YAHOSHUAH irery no anaran'ilay zanak'Andriamanitra

21. RA TAN ( 25/03/2017 05:11)
RBNIR:

Raha tonga androany IZY hoy aho ka hilaza hoe IZAHO XXXXX ity, dia ny sasany handre Azy miteny hoe IZAHO YESHOAH ITY, ny sasany haheno hoe izao jesosy ity (araka izay nampahafantarana azy ihany io.........

Sahinao toerina v izany e????


VALINY:
ERITRERITRAO MANOKANA IZANY, FA TSIS SORATRA MASINA MILAZA AN'IZANY. Lazao eto ary ny verset raha misy e!
Fa ny voalazan'ny soratra masina dia tsotra sady mazava: "ASA,4:12" TOKANA NY ANARANY. Fa ianao anefa miezaka ny manohitra an'io soratra masina io. Fa iza mihintsy ianao ty e?
Fa efa tonga Izy ankehitriny raha tsy hita nandritra ny 200taona lasa izay, ary ny ondriny mahalala ny feony ka manaraka Azy.
Fa maninona ianao no tsy mahay mihaino? Anjaranao ny mandinika.

Fa mino ianao dia tsara, tsy mino ianao; ny tsy finoanao tsy mahafoana ny fahamarinana ary ho faty @ fahotanao ihany ianao.
22. RA TAN ( 25/03/2017 07:54)
YAHOSHUAH!
YAHOSHUAH!
YAHOSHUAH!

https://www.youtube.com/watch?v=bdtbBgXu8sk

YAHOSHUAH no omem-boninahitra
23. RBNIR ( 26/03/2017 14:43)
RA TAN:

ERITRERITRAO MANOKANA IZANY, FA TSIS SORATRA MASINA MILAZA AN'IZANY. Lazao eto ary ny verset raha misy e!

« Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; » (Matio 25:34)
« Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; » (Matio 25:41)

Rehefa tonga IZY dia hiteny ireo teny ireo: ny gasy handre teny malagasy, ny frantsay handre teny frantsay sns sns.....

Alohan'ny hitenenany an'ireo anefa dia mazava ho azy fa tsy maintsy mi seprésenter IZY aloha hoe IZAHO ILAY JESOSY, na JESUS na YESHOUAH sns ......tsy takatrao v izany RA TAN sa ianao mihevitra fa raha tonga IZY dia haneno AZY hiteny aminao amin'ny fitenin'ny JIOSY IZY????
24. stahtam ( 27/03/2017 07:14)

[quote=RA TAN]
YAHOSHUAH!
YAHOSHUAH!
YAHOSHUAH!

https://www.youtube.com/watch?v=bdtbBgXu8sk

YAHOSHUAH no omem-boninahitra
[quote=stahtam]
Azony tokoa ilay voninahitra, satria, na ny titre hoe "Mpahary" aza efa nomena azy dia azony, ka rariny raha mifaly sy mitsinjaka ianareo "ondriny"
25. Prime ( 28/03/2017 06:56)
Tsy ho azony mihitsy io ambaranao io ry namana RBNIR satria efa voapetaka vy mahamay ny andriny ka tsy mahalala afatsy Yahoshuah izy an( izay ilay fampianarana azony dia mikatona eo)!tsy misy hafa io amin'ny fampianaran'ny vavolombelon'i Jehovah ka na Jesosy na Yahoshuah, na Yahoshua, na Yeshuah, na Yahshuah, na Jesoa, na Jesu, na Jesus na Iesous dia tsy Andriamanitra akory hoy izy ireo satria izay no nampianarina azy...

Ny fiangonana kristiana sy ny mpino kristiana dia tsy lany tarangana velively (martiora maro no nanohy ny asa), tsy nangina izany ny filazantsara rehefa maty ny apostoly, fa nanohy ny asa rehetra ny mpino kristiana ary nijoro hatramin'ny farany satria nanana mpianatra manokana (disciples) avokoa ny apostoly rehetra ireo fa tsy lany tarangana akory... ka mitandrina ianao namana RA-TAN fa tsy ny episkopo tokana mpanohy ny asa ka afaka milaza ho ambonin'ny apostoly mamerina ny asan'ny fiangonana...
26. RKjeanclaude ( 28/03/2017 07:13)
prime a! na marina na tsia ny teninao hoe voapetaka vy mahamay ny fieritreretany (azo hamarinina tsara @ Baiboly), dia maveasabesatra sady sahalan'ny mitsara dieny mialoha dia tsy mety, olona mbola azo vonjena tsara ireo, mbola azo averina na dia niala(mba tsy hitenenako hoe nania) aza, ka aza dia omena teny mahery.


