Ny Biby ve nofo sy fanahy koa

21. RBNIR ( 21/04/2017 02:18)
rehefa mahandro hanina ianao dia mahita fa misy ny viande rouge, viande blanche sns......
rehefa hohanina dia samy hafa koa ny tsirony.....
Siansa ange izany e!
22. RBNIR ( 21/04/2017 11:35)
RBNIR:

rehefa mahandro hanina ianao dia mahita fa misy ny viande rouge, viande blanche sns......
rehefa hohanina dia samy hafa koa ny tsirony.....
Siansa ange izany e!

Tandremo ry zalahy fa ny zavatra rehetra ange hoy aho (ireo zava-miafin'ny tenin'Andriamanitra) dia efa manomboka hahariharin'Andriamanitra amin-tsika ankehitriny ny fahamarinany,

Koa sao dia mba hanenina re e!

Efa mba nisy nampahafantatra sy nikely aina nampahafantatra ihany nefa dia indrisy!!!

Rehefa lasa any anie ka tsy misy fanafany intsony e! Ny mbola velon'aina ihany no afaka mibebaka fa rehefa maty tsy misy fibebahana azo raisina intsony....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
23. rhaj0 ( 21/04/2017 14:01)
Ny fahazoako ny fanontanian'i Lahindroy dia hoe, raha samy "animal" ny olona sy ny biby, dia ahoana ny @ "fanahy": nahoana no ny olona ihany no "manam-panahy".

hi hi hi.. ka te-ho "superieur" ny olomben'ny l'an zero tao moyen-orient, satria ho'a, natahotra ny Biby zareo (menarana, bibidia, ...). Dia nampinoany ny zanany hoe, ny olona ihany no manana ilay atao hoe "fanahy". Nefa anie (nampinoiny koa fa) samy "miteny" ihany na Olona na Menarana na Bibidia eeee...

Miresaka "te-ho superieur", fa fantaro tsara koa, fa ny Fanandevozana tao Zamerika tany @ 1700-1800 tany, dia nohamarinina t@ Baiboly. Io no nilazan'ireo Kristiana (Fotsy), fa ny Mainty anie, ka "tsy manam-panahy" tahaka ny Fotsy, ary tena araky ny (finoana) Andrmntra mihintsy ny Fanandevozana.

24. RBNIR ( 24/04/2017 08:26)
rhaj0:

Ny fahazoako ny fanontanian'i Lahindroy dia hoe, raha samy "animal" ny olona sy ny biby, dia ahoana ny @ "fanahy": nahoana no ny olona ihany no "manam-panahy".

Izany kosa v tsy fandikana vilana mivandravandra be ry rhajo....(fanaovana diversion izany amiko) izao no fanontaniany....


lahindroy:


salama jiaby
fanontaniana tokana :
voaporofo ara-biolojika ve fa akora samihafa tokoa ny misy eo amin'ny nofon'ny olona sy ny biby ? mba omeo ny toera-mpikarohana (laboratoire sy ny laharany ary ny anaran'ny gazety siantifika namoaka an'izany aza fady ; misaotra)
25. rhaj0 ( 24/04/2017 10:40)
Asa na i RBNIR no tsy mahay mamaky teny (ankoatry ny Baiboly, na hoe mila bitsihin'izao Atra izao izy vao kopy), na izaho no tsy mahay manoratra mamoaka hevitra izany, fa tsy manionona fa dia iverenako izany ny resak'i Lahindroy eee..

lahindroy:
voaporofo ara-biolojika ve fa akora samihafa tokoa ny misy eo amin'ny nofon'ny olona sy ny biby ? mba omeo ny toera-mpikarohana (laboratoire sy ny laharany ary ny anaran'ny gazety siantifika namoaka an'izany aza fady ; misaotra)

Eraky ny sobika sy fanta-bary ary google ny fametrahana fa ny "human" dia "animal". IZany hoe ny akora misy eo @ nofon'nhy olona sy ny biby, na hoe ny sela, dia sela "animal", itovizana fa tsy samy hafa. Ny sela "animal" sy ny sela "vegetal" no samy hafa. Teboka.

