Mba fantatrao ve ny zavatra tsy rarahian 'ny fitondrana nefa dia tena mampitsatoka ny FANDROSOANA? 
Lohahevitra : Politika
Fitohizan'ny hafatra : Mba fantatrao ve ny zavatra tsy rarahian 'ny fitondrana nefa dia tena mampitsatoka ny FANDROSOANA?
Valiny : 2
Fitohizan'ny hafatra : Mba fantatrao ve ny zavatra tsy rarahian 'ny fitondrana nefa dia tena mampitsatoka ny FANDROSOANA?
Valiny : 2
Tsikaiky - 09/04/2017 20:22
|
![]() Efa zary sakafon 'ny olona isan 'andro ny "AMBOTAIAZY" Saika ny lalana rehetra dia misy azy avokoa; BESARETY - AMBOHIJATOVO - ANALAKELY - ANKORONDRANO - AMBOHIBAO - ANOSIZATO - AMPASIKA - AMPASAPITO - ANALAMAHITSY ...sns tsy ho voatanisa. Saino tsara fa tena mandany fotoana be ny "AMBOTAIAZY" NY MARAINA Raha miditra amin 'ny 8ora ianao dia voatery miala amin 'ny 6ora raha tokony amin 'ny 7ora sy 30mn no ora mety hiainganao hamonjy ny toerana fiasana Izany hoe: very adiny iray s sasany ianao (1h 30mn) ny maraina NY ATOANDRO Raha tokony hamonjy fodiana ianao dia voatery mijanona eny ivelan 'ny fiasana eny satria : Mirava amin 'ny 12ora ary hiditra indray amin 'ny 2ora izay tsy ho tratra mihitsy satria ho lanin 'ny "AMBOTAIAZY" ny fotoana Dikany : very adiny roa (2h) indray ny atoandro NY HARIVA Fotoana tena manahirana indrindra satria dia matetika dia efa mipohitra ny volana vao tafiditra ny tokantranony ny tsirairay Izany hoe raha toa ka mirava amin 'ny 5ora hariva ny olona iray dia any amin 'ny 8ora alina any izy vao tafiditra ny tokantranony Izany dia mahavery adiny telo (3h) ny fotoan 'ny olona iray RAHA FEHEZINA (1h 30mn)+(2h)+(3h) dia manome 6h 30mn na adiny enina sy sasany. Raha ajanona ny 30mn dia : VERY ORA ENINA (6h) isan 'andro ny isam - batan 'olona Ka raha toa ao anatin 'ny iray volana dia : 6h x 30j dia manome 180h na eo amin 'ny herinandro eo Raha isam - bolana ianao very herin 'andro, ao anatin 'ny taona iray izany efa azo antoka fa tsy ahita fandrosoana mihitsy satria lanin 'ny "AMBOTAIAZY" ny fotoana tokony ahitanao fampandrosoanna ny fiainanao. KOA ASA RE RAHA MBA HITAN 'IREO MPITONDRA IREO IZANY!!! |
Tovorandria - 20/04/2017 17:21
|
![]() |
tspoaeta - 22/06/2017 05:23
|
![]() |