Ireo hevitrao ireo dia misy efa nambarako fa @ zao angamba vao ho voarainy satria tsy dia mahay manazava aho angamba.
27. rhaj0 ( 28/03/2017 12:42)
Io ry izy mi-tsam dia .. samy manao izay saim-pantany aaa... na Ra Tan na ianareo roaroa dia samy ao ihany. Fa toa tsy araka ny saim-pantatrareo moa ny saim-pantatr'i Ra Tan, ka dia amenareo ny fessee ilery.

Ivereno kely anie ee...

Paoly dia nanora-tena ho "apostaoly". i Samuelson koa nanora-tena ho Episcopo.
Nefa dia io Apaostaoly no indrahindrainareo roaraoa, sahala @ anindrahindran'i Ra Tan an'i Episcopo.

Eritrereto tsara ho'a, fa i Paoly ihany no nanome "porofo" fa notendren'i Jesosy ho "apostaoly". Ny taratasin'i Paoly no "porofo". Diniho tsara fa hafa ny "apostaoly" hafa, izay notantaraina na hoe notaterina tao @ Matio-Marka-Lioka-Jaona: ireo dia "notendren'i Jesosy".


Ka raha miankohoka @ Paoly ianareo roaroa, dia ... inona no maha-samy hafa an'izany @ i Ra Tan miankohoka @ Samuelson?

Raha mivavaka araka ny nampianaran'i Paoly ao @ sorany ao @ Baiboly ianareo roaroa, dia ... inona no maha-samy hafa an'izany @ i Ra Tan mivavaka @ Yahoshua?


Ampatsotra azy, dia ... antsoy Yahoshua ange ny Andmntrareo ao e... dia hahita i Prime sy RKjeanclaude fa dia mitovy an'i Ra Tan ihany ianareo roaroa.

Fa dia .. mifankatiava ihany eee :-)
28. Prime ( 28/03/2017 13:05)
Ekena ny fanamarihanao namana...

Misy fanampiny kely fotsiny : ny apostoly Paoly tompoko tsy nisora-tena ho apostoly fa Jesosy no niantso sy nifidy ary nanendry azy ary tsy maintsy natao batisa izy vao nohosoran'ny apostoly Petera sy ny namany ho isany na dia adihevitra be ary vao nanaiky ireto farany, saingy nisy vavolombelona hatrany izany, satria tsy nanatri-maso ny fiantsoan'i Jesosy azy teny amin'ny lalan'i Damaskosy ireo apostoly notendren'i Kristy mivantana...

Na iza na iza mpianatr'i Kristy dia ny Tompo no nanendry azy, marina izany, saingy olombelona no tsy maintsy nanosotra azy ny Fanahy Masina hitory ny filazantsara tamin'ny anaran'i Jesosy fa tsy manoso-tena na milaza tena tsy misy vavolombelona...

Izay rehetra patriarka taty aoriana na iza na iza dia nandray io hosotra io avokoa avy amin'ny mpianatra nifandrohy hatramin'izay ka hatramin'izao, teo anivon'ny fiangonan'Andriamanitra iasan'ny Fanahy Masina...

Satria ny apostoly Paoly ohatra no voatonontonona dia nanosotra olona maro izy hanohy ny asa fa tsy tapaka sy lany tarangana velively ny asan'Andriamanitra, Barabasy, Timoty...
29. Prime ( 28/03/2017 13:09)
Barnabasy no tiako lazaina fa ialàna tsiny... fa i Barabasy ihany koa dia tonga kristiana taty aoriana rehefa nampianarin'ny apostoly Omasy sy ny namany... ka tsy tapaka ny rohy namoizan'ireo martiora ny ainy... fa tonga miteny ratsy ny martiora izay sahy milaza fa tapaka ny rohy ary nangina ny filazantsara nandritra ny 2000 taona fa ankehitriny vao tonga ilay tena izy (episkopo)...

