Iray ihany ve ny Andrmntra ivavahana eto ee..

41. RBNIR ( 04/05/2017 08:24)

RKjeanclaude:

aza resahana eto rangah azafady le and/try ny mioslimo fa tsy misy silamo eto a, izay te-hahalala ny momba io dia mila (manokana ady hevitra amiko manokana na ) manontany an' i neny gogla.

Misaotra anao nanazava ny momba anao namana, ankehitriny mazava tsara hoe iza no mifampiresaka eto....
42. andriatiana2 ( 04/05/2017 10:12)
slt dahol .Saik hametrak fanontaniana aminareo izay mazoto mamaly anity fanontaniana ity ao dia izao.Arak ny hevitrareo azo heverina ho marina tanteraka ve ny finoana kristiana izay eo ambonin fitarihan satan amzao andro ankehitriny izao? Ireto mis document kely aloha dia ny hoe ny mpino ankehitrin dia samy manana izay heveriny ho marina ka samy tsis manaiky ho lembenana izany.eo am pino kristiana:_ny katolika: iz dia anisan ef fantatr fa bibidia izay eo amboniny fitarihan satana.ao am apokalipse kou anef dia niten we miala amin ianareo ry oloko mb ts...).iz kou anef dia momb ireo mpanompo sampy sy ny fivavahandiso.iz no renin mpijangajan izan mivavak amin'andriamanikafa.iza anef zan??(sao de zeus sy maria ve?).Ny silamo kou dia milaz f iray ihan ny dieu.iz anef dia manan baiboly tahak ny testament taloha.ohatr turkie zao muslim nef an ny sambofiaran noah iz kou manan bokin noah.mis anef ireo mpiten rats ny finoany dia ny kristiana ankehtrin ireo dia tafihan.toy ny firenen tandrefan ireo.ireo Asian kou dia taratry ny fandrosoan ny finoan f ts mila rebireben vazah zan.nef tsika malagas vorebireby dia nanjary voazanak nef aza io zavatr entiny ts hay na 666 ny katolika.dia manjar maivandoh le gasy.nef tan sainte marie ry zalah ts maharesy gasy zan.be dia be ny sambo rendrika tamzan dia ny nihevitra ry zalah we aleo am pidirin eto ny baiboly.Nef ranavalon aminio saropiaro be a! Niezaka ihan f sendran'olon maivandoha.ny malagasy anie manana we god e! Ny israel izao izay izy hatrizay ny malagasy izaho no nahary na za nahary.andriamantq n manome f ny baalith no ts ambinin.zanaharin israel angamb ny antsik jereo ny bokin elia mpaminan.zay f lava loatra
43. MINDAOZY ( 04/05/2017 10:21)

stahtam:

Ho an-dRA TAN:
Araka ny efa voamarina hatr@ izay dia tsy natao ho ana(re)o io baiboly hebreo io ka izany no mahatonga io rediredy tsy misy farany io.

Aza avadikao ny fahamarinana a!
Ny tena izy tsy natao hoanao ny baiboly rehetra matoa ianao tsy sahy mamaly an'ilay hoe "oviana ianao no andevo tany egypta?" ny jiosy mantsy no resahina eo @ io ISAIA 52:4 io, fa tsy ianao; fa ianao gasy
44. rhaj0 ( 04/05/2017 10:47)
RKjeanclaude:
aza resahana eto rangah azafady le and/try ny mioslimo fa tsy misy silamo eto a

Ny moslimo nefa miresaka (sy manaja) Jesosy... tena tsy-fahalalana ve ry RKjeanclaude no mahatonga izao "fanilikilihana" ataonao izao? Eritrereto ihany...

andriatiana2:
azo heverina ho marina tanteraka ve ny finoana kristiana izay eo ambonin fitarihan satan...

Ao @ "imagination"-nao (irery) ao izany dia ny Kristiana tarihin'i Satana.
Ao @ "imagination"-n'ny Kristiana hafa anefa, dia ianao andriatiana2 no tena ambany vahoan'i Satana.

