You are here: home > Forum

Rafitra efa nilaozan'A/tra ny lalàn'i Moshè(didy folo), fa ny lalàn'i Yahoshuah indray izao no iarahana @ A/tra: izany hoe RAVA NY DIDY FOLO, fa FANEKENA VAOVAO indray no arahina.

Lohahevitra : Hoy ny lalàna
Fitohizan'ny hafatra : Rafitra efa nilaozan'A/tra ny lalàn'i Moshè(didy folo), fa ny lalàn'i Yahoshuah indray izao no iarahana @ A/tra: izany hoe RAVA NY DIDY FOLO, fa FANEKENA VAOVAO indray no arahina.
Valiny : 6
RA TAN - 17/05/2017 12:57
RAVA NY FANEKENA TALOHA: RAVA NY DIDY FOLO.

HEBREO,7: 18Toy izany àry no nandravana ny didy taloha, noho izy nalemy sy tsy nahasoa, -19satria tsy nahalavorary na inona na inona ny Lalàna - ka nampidirina fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.

HEBREO,8: 7Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy nisy antony hanoloan'ny faharoa azy akory.

HEBREO,10: 9manaraka izany tohiziny hoe: Inty aho tonga hanao ny sitra-ponao; ka manafoana ny voalohany izy amin'izany mba hanorenany ny faharoa.

EFESIANA,2: 15tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany; 16fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin'Andriamanitra, noho ny hazo fijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.

GALATIANA,5: 4Fa tafasaraka amin'ny Kristy hianareo rehetra mitady fahamarinana amin'ny Lalàna, ka lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo.

VERY ANY @ HELO DAHOLO IZAY MBOLA MITANDRINA DIDY FOLO.
Valio | Miverina eny ambony
RA TAN - 17/05/2017 14:16
Ny DIDY FOLO no efitra mampifandrafy ny jiosy @ jentilisa, satria natokana hoan'ny jiosy itery ny didy folo (SALAMO,147:19,20), fa ny jantilisa halan'A/tra dia asainy aringan'ny jiosy (DEO,7:2,3).

Mba hahatanteraka an'ilay tenin'A/tra hoe "HOSEA,2:25... hanao famindram-po amin'i Lo-Rokhama aho sy hilaza amin'i Lo-Ammì hoe: Vahoakako hianao, ary izy hanao hoe: Andriamanitro." Izany hoe lasa tin'A/tra indray ny jentilisa.
Dia tsy maintsy hoentina anh andanitra na ny jiosy na ny jentilisa, dia tsy maintsy hakambana ireo.
=> Tsy maintsy nesorina ilay nampifandrafy dia ny didy folo izany EFES,2:15 RAVA NY DIDY FOLO.

Raha te hahalala ny antsipirihany dia araho ny HFF RADIO manerana ny Nosy na ny RTV HFF par internet www.rtvyahoshuah.com
Valio | Miverina eny ambony
andriatiana2 - 02/06/2017 20:31

RA TAN

fa nahoan lay anaran lazainareo fa marina n mbola ts ahavitanareo fahagagana ihan?
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 04/06/2017 06:32
sao dia mba diso adiresy ianao izany RA TAN? tsy ary amin'ny fivavahana sy finoana v no tokony ho nametrahana ity iray ity????
Valio | Miverina eny ambony
RA TAN - 08/06/2017 05:19
andriantiana2
fa nahoan lay anaran lazainareo fa marina n mbola ts ahavitanareo fahagagana ihan?

Tsy hanaovana fahagagana araka ny eritreritrao ilay anarana marina YAHOSHUAH, fa hamonjena an'izay handova ny fiainana mandrakizay (ASA,4:12, ASA,10:43, JAONA,3:18)
Valio | Miverina eny ambony
RA TAN - 08/06/2017 05:25
NB:
Resaka lalàna no atao eto. Dia miteny aho araka ny lalàna. Ny tenin'A/tra dia lalàna (JAONA,12:49,50 & 1KOR,14:37)
Valio | Miverina eny ambony