Na teto Madagasikara aza dia maro ireo martiora kristiana ka sao tsy mety loatra ilay ilazàna hoe nangina ny filazantsara...
30. rhaj0 ( 28/03/2017 13:16)
Prime:
ny apostoly Paoly tompoko tsy nisora-tena ho apostoly fa Jesosy no niantso sy nifidy ary nanendry azy

.. ary izany dia voasoratra ao @ ... taratasin'i Paoly.

I Jesosy dia efa maty. Ary i Jesosy efa maty io, dia nanenjika ny mpanaraka an'i Jesosy Ingahy Saoly. Taty aoriana, dia ... nahita angamba i Saoly fa marketable manjabe ny revin'i Jesosy, ary dia novainy ho Paoly ny anarany, ary dia ao @ taratasiny izy no nanora-tena ho Apôstoly. Dia h@ izao ianao dia mbola minobe koa.

Ary torak'izay ihany no ianaran'i Samuelson.

Efa nandalo teo koa ry Joseph Smith.
31. endriny ( 28/03/2017 14:05)
Ka ilay anarana hoe Saoly miatomboka amin'ny S ohatran'ny Satana dia tsy tiany fa novainy Paoly amin'izany samy miatomboka amin'ny P izy sy Piera koa (mihomhy kely aloha)
32. RA TAN ( 28/03/2017 19:08)
NB:
Nareo ireo aloha samy mpiaradia @ "JESOSY" daholo, ary samy "MPANOTA" nareo hatrizay ka mandraka ankehitriny. Tsy nahafaka anareo t@ fahotana io ivavahanareo io. Nefa. "JAONA,8:36 Fa raha ny Zanaka no manafaka anareo dia hoafaka tokoa ianareo".
=> TSY ILAY ZANAK'A/TRA IZANY IO IVAVAHANAREO IO matoa tsy mahafaka anareo @ fahotana. FA IZA IZANY IO IVAVAHANAREO IO N DIKAN'IZANY????

Ary voalazan'ny soratra masina koa fa TSY MISY MPANOTA MANKANY ANDANITRA IZANY (na ny tsy mpivavaka aza mahafantatra an'izany). Dia AIZA IZANY NO HIAFARANAREO MPANOTA IREO????

Fa izay rehetra miaraka @ "YAHOSHUAH" dia TSY MPANOTA INTSONY, FA EFA OLO-MARINA SY MASINA (ireo apostoly sy ny mpianany sy izahay zanak'A/tra rehetra) "1KOR,6:11 ... efa nosasana ianareo, efa namasinina ianareo, efa namarinina ianareo tamin'ny ANARAN'i Yahoshuah ..."

Anjaranao no misafidy; na ianao mbola hiaraka @ ilay mampanota ihany dia very any @ afobe, na ianao hankaty @ Yahoshuah mpanaisotra ota dia mankany andanitra. Fa fitsarana sahady izao mandeha izao
33. RKjeanclaude ( 28/03/2017 19:18)
raha vao manamari-tena ho'aho, vakio epistilin'i Jaona, dia efa ota, ary izay manota sahisahy toy izao dia mpanota. Fariseo no manama-tena hoe tsy mitovy iry mpamory hetra iry, fa olo-marina. Ilay mpamory hetra no nahazo rariny. Ka saintsaino iza izany no tena mpanota?
34. RA TAN ( 29/03/2017 04:17)
RKjeanclaude:

raha vao manamari-tena ho'aho, vakio epistilin'i Jaona, dia efa ota, ary izay manota sahisahy toy izao dia mpanota. Fariseo no manama-tena hoe tsy mitovy iry mpamory hetra iry, fa olo-marina. Ilay mpamory hetra no nahazo rariny. Ka saintsaino iza izany no tena mpanota?


