IZA ILAY ANARANA TOKANA AN'ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA?

41. RBNIR ( 08/05/2017 13:06)
Hafakely ireto amalianao azy RA TAN..

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
42. RA TAN ( 09/05/2017 02:11)

RA TAN:

RBNIR:

1 tsy hoe rehefa norarana izireo dia nangina...« Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony. » (Asan'ny Apostoly 4:18)
« Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 4:19)

Noho izany tsy nahomby ilay tetika fandrarana...

2 tsy hoe teo amin'ny tanin'ny Jiosy ihany no nasaina entin'ireo apostoly ilay Anarana fa nisy olona nofidina manokana hitondra ILAY ANARANA ho any amin'ireo Jentilisa (izay tsy voafehin'ny lalàna Jiosy velively)....« Fa ho ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asan'ny Apostoly 9:15)

....

Valiny:
1) Iza io JESOSY teneninao io???
Io JESOSY io ve dia anarana jiosy???
Valio ireo fanontaniako ireo!
Fa ra anarana jiosy io JESOSY teneninao io dia marina ireo teninao ireo.

2) "Tsy voafehin'ny lalàna jiosy" hoy ianao ilay olona voairaka hitory ilay anarana any @ jentilisa: izany hoe tsy fehezin'ny didy folo.
Niaiky ianao eto fa tsy mila D10 ny olon'A/tra.

43. RA TAN ( 09/05/2017 02:52)
Ianao raha miseho be famaliana eo omason'A/tra dia vao mainka zavatra hafa tsy ampoizinao foana nous avoakan'A/tra eo, dia ianao foana no tampina eo.

Jereo fa tsy sahinao akory ny mamaly an'ilay fanontaniako:
Iza ilay JESOSY teneninao?
Io JESOSY teneninao io ve ilay anarana jiosy notorin'ny apostoly la noraran'ny jiosy sy tsy navelany ho fantatry ny olona?

Porofoy sy azavao tsara ny teninao! Ianao eto no asaiko manazava an'io JESOSY teneninao io, dia aza miezaka ny manao fialana.

ny zavatra iarahamahita mantsy ary tsy azo lavina dia io JESOSY io no fantatry ny zao tontolo izao, ary mpanota daholo izao tontolo izao miaraka aminy: Jamba mitarika jamba; mpanota mitarika mpanota izy rehetra, dia aiza no iafarany?

Izay manana maso tokoa aoka izy hahita, fa izay minia mikipy tsy te hahalala ny marina dia vao mainka tapenana mafimafy kokoa ny masony mba tena tsy hahita izy, ary izany no tena atao hoe jamba.
44. RBNIR ( 09/05/2017 05:16)
Izao no resaka RA TAN (fa aza ampitomboinao), ianareo dia mampianatra ny olona fa very ary tsy hita intsony ilay Anarana noho ity teny ity...Asa.4:18...

Raha ny soratra masina no vakina dia diso izany fampianarana izany satria :

Voalohany tsy nandaitra tamin'ireo mpianatra ilay fandrarana fa vao maika aza ireo olona ireo nitory ILAY ANARANA Asa.4:19,20

Faharoa ilay Anarana dia NAELY ERAN-TANY ARY nampitondraina an'i paoly apostoly mba ho entiny any amin'ny Jentilisa sy ireo mpanjaka....Asa.9:15

Koa diso ny fampianarana fa tsy very ilay Anarana noho io toko sy andininy Asa.4:18 io...

Raha hitady ILAY ANARANA ianao dia tsotra vakio ny originel amin'ny epistily nosoratan'i paoly ho an'ireo hafa firenena (TSY NANORATRA TAMIN'NY TENY JIOSY I PAOLY FA TENY HAFA NO NANORATANY TANY)

Manaraka izany ny tiako ho lazaina amin'ilay hoe tsy voafehin'ny lalàna jiosy ny jentilisa dia tsotra....ilay didy navoakan'ny lohan'ny mpisorona dia tsy manankery afatsy amin'ny Jiosy ihany (tsy didin'Andriamanitra iny fa didin'olombelona (ireo mpanapaka sy mpanora dalana no nanao an'iny fa tsy didy nomen'Andriamanitra akory iny)....
45. RA TAN ( 09/05/2017 06:43)
RBNIR:

Raha hitady ILAY ANARANA ianao dia tsotra vakio ny originel amin'ny epistily nosoratan'i paoly ho an'ireo hafa firenena (TSY NANORATRA TAMIN'NY TENY JIOSY I PAOLY FA TENY HAFA NO NANORATANY TANY)

=> Asehoy eto ary izany epistily original-nao izany iarahamahita e.
Dia tondroy tsara ilay anarana: ho hita eo koa hoe teny inona izy izany; teny gasy ve sa teny inona, fa lazainao fa tsy teny jiosy aloha.
Ilay anarana marina no resahintsika eto, fa ianao no nampiditra an'io JESOSY io teo; dia izay no nahatonga ahy nanontany ny momba an'io. Dia rehefa asaina manazava sy manaporofo an'ilay JESOSY ianao tsy mahavita.
46. RBNIR ( 09/05/2017 07:13)
ilay izy tsy olana amiko fa ampy ahy ny Anarana nomena ahy RA TAN e! (tsy tamin'ny teny jiosy hoy aho ny epistily)

Ary izaho dia manaiky ny dikan-teny rehetra.....na jesus, na jesosy, na jesoa , na zezo, sns mety amiko daholo e!

Tahaka ny tenako ihany io rehefa vazaha no miantso dia hafahafa , rehefa gasy dia ao tsara, rehefa any anin-dratany indraindray hafahafa koa fa ny fantatro aloha dia izaho izay no resahiny ary tsy manisy problema mihitsy aho....
47. RA TAN ( 18/05/2017 02:35)

Na t@ teny jiosy ny epistily na tsy t@ teny jiosy, ny anaran'ilay zanak'A/tra tsy maintsy teny jiosy (JAONA,4:22 ASA,4:12 ASA,26:14,15): YAHOSHUAH ilay izy.

Fa ianao tsy miraharaha an'izany, fa lazainao fa ampy anao ny anaran-diso maro samy hafa: izany hoe ampy anao ny fandikan-dalàna.

=> TENA FANAKY NY FAHATEZERANA VOAVOATRA HOSIMBANA TOKOA IANAO (ROM,9:22). Tena nanenina A/tra nanamboatra anao.
NY AZA MBA MATY E! ANY @ HELO!
48. RA TAN ( 18/05/2017 02:49)

Manaraka anao izao teny izao manomboka eto, ary mitsara anao izao; na aiza na aiza alehanao, na andro na alina. Tadidinao foana izao, fa na minia tsy mitadidy aza ianao miverina aminao izao @ ora farany tsy ampoizinao, fa @ izany tsis azonao atao intsony, fa nenina mandrakizay no hahazo anao (izay vao hoe TAHAK'IZAY; fa tena ratsy je ilay TAHAK'IZAY a!)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6621