Jereo ato
http://lmgtfy.com/?q=scholarly+journals+on+human+is+animal


Dia rahefa izany, dia mitohy @ loha-hevitra (satria Lahindroy tsy mpanao lamentation-a-la-RBNIR fa mba mifandraika amina lohahevitra ny resakany), ka dia ... aleo tohizako eee.. :-)

... raha samy "animal" ny olona sy ny biby, dia ahoana ny @ "fanahy": nahoana no ny olona ihany no "manam-panahy".

rhaj0:
hi hi hi.. ka te-ho "superieur" ny olomben'ny l'an zero tao moyen-orient, satria ho'a, natahotra ny Biby zareo (menarana, bibidia, ...). Dia nampinoany ny zanany hoe, ny olona ihany no manana ilay atao hoe "fanahy". Nefa anie (nampinoiny koa fa) samy "miteny" ihany na Olona na Menarana na Bibidia eeee...

Miresaka "te-ho superieur", fa fantaro tsara koa, fa ny Fanandevozana tao Zamerika tany @ 1700-1800 tany, dia nohamarinina t@ Baiboly. Io no nilazan'ireo Kristiana (Fotsy), fa ny Mainty anie, ka "tsy manam-panahy" tahaka ny Fotsy, ary tena araky ny (finoana) Andrmntra mihintsy ny Fanandevozana

26. RBNIR ( 24/04/2017 11:19)
ka ny ahy ny baiboly ihany no marina rhajo (satria efa voaporofo tamiko ny fahamarinany)....

« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; » (1 Korintiana 15:17)


Tanteraka amiko ity teny ity hoy aho.....« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

Mazava ho azy tsy hofantatrao (ary mety marobe koa no tsy mahafantatra akoatranao na dia kristianina aza) mihitsy io aloha hatreto........

Izahay tsy miorina amin'ny kitoatoa fa dia io ny tenin'i paoly ary mijoro vavolombelona aho fa tena marina io e!




27. rhaj0 ( 24/04/2017 11:44)
Dia asa mihintsy ho'a ny famakin-dRBNIR resak eto, fa napetrako hoe "satria Lahindroy tsy mpanao lamentation-a-la-RBNIR fa mba mifandraika amina lohahevitra ny resakany", fa tena vao mainka nasesik'i RBNIR ny lamentation-lavarenibe.

Sa misy ifandraisany @ lohahevitra hoe "Ny Biby ve nofo sy fanahy koa" ity resakao ry RBNIR???
28. RBNIR ( 24/04/2017 12:06)
hoy ianao hoe tsy mahay mamaky teny ankoatran'ny baiboly aho dia novaliko ianao ny antony e!...
29. rhaj0 ( 24/04/2017 12:19)
ka voatonoko izany ny anaranao ry RBNIR, ka... maninona azany no tsy anaovanao lamentation h@ izay ataon'Ivadinao aminao ao koa eto ee... samy mifandraika @ RBNIR daholo koa izany kouh.. Aoka ho'a ry RBNIR.

Ka ahoana ilay resaka Biby manam-panahy azany eee... Inty izao misy milaza fa ny Biby no mampianatra an-draolona ny (hanana) fanahy..


Dia jereo tsara fa ... na i Jesosy azany dia "ratsy fanahy" noho ireo Biby @ video/sary ireo.. TAiza ireo Biby ireo no nitratrevatreva t@ namany?
30. RBNIR ( 25/04/2017 06:15)
ny biby hoy aho tsy misy fanahy....

Porofo:

Porofo voalohany :l Ireto misy zavatra telo izay tsy hananan'ny biby mihitsy fa ny olona ihany no manana azy noho ny fanan'ny olona fanahy ao anatiny

1 Fahalalana (fahalalana fototra no resahina eto ilay mahatonga ny olona hikaroka sns....) ny an'ny biby izay hitany sy omena azy ihany no fantany)....ary lasa fahazarana sisa fa tsy mahay mikaroka ny biby...