VALINY:
Izaho ve no lazainao fa manarin-tena?
"YAHOSHUAH" ilay A/tra tena marina no nanamarina anay zanak'A/tra fa tsy manamarin-tena araka ny eritreritrao izahay: "1KOR,6:11 Ary mba toy izany koa ny sasany taminareo, saingy efa nosasana ianareo; efa namasinina ianareo; efa namarinina ianareo tamin'ny anaran'i Yahoshuah ...".
Fa ny mpitandrina didy folo no miray tsikombakomba @ Fariseo (ASA,15:5 Fa ny mpino sasany izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa nitsangana ka nanao hoe: tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalan'i mosesy) dia lasa zanaky ny helo indroa lavitra mihoatra noho ny Fariseo ny hafa firenena mpitandrina didy folo (MAT,23:15).
IZANY NO FAHAMARINANA ARAKA NY SORATRA MASINA, DIA TSY AZONAO LAVINA.
35. RA TAN ( 29/03/2017 04:36)

Prime:

Tsy ho azony mihitsy io ambaranao io ry namana RBNIR satria efa voapetaka vy mahamay ny andriny ka tsy mahalala afatsy Yahoshuah izy an( izay ilay fampianarana azony dia mikatona eo)!tsy misy hafa io amin'ny fampianaran'ny vavolombelon'i Jehovah ka na Jesosy na Yahoshuah, na Yahoshua, na Yeshuah, na Yahshuah, na Jesoa, na Jesu, na Jesus na Iesous dia tsy Andriamanitra akory hoy izy ireo satria izay no nampianarina azy...

Ny fiangonana kristiana sy ny mpino kristiana dia tsy lany tarangana velively (martiora maro no nanohy ny asa), tsy nangina izany ny filazantsara rehefa maty ny apostoly, fa nanohy ny asa rehetra ny mpino kristiana ary nijoro hatramin'ny farany satria nanana mpianatra manokana (disciples) avokoa ny apostoly rehetra ireo fa tsy lany tarangana akory... ka mitandrina ianao namana RA-TAN fa tsy ny episkopo tokana mpanohy ny asa ka afaka milaza ho ambonin'ny apostoly mamerina ny asan'ny fiangonana...


VALINY:
NY FAMPIANARANA NO AHAFANTARANA FA MANANA AN'A/TRA (2JAONA,9). ARY IO FAMPIANARAN'I YAHOSHUAH IO DIA FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA MAMPANGIDIHIDY SOFINA ANAREO (2TIM,4:3).
YAHOSHUAH IRERY NO A/TRA MARINA ARY TSY MPANOTA IZAY REHETRA MIARAKA AMINY. 2000TAONA ATY AORIANA VAO TAFAVERINA INDRAY ILAY ANARANA MARINA DIA IZAO INDRAY VAO MISY TSY MPANOTA (TAORIAN'NY APOSTOLY SY NY MPIANANY). FA NAREO MPANARADIA A/TRA HAFA ANY AZA SAMY MILAZA FA MPANOTA DAOL ARY TENA BE DIA BE NAREO MANERANTANY SY NANDRITRY NY AMAN'ARIVONTAONANY. "1JAONA,3:6 ... izay rehetra manota dia tsy nahita na mahalala Azy" SADY TSY MAHITA AN'ILAY A/TRA TENA MARINA IANAREO MPANOTA SADY TSY MAHALALA AZY. IZY A/TRA AZA TSY FANTATRAREO, MAINKA FA NY TENINY. TSIS FANTATRAREO KOA NY TENIN'A/TRA
36. bor2lais ( 29/03/2017 10:07)
H.S
Prime : faly mahita anao tonga soa eto indray ! :-)
Mankasitraka e
Vita ny H.S
:-)
37. RBNIR ( 31/03/2017 11:07)

RA TAN:

YAHOSHUAH ilay anaran'ilay zanak'Andriamanitra; ilay nopotehan'ny devoly sy ny mpiray tsikombakomba ratsy aminy 2000taona lasa izay. Fa 2000taona aty aoriana idro Izy tafaverina indray.
Fa na ny olombelona aza mba miteny hoe "ny marina tsy mba maty". Fa ny anaran'i YAHOSHUAH kosa dia marina sady manamarina olona dia tsy matin'ny devoly izany, na dia novonoiny aza.

Efa tonga izao ilay tena Izy (YAHOSHUAH), dia mazava hoazy fa tsy maintsy voadona daholo ny tsy tena izy rehetra dia tsy maintsy potika.

