Inona no ataonareo?

1. Charoumeni ( 09/11/2016 09:42)
Miarahaba ny vehivavy namana rehetra eto @ serasera.

Niniako natao ato @ resa-behivavy ity resaka ity satria mahakasika antsika manokana. Inona no ataonareo vehivavy tsy manambady mba hendresena ny vavan'ny fiarahamonina?
2. crus ( 11/11/2016 07:45)
tahaka ny tsy dia mazava tsara ilay tianao ahatongavana fa ampio fanampim panazavana. Momba ny inona ? dia ny vehivavy eo @ firy taona ilay tianao lazaina eto hoe TSY MANAMBADY?
3. Charoumeni ( 11/11/2016 08:44)
Ireo vehivavy 30 taona no ho miakatra, ireo antsoin'ny olona @ teny maneso hoe "LANY ZARA". Esoin'ny fiaraha-monina satria "tsy mitovy aminy, "Toy ny olona tsy tomombana ara-batana" nefa tsy afa-manoatra fa izay no LAHATR'ILAY NAHARY". Inona no atao iatrehana ireny? Tsy manam-pidiny
4. booboo ( 15/11/2016 09:43)
30 taona efa miakatra izany kosa efa matoy ny ati-doha, efa @ niveau hafa mihitsy ny préoccupation fa tsy @ vavan'olona an...Izay zava-dehibe @ fiainana no imasoana sy itozoana dia izay. Raha fantatra hoe inona no anto-pisiana eto @ ity tany ity dia mora kokoa ny mihoatra izay, amiko manokana an.
( rehefa manambady dia avy teo mbola ho avy koa ny hoe rahoviana ihany no hiteraka e ; tonga ny zaza dia mahazo asio zandriny @ zay e, etc. donky hein ! )
5. rhaj0 ( 15/11/2016 13:30)
dia ihomehezana fotsiny sisa ireto vavan'olona tantarainao ry Booboo...

Fa ny ao zamerika azany ho'a, ilay Trump vao lany prezida teo, ny vavany dia hoe,
- ny viavy, mihoatra ny 35 taona, dia ... vita aaa...
- amena naoty ny viavy, 1 h@ 10. Ka raha mandaginina azy ianao, dia izao no vavany: jereo anie ilay raviavy... ntsss... dia izaho Trump ve dia... ntsss...
- ilay resaka an-damosin'ny viavy ntaon'ilay rangahy efa 59 taona.. Hoe izay tiako atao aminy dia avelany atao, fa izy Trump tsinona no deba.. dia hoe, pendasiko @ fivaviany io...

Ny tiako ahatongavana, dia toatoa io tokoany anie ny resaky ny lehilahy SASANY, averiko indray, ny SASANY ho'a an... satria be dia be ny lehilahy tezitra be @ Trump mihintsy @ io fombany io (izaho dia tena valaka tanteraka).

Ka tena ... na "matoy" tahak'n'inona azany ianao viavy, dia tena henjana ireo.. Fa dia aza mifampikasokasoka azy ee... avelao izy sy ny habadoany ao.. Rahefa antitra izy dia ho tsarain-janany vavy ao ihany.
6. baribary90 ( 07/12/2016 04:36)
rhaj0:

ny tiako ho valina dia hoe "vavan'olona" izay mahamety ny fiainanao no atao, misy antony maro no mahatonga ny vhv tsy hanambady.1- ilay atao hoe "tsy ambony tsy ambany izy" ela misafidy lhl.2- safidy ny azy satria manambola izy, ts te hofehezina.3-tena hoe lany zara , ny olona ntsriritiny ts tia azy dia lany andro niandry teo izy.Raha amiko nef n vvn'ol ts mampietsi bolomaso ahy satria ef trtrn'izany a saingy nandresy iany aho izao n tiako holzain d izao, ts azo ferana n vvn'ol fa miezak manohitra mangina an'ireny dia resy ireny e.mazotoa dhl
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2226