizam-BATANA" k'lou ilay izy, dia ahoana?

Ny an'ny hafa, ohatra ny Hindu, raha ny fahitako azy ho'a, dia io "fitaizam-BATANA" io dia raiki-tapisaka @ (fombafomba ao @) Finoana.

Asiana fotsiny hoe mandehana "mivavaka @ Masoandro" rankizy. Dia iny ny Ankizy fa manao etirement/musculation/respiration/relaxation/...

Ny an'ny Kristiana, dia raha asiana hoe, mandehana "mivavaka @ Jesosy" rankizy. Dia iny ny Ankizy fa mikimpy maso mafy toa constipé. Ka i JEsosy no ianarany. i JEsosy hono, hozy i Lioka 22:44 dia "nivavaka mafimafy kokoa. Ary nanjary toy ny rà ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin'ny tany."

Sa nanao etirement/musculation/respiration/relaxation/... koa i JEsosy t@ nivavaka tao?
Raha ny fahitako azy ho'a, dia tena nety ni-se matsirobe i Jesosy teo.
Raha tsy izany ve tsy ho tsembo-doza toa io.. :-)
32. Miharena ( 14/09/2017 17:32)
Ny mastorbasion'i Rhaj0 dia mazava tsara fa fanoherana be fahatany fotsiny fa tsy misy hiraharahainy izany resaka fitaizan-tena ara-Kristianina izany na hisy hanazava impiry aza eto.

Inona indray izao ny fanontaniana adaladala manaraka ao anaty vatasarihinao ao?

Mba ataovy matotra fa lasa tsy mety e!
33. rhaj0 ( 14/09/2017 18:44)
Aiza ihany ilay "fitaizam-BATANA" ry Miharena aaa ??

Fa lazaovy azany hoe, inona no nahatonga ity "toy ny rà ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin'ny tany" ity. Nataon'i Jesosy INONA ny vataNY.
34. Miharena ( 14/09/2017 18:51)
Aza maniratsira hoy aho ianao Rhaj0 fa hikorontan-tsaina eo anie e!
35. rhaj0 ( 15/09/2017 01:43)
Ny Lioka 22:44 ve k'lou mba efa novakianao ry Miharena??

Izaho mitatitra fotsiny, fa i Lioka no tompony. Fa dia toa petapetahinao hoe maniratsira i Lioka izany ...

Tairo ao azany fa izao indray ve hi-contredire anao ho'a ry Miharena aaa :-)
36. Miharena ( 15/09/2017 04:06)
Rehefa maka andinin-tsoratra ihany dia aleo atao lavalava fa tsy manao fohy na mody mitanisa eo.

Lioka 22:39-53 no hojerena

39 Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
40 Ary raha vao tonga tao amin'izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
41 Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
42 Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
43 Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
44 Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany.
45 Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy matorin'alahelo.
46 Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
47 Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka Azy.
48 Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak'olona?
49 Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny sabatra va izahay?
50 Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
51 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
52 Ary hoy Jesosy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
53 Raha teo aminareo isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny maizina.

Resaka fitaizan-tena ara-panahy io resahan'i Jesoa io.

Mivavaka tsy hidirana amin'ny fakam-panahy.

Mba fantatsika moa izany hoe fakam-panahy izany? Misy mandrombaka ny fanahin'ny olona dia lasa any rehefa tsy mitandrina. Dia manaraka ny fahavoazana mihatra rehetra na ny nofo na ny toe-tsaina dia lasa very ilay fanahy, lasan'ny tsy tokony ho tompony. Satria moa izy tsy tompony rahateo dia fonenana mamono ilay fanahy, manasazy no omanin'ny devoly ho azy. Tsy azy hatrizay manko fa hanaovany toetra sadikadika ao satria izy mihevitra fa izay no mba manome hery azy. Io no fitaizan-tenany.

Ny an'i Jesoa dia niresaka sabatra Izy fa tsy azon'ny Mpianatra dia naka sabatra marina ry zareo nanalany ny sofin'ilay saika hisambotra. Nalain'i Jesoa anefa ny sofina tapaka dia nositraniny.

Izany hoe ny Kristianina manavotra sy mamelona no tena fitaizan-tena ampianarina azy.

Dia afaka maka lesona ianao Rhaj0 fa izay aloha no azo resahana
37. endriny ( 15/09/2017 05:47)
Fitaizan-Tena ara-panahy hoe ????

Kaompoze misy lasopy ve izany?
38. Miharena ( 15/09/2017 11:13)
Mazava tsara ilay hoe misy endriny tsara ny fitaizan-tena ara-Kristianina izay mifototra amin'ny fanatsarana ny fanahy manana fiantraikany tsara amin'ny fitondran-tenany.

Tsy mifangaro izany fa ianareo no mitady izay hanoheran-kevitra eto hatrany.

Azo raisina ohatra tsara io voalaza eo ambony io. Tsy mamono fahatany na dia tezitra toa ny inona aza fa manampy aza mba hampifoha ny namana maka fahavalo ny tena.

Alaivo sary an-tsaina hoe olona hisambotra, voakapa sofina dia nositranina. Manao ahoana ny fijerin'io olona io ilay samboriny amin'izay? Tsy ho menatra ihany ve izy hoe hisambotra olona manasitrana sy tsara fanahy?!
39. rhaj0 ( 15/09/2017 13:07)
Miharena:
Resaka fitaizan-tena ara-panahy io resahan'i Jesoa io.

endriny:
Kaompoze misy lasopy ve izany?

Ny tsikaritro @ Kristiana (sasany) toa an'i Miharena sy RBNIR, dia raiki-tapisaka aminy mihintsy ilay
- mitsindrotsindroka teny/fehezan-teny eny rehetra eny
- dia atambatambatra ao,
- ny an'i Miharena azany dia aholany @ dikany ao @ diksionera-Miharena ilay teny ao
- dia ampiarahiny @ ilay hoe, atao @ "teny mahery" na "feo monotone" lavarenin-dry Mopera
- mety mitingintingina eny ambony alitara akoriny azany izy @ io, ampiany manaofaofa rivotra
- ka na misy lohany na misy volony ny vokany eo, dia mipoapoaka ery izy hoe, tena izay ilay izy
- dia heveriny fa toa azy daholo ny olona, ka hanaiky izay resa-kehy lazainy eo


Ary io fombany io, dia ampihariny
- @ resa-Baiboly
- @ resaky ny finoany-primitiva (tsy kristiana) ao, izay afangarony @ resa-Baiboly
- fa ny loza, dia ampihariny @ resaka Siansa koa, afangarony @ finoana-primitiva sy resa-Baiboly


Fa mampivanitika foana k'lou ilay izy, fa dia tohizo ry Miharena sy RBNIR mba misy hihomehezanay aa :-)

40. Miharena ( 15/09/2017 19:29)
Mivanitiha ary fa aza maka lesona mihitsy amin'izay voasoratra ho fananarana anao Rhaj0.

Maivana loatra mivoana be ilay valinteny arosonao aloha. Tsy mifandray mihitsy amin'ny resaka voambara eo ambony.

Mifohaza fa aza voafatotra amin'io fomba miala ilany io hatrany rehefa iresahana sy hanazavana toe-javatra sy tranga ara-panahy Rhaj0 a!

Raha tsy hoe angaha tsy misy fanahy ilay Rhaj0 fa olonolona eny fotsiny!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08