Izay ondrin'i YAHOSHUAH dia mahay mihaino ny feony: RADIO HFF www.rtvyahoshuah.com. Fa fitsarana hoan'izay rehetra tsy mino koa anefa ny teniny



Aleo mihitsy ilay ato no alaiko RA TAN....

http://www.rtvyahoshuah.com/lien/fampianarana1.php

Araka ny soratany ao izany dia YAHOSHUAH = YAH+HOSHUAH

Rehefa jerevana amin'ny internet ilay hoe YAH dia hita aloha fa tsy nom originel intsony fa "efa forme abrégée ilay izy" https://en.wikipedia.org/wiki/Yah

rehefa manao recherche indray ianao amin'ilay HOSHUAH dia tsy hoe Anarana vaovao io fa efa betsaka no manana an'io Anarana io (hoy mantsy ianao RA TAN hoe efa tsy hita intsony ilay Anarana fa efa very hatramin'ny ela)
Raha anarana efa very io tsy nisy nanao anarana otran'io mihitsy hatramin'izay....

Ato ohatra misy an'izany HOSHUAH Dahin izany https://www.ancestry.com/1940-census/usa/New-York/Hoshuah-Dahin_49n5k

Ato koa ohatra misy an'izany hoshuah Josh Nagle http://piclone.com/u/hoshuah/4054019682/

Izany hoe ilay anarana nolazainao fa very ka tsy hita intsony dia indro hita fa tsy vaovao tsy akory fa anarana efa miparitaka be any ho any......



38. RBNIR ( 31/03/2017 11:39)
Miparitaka b hoy aho satria ireo olona notanisaiko ireo dia tsy jiosy fa any russie sy any amerika any dia manaova recherche fa anarana efa tena miparitaka B io lazain'i samuelson edward fa tsy nisy nahafantatra io e,
39. Prime ( 31/03/2017 12:55)


RA TAN:


NY FAMPIANARANA NO AHAFANTARANA FA MANANA AN'A/TRA (2JAONA,9). ARY IO FAMPIANARAN'I YAHOSHUAH IO DIA FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA MAMPANGIDIHIDY SOFINA ANAREO (2TIM,4:3).
YAHOSHUAH IRERY NO A/TRA MARINA ARY TSY MPANOTA IZAY REHETRA MIARAKA AMINY. 2000TAONA ATY AORIANA VAO TAFAVERINA INDRAY ILAY ANARANA MARINA DIA IZAO INDRAY VAO MISY TSY MPANOTA (TAORIAN'NY APOSTOLY SY NY MPIANANY). FA NAREO MPANARADIA A/TRA HAFA ANY AZA SAMY MILAZA FA MPANOTA DAOL ARY TENA BE DIA BE NAREO MANERANTANY SY NANDRITRY NY AMAN'ARIVONTAONANY. "1JAONA,3:6 ... izay rehetra manota dia tsy nahita na mahalala Azy" SADY TSY MAHITA AN'ILAY A/TRA TENA MARINA IANAREO MPANOTA SADY TSY MAHALALA AZY. IZY A/TRA AZA TSY FANTATRAREO, MAINKA FA NY TENINY. TSIS FANTATRAREO KOA NY TENIN'A/TRA


Izaho manokana dia mahita hoe izay nambaran'ny episkopo anao ihany namana RA TAN no lazainao ka tsy omena tsiny ianao, fampianarana ny azy ka dia raisina amin'izay maha-fampianarana azy izay... ka aza mitompo teny fantatra loatra re, fa ingahy episkopo anie fantatry ny olona ny momba azy sy ny hoe aiza izy no manovo ny fahalalany sy ny fampianarany fa ianareo no manaiky ampitahoriny sy fatorany amin'ny ozona sy ny tody raha vao mikitika io fototra niaingany io ka tsy avelany miditra ao fa dia tereny fotsiny hoe raiso io fa fampianarana tsy misy kilema...

Manaraka izany, tsy ny tenin'Andriamanitra no folahana hanaraka ny fampianarana ry namana fa ny mifanohitra amin'izany... ka aza raisina araka izay mahamety azy ny tenin'Andriamanitra hanamarinana ny fampianarana fa tonga fampianaran-diso...

Tononina ho aminao ny fiadanan'i Jesosy Kristy avy any Nazareta...
40. Prime ( 31/03/2017 12:57)

bor2lais:

H.S
Prime : faly mahita anao tonga soa eto indray ! :-)
Mankasitraka e
Vita ny H.S
:-)


Mankasitraka bor2lais, izaho koa faly tafaverina indray mihaona aminareo namana rehetra mirary soa tahian'Andriamanitra hatrany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3153