Sao tsy tokony ho eny amin'ny oniversité

1. hery ( 21/11/2016 06:22)
Avy namaky sy nihaino ity tononkalo anakiray ity aho dia tonga saina ihany hoe sao tokoa dia tsy tokony ho any amin'ny oniversité ary ny tanora Malagasy zanaky ny tsy dia ampiampy loatra. Toa andaniana vola be mihitsy ilay mandeha eny Ankatso nefa avy eo tsisy vanona... :-(

Tsy mandray an-tanana azy ireo ny fanjakana amin'ity bourse kely tsy ampy 3 andro akory.

2. Fiffi ( 21/11/2016 07:28)
....ndryyy...mampalahelo lé tononkalo...

sao tsy tokony ho eny am oniversité ozy enao ? heu...ka raha mba te hanohy ny fianarana aza dé atao ahoana ?

marina fa wé tsy misy asa ho azy ireo akory rehefa vita ny fianarana...mafy ny fiainana...ka raha tsy tiany aza ny mamboly sy miompy dé ahoana ?

ny mpitondra aloha efa hita fa tsy mivaky loha am ireo mpianatra ...

mampalahelo...mafy ko lé mba te ho tafita dé mifikitra am fianarana aloha na dé eo aza ny fahasahiranana...
3. ora ( 21/11/2016 13:11)
fitiavan -janaka daolo izany eh,
4. hery ( 21/11/2016 18:47)
Fiffi> Raha manan-katao ny ray amandreny dia tsy mampaninona fa ilay voatery mamorona ny tsy misy no tena olana. Tokony manova toe-tsaina mihitsy ny tanora hoe misy zavatra azo idiram-bola betsaka ao Madagasikara.
5. rhaj0 ( 22/11/2016 02:44)
mampieritreritra ihany izy izany.. Tsaroako vinany izany, nisy fotoana taloha izay, dia toa nisy nivava, tsy tadidiko tsara fa mety rizareo (neo)-colon, fa toatoa ny hoe "luxe ny U"... fa toa tezitra daholo ny olona.. izao izany i Hery hotry ny "miombo-kevitra" amin-jareo ve?
6. Fiffi ( 22/11/2016 17:27)

hery:


Fiffi> Raha manan-katao ny ray amandreny dia tsy mampaninona fa ilay voatery mamorona ny tsy misy no tena olana. Tokony manova toe-tsaina mihitsy ny tanora hoe misy zavatra azo idiram-bola betsaka ao Madagasikara.



hummm....marina ny anao ry hery...Marina fa raha tsy manana firy ireo ray aman-dreny dé voatery miafy mba ho tafita ny zanany...mais à quel prix...

be ny fiatiavan'ireo ray aman-dreny ka na dé tsy dé misy firy ho raisina aza dé raha mbola azony atao ny manampy dé manampy zareo...saingy....

saingy ireo tanora ve mba ho tonga saina am zany ?

ny mampiheritreritra ahy aloha dé raha hikaroka fitadiavam-bola hafa ko dé mety lasa manaonao foana....nefa raha toa ka mbola ny ray aman-dreny no mbola manampy dé matotra kokoa ?

tena misy aloha ny wé sady mianatra no miasa....dé am io miantontena fa tsy tokony hiandry ireo ray aman-dreny zay efa fantatra fa sahirana...

na zany na tsy zany dé tena maha-hontsa lé tononkalo...ary mino zah fa tena misy ary maro no nihaina na mihaina am io voalazan'tononkalo io...
7. hery ( 24/11/2016 13:44)

rhaj0:

mampieritreritra ihany izy izany.. Tsaroako vinany izany, nisy fotoana taloha izay, dia toa nisy nivava, tsy tadidiko tsara fa mety rizareo (neo)-colon, fa toatoa ny hoe "luxe ny U"... fa toa tezitra daholo ny olona.. izao izany i Hery hotry ny "miombo-kevitra" amin-jareo ve?



Ny fanjakana tokony hanampy. Izay no anton'ny bourse amin'ny firenena sasany hoe mba hampitovy ny fahafaha-mandeha mianatra eo amin'ny ankizy rehetra. Saingy ny fanjakàna ny antsika ity efa tsy mahavita dia mbola hovolosana koa ve ny ray amandreny?
8. rhaj0 ( 25/11/2016 11:54)
hery:
Ny fanjakana tokony hanampy.

Ts'haiko aloha fa dia mila mifampitaiza mifampianatra mihitnsy isika rehetra, mifampizara ny fahazoantsika izay atao any @ misy antsika aby any, indrindra iska aty ivelany, ary hijery ny hoe, inona no fanjakana, inona no (tsy) tokony ataon'ny fanjakana, fa dia hotry ny hoe, rahefa manao ilay fanjakana, dia be ny fanakianana, rahefa tsy manao dia mbola be koa ny fanakianana.

Ka raha hiresaka fanjakana dia tsara akisaka atsy @ politika angamba ny resaka, sa ahoana?
9. sipagasy ( 02/12/2016 15:07)

hery:

Avy namaky sy nihaino ity tononkalo anakiray ity aho dia tonga saina ihany hoe sao tokoa dia tsy tokony ho any amin'ny oniversité ary ny tanora Malagasy zanaky ny tsy dia ampiampy loatra. Toa andaniana vola be mihitsy ilay mandeha eny Ankatso nefa avy eo tsisy vanona... :-(

Tsy mandray an-tanana azy ireo ny fanjakana amin'ity bourse kely tsy ampy 3 andro akory.




ilay nahazo ny amboara tany afrika iny i Tahiana mpivarotra fromage iny taoko ity tsy nandaalo tany Ankatso akory nefa dia tena buzness man be mihintsy ann, mila manana saina tia karokaroka fotsiny anie e dia miainga ny fampandrosoana ny firenena e!
10. ANARIM ( 08/12/2016 13:02)
aaa, aleo ihany kosa aloha mianatra na ho inona asa hatao aoriana na hisy na tsy hisy, na ny fomba fihevitra sy foto-pisainana aza dia samihafa mihitsy!

izaho aloha t@ nianatra teny Ankatso tsy dia nahatsiaro hoe nandoa vola lafo be izany an! sady ara-dalàna tsara ny bourse nahazo izay nilaina rehetra t@ fianarana... ny tranom-boky koa teny nisy izay nilaina rehetra tsy nila nividy sns!!!
11. Dreamlover14 ( 22/12/2016 18:43)
Ny tena olana dia ny tsy fisian'ny asa mahavelona ny olona tsy nahatozo nanohy fianarana ambony, vokany, lasa parc à boeufs ny université ka hataon'ny mpianatra (sasany) fakana bourse fotsiny mandritra ny 2 taona (hanaovana 1ere année in-droa @ filière izay mandray azy)

hany ka tsy mahavita izay tokony ho vitany ny budget atokana ho an'ny Université. Ny mpianatra koa lasa fitaovana politika na ho an'ny mpitondra na ho an'ny mpanohitra.

Mila fanarenana lalina i Madagasikara sy ny fanabeazana. Ny fampianarana dia tokony hiompana @ fampianarana hiary fa tsy hiasa ho an'olona. Mba ho décideur ny mpianatra mivoaka eny fa tsy exécuteur fotsiny
12. Charoumeni ( 13/01/2017 11:09)

Izaho koa mitovy hevitra aminao mihitsy @ zay fa ilaina ny mianatra eny Anktaso fa tsy mitovy mihitsy ny fisainan'ny olona nandia fianarana lavitra sy ny tsy dia nandia fianarana firy na dia samy hivarotra anana aza avy eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6052