Dia tairo eo izany ny "guerre d'imagination"-nareo eee...
45. RKjeanclaude ( 04/05/2017 10:51)
rhaj0 a! fantaro aloha hoe avy aiza i mohamad,
46. RKjeanclaude ( 04/05/2017 10:54)
rhaj0 a! fantaro aloha hoe avy aiza i mohamad, iza i Allah, inona ilay pierre blanche lasa noir (araka ny legende) ao la mecque....sns. Dia ho hitnanao fa tsy mitovy ny fivavahana kristiana sy hebreo izy. jereo hatrany
47. RKjeanclaude ( 04/05/2017 10:57)
rhaj0 a! fantaro aloha hoe avy aiza i mohamad, iza i Allah, inona ilay pierre blanche lasa noir (araka ny legende) ao la mecque....sns. Dia ho hitnanao fa tsy mitovy ny fivavahana kristiana sy hebreo izy. jereo hatrany ifotony tsara.

tsy manilika aho fa manavaka( izany hoe "tsy mampifangaro" araka ny heviteny vahiny hoe "ne pas mélanger".)
48. stahtam ( 04/05/2017 11:04)

MINDAOZY:


[quote=stahtam]
Ho an-dRA TAN:
Araka ny efa voamarina hatr@ izay dia tsy natao ho ana(re)o io baiboly hebreo io ka izany no mahatonga io rediredy tsy misy farany io.

Aza avadikao ny fahamarinana a!
Ny tena izy tsy natao hoanao ny baiboly rehetra matoa ianao tsy sahy mamaly an'ilay hoe "oviana ianao no andevo tany egypta?" ny jiosy mantsy no resahina eo @ io ISAIA 52:4 io, fa tsy ianao; fa ianao gasy

[quote=stahtam]
Lelon-jaza indray izany izao no paikanareo ? Voa mainka anefa fanina ianao eto, miampanampana sy mitsamboamboatra toa ny vary kely an-daona ka aleo ahitsy fa mahamenatra. Ny sujet dia hoe: iza ilay hoe OLOKO? Dia voalaza eo @ io Isaia 52 io fa ny ISRAELIANA no OLONY fa ianareo kosa dia tsy voasoratra eo. Noho izany: lainga ilay hoe ianareo no olony. Tsy olony ianareo. Iray izay. Faharoa, izay miditra ho isan'ireo olony ireo dia ekeny ho isan'ny olony koa rehefa manaraka ny lalàna arahin'ny Israeliana.Deo 23/8,9: rehefa voavakinao ireo versets roa ireo dia valio @ izay ity fanontaniana ity: ny Edomita ve efa andevo tany Egypta? ka izao e: tsy natao ho anareo io baiboly hebreo io na hivazavaza eto isak'izay mahatsiaro aza ianao. Tsy hainareo ny mamaky an'io, tsy hainareo ny mi-interpréter an'io, tsy hainareo ny havia sy havanana ao anatin'io. Mamaky versets dikan-teny no anjaranareo dia mba mi-interpréter arak'izay takatry ny sainareo eo. Tahaka ilay resak'ilay namanareo tany aloha tany hoe: "tsy tokony ho faty hono ny Mesia fa hadalan'ny olona no nahafaty Azy" (mdr!!). Tokony mba hahay mamaky tsara ilay baiboly dikan-teny ianareo farafaharatsiny dia mba tsy sasatry ny miarina isak'izay miteny toy izao. Jereo ange i Oria Hetita fa miaramilan'i Davida izy ary i Davida aza voasazy hatr@ taranany raha nanao ratsy taminy satria OLON'NY Avo indrindra koa izy. Ny Hetita ve anefa efa andevo tany Egypta?
Dia aza mitsamboamboatra intsony @ sisa fa mahamenatr'olona ilay valin-teny. Ny tokony ataonao izao dia manome ny anaran'ilay mpaminany israeliana nanoratra ny Matio 2/23 dia mba omeko ny anaran'Ilay Mesia arahiko.
49. rhaj0 ( 04/05/2017 11:06)
Samy (mino fa) taranak'i Adama sy Eva ianareo, ary samy mivavaka @ Andriamanitr'i Abrahama.

Izany hoe... toa "havanao ao @ Tompo" ihany rizareo Moslimo ireo.

Fa dia nahoana loatra re no ahilikilikao??? Fa naninona anao kay zareo ry RKjeanclaude???
(ahilikao TSy ho resahina eto @ serasera eto)
50. andriatiana2 ( 04/05/2017 11:11)
rhaj0:

RKjeanclaude:
aza resahana eto rangah azafady le and/try ny mioslimo fa tsy misy silamo eto a

Ny moslimo nefa miresaka (sy manaja) Jesosy... tena tsy-fahalalana ve ry RKjeanclaude no mahatonga izao "fanilikilihana" ataonao izao? Eritrereto ihany...

andriatiana2:
azo heverina ho marina tanteraka ve ny finoana kristiana izay eo ambonin fitarihan satan...

Ao @ "imagination"-nao (irery) ao izany dia ny Kristiana tarihin'i Satana.
Ao @ "imagination"-n'ny Kristiana hafa anefa, dia ianao andriatiana2 no tena ambany vahoan'i Satana.