2 Fitadidina (raha entinao miala lavitra ny tanana ny biby iray mandritra ny taona maromaro dia tsy tadidiny intsony ny tranony) fahazarana no ananan'ny biby

3 Fitiavana (instinct maternel no ananan'ny biby fa tsy fitiavana)

Porofo faharoa : ny fanahy no hahafahan'ny olona mifandray amin'Andriamanitra satria Andriamanitra dia Fanahy, tsy mahita biby mivavaka ianao (raha tsy hoe video gag angamba)
31. rhaj0 ( 25/04/2017 10:45)
RBNIR:
ny biby hoy aho tsy misy fanahy....

Porofo:

Porofo voalohany :l Ireto misy zavatra telo izay tsy hananan'ny biby mihitsy fa ny olona ihany no manana azy noho ny fanan'ny olona fanahy ao anatiny

1 Fahalalana...

Mandehana mitsikaroka eraky ny internety fa aza mihoboka ao ho'a.. Jereo ohatra ato
http://lmgtfy.com/?q=ants+do+farming

Ny VITSIKA dia manana "fahalalana" ny amboly sy iompy.

RBNIR:
2 Fitadidina

Eto indray.. http://lmgtfy.com/?q=animal+remembers+owner+video

3 Fitiavana

tsy ampy anao ve io video io ambony io eee???


Mampalahelo mihintsy ity RBRNI ity.. Mba manao demonstralation izany RBNIR an... :-)
Marina mafy koa na ny zaza eny @ garabola azany tsy ahatsapa ny @ biby ao an-tranony ao?

Ary raha raisina ange i Jesosy en personne... mba tena mahay an'ireo telo-nao reo tokoany azany ve i Jesosy ry RBNIR?:
- moa va manana ny "fahalalana" tokoany Izy? Koa na Izy azany niaiky fa "tsy-mahalala" in-1 mandeha. Ary TSY mahalala tokoany izy hoe, misy izany gasy izany atsy @ oseana indiana atsy
- ny fitadidiana indray moa dia... @ Izy mitezitezitra iny, toa kely "fitadidiana" ny @ hoe, "aza mitezitezitra" Izy izany
- ny fitiavana.. asa raha kaontianao Fitiavana ny hoe, ario RaR-nao (dia ndana manaraka Azy)


Ary ny famaritana ny Fanahy koa angaha moa ry RBNIR dia @ izany hoe "Fahalalana - Fitadidiana - Fitiavana" izany ???

32. RBNIR ( 25/04/2017 11:19)
tsy fahalalana ny an'ny vitsika fa instinct de survie io rhajo a! sahala amin'ny hoe tsy maintsy misakafo mba ho velona mahay izany daholo ny biby,


Alaivo ilay gorille dia ento any amin'ny toerana iray mandritra ny taona maro dia avereno dia hohitantsika eo raha mahatsiaro mody na tsia e!

tsy fitiavana io rhajo fa fifankahazarana a! andramo fotsiny fa raha vao mifanena ny saka sy ny alika dia inona no ataony????

Dia andramo ange e, asaivo miaraka misakafo dia ho hitanao ny tohiny......

33. RBNIR ( 25/04/2017 11:34)
raha tsy misy fanahy tsy misy fitiavana....tsy manisy ratsy ny namany (tsy misy limite ilay namana fa dia namana daholo) (ny biby amin'ny ankapobeny rehefa tsy nifankazatra azy teo hatramin'izany dia tsy maintsy iadivany (intrus no andraisany azy).....
34. rhaj0 ( 25/04/2017 12:29)
'ndana haingana mihintsy mivoaka @ io fievohana boky tonta tsy mitondra fahalalana io. Ny tsi11 @ ireo torianao rehetra ireo dia diso.. Tena tsy handany jiro aminao kosa aho @ ity fa ataovy ny devoaranao f'aza miteniteny foana manala-bara-tena toa io.
35. RBNIR ( 25/04/2017 12:37)
dia ampitovio amin'ny biby ao ny tenanao ary e, efa nomen'Andriamanitra voninahitra ianao nefa indrisy mampitovy tena amin'ny biby....

