Jiolahim-boto lasa mpitondra firenena !

1. rabaradaka ( 16/12/2016 08:40)
Ny marina tsy mba maty, ary ny tody tsy misy fa ny atao no miverina; hoy ny Ntaolo fa hoy ah indray hoe matesa faty any !
Nitrandraka volamena teto Soamahamanina ry Augustion Andriamananoro sy Mamy Ravatomanga nandritra ny tetezamitan-dRajoelina. Efa maro ny azon'izy ireo teto, fa mba inona anefa no zavatra nataon'izy ireo ? Tsisy.
Rehefa tonga ny chinois sy i Aina Rakotoarimanana zandrin'i Hery dia voatery nitsoaka niala tao ry zareo roa lahy voalaza anarana ireo. Nitady fomba rehetra handroahana ny chinois sy Aina ry zareo ary dia namatsy vola be mihitsy nanaovana ireny korontana ireny.
Sahaza azy ny migadra.
Io Augustin Andriamananoro io dia nampitondra faisana olona maro, nampihorohoro ny firenena ary raim-pianakaviana firy no very asa noho io rangahy io.
Tany Toamasina, nipipizan'io Augustin io ny vary sy menak'i Ravalomanana, nodakan'io sy nororain'io olona io ny vahoaka malagasy toa azy tamin'ny fotoanan'ny Tetezamita.
Fantatro tsara io Augustin io, nanado Droit teny Ankatso dia tsy nety afaka, nanao Droit tany Fianarantsoa fa vao mainka afa-baraka, dia nalefan'ny ray aman-dreniny izay dokotera tao Isotry nankany an-dafy. Tany an-dafy indray dia coursier tao Paris.
Mahagaga fa jiolahim-boton'olona toa ireny no lasa mpitondra firenena.
Gadrao i Augustin ary sambory koa i Mamy Ravatomanga.
Fa raha tsy voasambotra koa i Claudine Razaimamonjy dia miangavy an'i Hery hanafoana ny BIANCO
2. leebily ( 17/12/2016 11:56)
ai ve zan momb2 an'i tavanavany iny e.tsar @iny ku zan mletk any atanimora toy ireo akamany ef any.
3. Tovorandria ( 21/12/2016 17:37)
Nanongana, d nanimba ary nanakorontana firenena no nataon i augustin teo, satria izy efa tsy ampy fahaizana rahateo d zay no mahatonga azy ho jiolahim boto, d le claudine razaimamonjy koa tsy tahotra tsy henatra d tena harem bahôka sy harem pirenena no iarahan izy sy rajao mirango, mbola ts nahita mpitondra ts matahotra an andriamanitra hôtran ny Leitindex gasy aho, tss demokrasia, ts manaja lalàna, mahatsapa ny maha faible azy ko ry hvm isany d manao prôpagandy sahady. Mampalahelo isika vahôka malagasy.Ny mpitondra mizara vola le apindramin ny vahiny reny d tsika sy ny taranatsika no ts maints handoha trosa hibaby ny vokany, ze mitady ho tafarina kely d potehina satri ahy ny lalana ary aty amiko ny fahefana.
4. rabaradaka ( 30/12/2016 12:27)
Mampalahelo ange ity firenentsika ity e ! Aiza ve dia olona tsy manjary sy faikan'olona foana no mitondra eto. Mampalahelo e
5. Tovorandria ( 31/12/2016 18:58)
Ny olona vao jerena @ fomba fihetsiny na ny fomba fiteniny fotsiny aza d hita fa tsy dia ampy fianarana , isan izany Rajoelina, Augustin, Claudine. D hery n1 mody nianatra nefa ts manam pahaizana itondra firenena fa te no miliaridera tampoka d nanao filoha. Na roland ratsiraka sy ny ankabeazan ny depute mapar aza tss nahavita fianarana daholo. Ts mahagaga ra farahidiny ny vahoaka ary mijaly.
6. Calinbrandon ( 13/01/2017 13:41)
Miarahaba ny rehetra nahatratra ny taona vaovao.
Misaotra anao Rabaradaka nizara izany antsipiriam-baovao izany.
Mankasitraka.
Ny mamotika sy ny mangalatra dia hain-dry zalahy fa ny mamorona sy manorina tsy hainy mihitsy. Ka hay karazan'olona bacc + 0 ihany koa ilay izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2555