Dia tairo eo izany ny "guerre d'imagination"-nareo eee...
aza taitr elah sao ny baiboly mihts angamb no toherin'lah apokalipse 18:4mialà aminy ianareo ry oloko mba ts hiombonanareo ota aminy,ary mba ts hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.fany fahotany efa mitehika tamin'ny lanitra,ary diau ef nahatsiaro ny rats nataony.io guerre d'imagination ko ho an kristian izay mamaly ahy dia ahon rah mbol ts ampy ho az zan dia ts taitr iz fa mbol hazavaiko az n hevitr'io
51. stahtam ( 04/05/2017 12:08)

[quote=rhaj0]
ok...
Ka raha mbola ny fahazoako azy ihany koa, dia ilay "Andriamanitra mpandripaka" ao @ Baiboly dia farasisan'ilay "ivavahan'i Stahtam". Ohatra ilay Atra nandripaka ny Ejipsiana hanavotana an'i Moses. Izany ilay mampihatra "helo eto an-tany". Izay ilay "ivavahan'i Stahtam".

[quote=stahtam]
Mbola tsy voavaly ity ka aleoko asiana resaka kely.
Mitombina foana eto ilay teniko hoe betsaka ny zavatra tany aloha na aty aoriana mbola tsy voavakinao ka lasa maimaika ilay conclusion, ny sainao rahateo efa te-hamoaka ilay tianao hasongadina. Ka izao no izy e: talohan'ny nandripahana ny Egyptiana dia nisy antony, fa tsy tongatonga ho azy akory ilay fandripahana. Vakio ny tantara fa hitanao ao izany.
Ilay helo resahinao no tsy fantatro satria tsy mbola noresahiko. Raha oharina @ hoe ianao no raim-pianakaviana ao an-trano ka ny zokiny no anankinanao ny fandaminana ny raharaha ohatra; dia mamaly ilay zandriny hoe nahoana no ianao razoky no niangarana fa tsy mba natao mitovy ny fahefana nomena antsika nefa samy olona izao ihany? fa angaha izaho ambany noho ianao? samy naterak'i dada sy neny, sns... Dia holazain'ilay zandriny avy eo fa lozabe sy tsy refesi-mandidy ianao raha manasazy azy @ io famaliana ilay zokiny, ataony io. Manao helo ao an-tokantrano... Izay angamba no sary azoko anehoana azy.
52. rhaj0 ( 04/05/2017 12:49)
andriatiana2:
apokalipse 18:4mialà aminy ianareo ry oloko mba ts hiombonanareo ota aminy

misaotra andriatiana2.

Hay izany tena efa soratra ao anaty BAiboly mihintsy ilay hoe, raha vao TSY manaraka ny Finoana Kristiana ilay olona, dia "TSY miombona" aminy. Izay no Didy (ao @ Apokalipsia).

Hay izany tena ny Baiboly mihintsy no mampianatra ny "tsy miombona", na ny marimarina kokoa, ny "hiady @ olona-tsy-kristiana".

Fa dia tairo ao izany ny sain'adinareo eee... Ho voninahitry ny Andrmntrareo daholo izany.
53. rhaj0 ( 04/05/2017 12:57)
stahtam:
talohan'ny nandripahana ny Egyptiana dia nisy antony

Izaho k'lou tena hotry ny TSY te-hahalala akoriny izay "antony" any, fa ilay FANDRIPAHANA io no hita, ary izany no tena mampivanaka ahy.

Amiko, n'inon'inona "antony", dia TSISY mihintsy manamarina, na hoe manome rariny ny "violence". Koa na io ohatra dada/neny/zoky/zandry io ve tsy mampisokatra ny masonao re ry Stahtam?? "Fandripahana" no solution??? Indrindra moa fa hoe, izao hono: naripak'ilay "ivavahan'i Stahtam" h@ zaza menavava tsy manan-tsiny.

Samy manana ny soatoaviny izany eee... RAha ianao ao moa miankohoka "masina-masina" @ Ingahy Mpandripaka zaza-tsy-manan-tsiny, dia ... ao ianao izany eee...

Ry Andriatiana2 mba sain'ady fotisny, fa i Stahtam, na ilay "ivavahan'i Stahtam", tena tsy vavany fotsiny fa tena mampihatra ny heriny lehibe hono, dia io lian-dra giravibe io...
54. endriny ( 04/05/2017 13:13)
Sadikadikan-draha. Ka atao akory aza zama a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1553