Mba eritrereto hoe misy anjely iray natao anjely dia miteny amin'Andriamanitra hoe fa naninona aho tsy natao saka????? nefa ny tenany aza efa natao tena mandrakizay????

Raha ny biby no miady varotra mba ho olona dia rariny ihany,toy izany koa ny olona hiady rariny mba ho anjely fa tsy ny mifanohitra amin'izay, efa natao ho olona dia mitady ny hitovy amin'ny biby indray???

36. rhaj0 ( 25/04/2017 13:01)
TSISY takatrao mihintsy eee... Izany ho'a rahefa ngozabe izao tampi-masom-boriky ao izao. Ny amerindiana sy ny boudista izao tena lasa, na hoe lasan'ny biby (hono) ny fanahiny.


Fa ry RBNIR koa anie sahala @ tsy (mahay) mamaky Baiboly koa eee.. efa noresahina teto, fa i Jesosy en personne mihintsy no "nampitovy ny tenany" t@ Bibilava izy teo. Dia tao @ Salamo, nisy "nobitsihan'Andmntra" hampitovy ny tenany @ Olitra.

Mampalahelo mihintsy ity RBNIR ity raha izany. Mba mamaky Baiboly ihany nefa toa ilaozany manao demonstralation manohitra ny voasoratra ao. Satria tsy mamaky comme il faut i bainina fa mitsindrotsindroka gaigy ao fotsiny. Dia satria tsy mamaky afa-tsy Baiboly indray, dia tena tsy mahatakatra ny zava-misy iainana @ izao 2017 izao. Aiza mihiintsy aza azany ianao izany k'le... loz'ty.
37. RBNIR ( 25/04/2017 13:20)
izany an, ilay menarana efa nazavaina teto fa devoly (saingy ianao moa tsy mino)

endrika fanetretena v no raisinao ara-bakiteny (salamo)? ny olona manao an'io dia olona manoloana an'Andriamanitra ka manetry ny tenany (mba ho asandratra)....

fa tsy ara-bakiteny akory hoe olitra ny olona sns...
38. rhaj0 ( 25/04/2017 15:56)
RBNIR:
dia ampitovio amin'ny olitra ao ny tenanao ary e

Dia kay "nampitovy ny tenany @ olitra" tsaratsara mihintsy ilay raolona taloha, ary izany dia tena araka ny nibitsihan'Andrmntra azy tao @ Salamo.
--- bravo RBNIR manaz'inona ny "bitsik'Andrmntra"
RBNIR:
fa tsy ara-bakiteny akory hoe olitra ny olona sns...

--- bravo RBNIR manaz'inona ny eritreritr'i RBNIR itsy ambony itsy.

(Izany no alehany ry RBNIR, fa rahefa jamban'ny finoana ho'a ianao ao io, ka dia miteniteny foana eee...)
39. RBNIR ( 26/04/2017 04:40)
rhaj0:

RBNIR:
dia ampitovio amin'ny olitra ao ny tenanao ary e

Dia kay "nampitovy ny tenany @ olitra" tsaratsara mihintsy ilay raolona taloha, ary izany dia tena araka ny nibitsihan'Andrmntra azy tao @ Salamo.

Fanetretena ankasitrahan'Andriamanitra izany rhajo a!
Tahaka an'i Jesosy (na dia nanana ny voninahitra maha Andriamanitra Azy aza dia nanetry tena toa olona.....Nefa tsy nampiova ny tenany ho Andriamanitra akory izany rehetra izany...

« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Filipiana 2:8)

40. rhaj0 ( 26/04/2017 11:05)
Rahefa sy Salamo izany no "mampitovy tena @ Olitra" dia hobian-dry RBNIR fa"masina masina".

Fa rahefa ny tsy-mpino no "mampitovy tena @ Biby", dia anaovan-dry RBNIR teny an'avona.

Voninahitra anie ho an'i RBNIR sy ny toetrany ary ny Andrmntra inoany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1694