REHEFA TONGA EO AMIN'NY INONA NO TOKONY HISARAKA NY MPIVADY§ MIALA HEVITRA

1. BANDBGS ( 12/10/2016 07:04)
Salama daholo!
za d bandy nanambady ary manan janaka roa vavy.Nisy vanim potoana naditra rehefa niteraka izahay mivady toy ny 85% NY LHL rehetra ihany.Taty aoriana enaf dia vonon hiova ary efa hanomana mariage satria dia mbola tsy vita izany.Tao anatin'ny fanomana izany indray anefa no niaraka tamin'ny olona ny vadiko.Ary tsy nafeniny fa tena tsoriny direct mints ary nilaza izt fa tia b azy sns sns io lhl io.Tsy naka sarotra aho fa nanome tso-drano ary efa nihonona ny foko sy ny saiko.Tao anatin'iznay anefa dia mbola iray trano izahay satria niteny tamiko io vadiko io hoe mbola afaka mijanona kely ato ve izahay.Telo herinandro taorian 'izay anefa dia niverina ny vadiko.Tsy nifona izy ary tsy niteny oe tia fa hoy izy hoe NOHON'NY ZANAKO DIA ALEOKO MIVERINA AM VADIKO.Taorian'izy niaraka tami'n ny olona anefa dia niaraka tami'ny olona koa aho ary TENA TIA AHY ARY TENA TIAKO.Aminareo dia mbola haharitra ve izany tokatrano izany ary inona no tokony ho atao.Raha tsorina zany dia NOHO NY ZAZA NO TENA HITAMBARANA ankehitriny.Anareo ny soso-kevitra ary afaka manontany ihany koa .Inona no mety misaraka sa mifamerina dia mihezaka samy tia sa ahoana no atao! Mankasitraka indrindra e!!
novalian'i lhomme ny 20/04/2018 10:01
2. rhaj0 ( 12/10/2016 11:01)
Ilay hoe "NOHON'NY ZANAKO (fa TSY noho ny fitiavako anao) DIA ALEOKO MIVERINA AM VADIKO" aloha, dia tena tsy mety mihintsy, raha mba ny hevitro.

Raha TSY mifankatia akory ianareo ao, dia ho "hitan'ny zanakareo" ihany anie izany eee.. Ary dia hikorontana ny sainy sy ny fiainany, ary izany dia mbola ho korontana be kokoa noho ianareo misaraka.

Efa be dia be, ary fatao, ny divorce sy ny "famille recomposée" eee... Io no ianaro sy ampianaro ny zanakao ao, dia tohizy fa handeha joli ny fiainana... ao anatin'ny fifankatiavana.
3. Rafanomezantsoaa ( 22/10/2016 17:35)
Ny zaza fotsiny no tsara jerenarew roa fa nenarew lo sarotra no mbol tena iverenanizany fitiavanarew zan.
4. BANDBGS ( 24/10/2016 04:45)
Salama e! mankasitraka ny mpamaly! tena mbola miasa saina am izay resaka izay satria am zao dia tsy miady akory fa miray trano.Tsy miara matory ary efa ho 5 volana tsy nanao RS izahay.
Tsy fantatra ny aorian ao oe anao ahoana sy anao ahoana.
Mankasitra ny mpamaly e
5. iolynjarasoa ( 31/10/2016 13:49)
Manaona daholo.
Voalohany dia mivavaha hianao apetraho amin'Andriamanitra ny tokatranonareo.
Faha2: miresaha milamina sy ampitiavana, dia MIARA- MANDINIKA oe inona no faran'izao tokatranotsika izao sy zanatsika raha izao no mitohy.
faha3:mifamela heloka hianareo mivady.
Tsara anie reto zany mpivady mifamela heloka zany eh!
Aza asiana tabataba na gidragidra eviteo,fa mampalaelo ny akizy. mety tsy ho vitanao zany fa ho vitanao rehefa miantoraka tanteraka amin'Andriamanitra hianao.
Ataovy lohalaharana foana Andriamanitra fa ho hitanao.
Aza adino mijoroa vavolombelona eto.Matoky ny fahendrenao ary aza avela ho very maina fotsiny ny fotoana laninao eto
6. BANDBGS ( 02/11/2016 12:04)
BJR§ MANKASITRAKA AN iOLYNAJAROA
TENA marina zan! d mba ento am bavaka.
Efa manomboka milamina izahay fa ny tena mampalahelo ahy dia ilay vhv tia ahy loatra ary tsy manana afa tsy zaho.Inona no ataoko sy holazaiko azy.Tena sahany ny mamoifo sy mamono tena sns sns.
Hainareo ihany nareo vhv ref tena tia zay mantsy.
Merci
7. Mirananirina ( 28/01/2017 18:34)
Io arakaraka ny olona tsirairay avy. Fa raha olona be hambopo toa ahy aloha dia tsy misy hevitra intsony hitiavako olona namadika sy namitaka ahy. Nefa nisy toy izany tantaranareo izany olona fantako. Fa rehefa avy nanao nataony tany izy mivady dia nifampody 15 taona taty aoriana. Dia faty no nisarahany.
8. 3ctor ( 03/02/2017 10:59)
amiko dia tsotra !! Ny lahahevitra sy ny fanontanianao dia ny hoe REHEFA TONGA EO AMIN'NY INONA NO TOKONY HISARAKA NY MPIVADY§ MIALA HEVITRA ny valiny dia : Rehefa tsapa fa tsy misy intsony ny fitiavan' ny mpivady izay nampitambatra hatrizay
9. rhaj0 ( 03/02/2017 12:28)
3ctor:
Rehefa tsapa fa tsy misy intsony ny fitiavan' ny mpivady izay nampitambatra hatrizay

Nefa izao indray no mampieritreritra. Inona moa izany "fitiavan'ny mpivady" izany ???

- fitiavana vola (sy ara-materialy) ?? Mety izay no niarahana sy nampitambatra tao
- fitiavana voninahitra ve ?? io ohatra ilay hoe samy "andriana", na fotsiny hoe, mijery vavan'olona dia mba jejo mampiaraka sns...
- fitiavana ara-nofo ve ?? Mety izay no nahatamana sy nampitambatra tao

RAha mifototra @ ireo 3V ireo aloha ilay fi(fanka)tiavana "nampitambatra" azy tao, dia rahefa tsy afa-po ny 3V izany, dia ... misaraka izany eee...

Sa zavatra hafa no tiana tenenina @ izany "fitiavan'ny mpivady"?? Zavatra mihoatra ny 3V ?? dia inona anefa izany ??
10. batsilana ( 26/07/2017 06:07)
rehefa tonga eo amin'inona no tokony hisaraka ny mpivady?
ny valiny dia :
rehefa samy mahatsapa ny andaniny sy ny ankilany fa tena tsy ho tafiaraka mandrakizay sy tsy hahatratra tanjona iray de aleo misaraka, nefa aoka tsy ho tongan'ny fo mafana fa mieritrereta tsara aloha vao manapa-kevitra ary aoka mba tsy ho ady no isarahana fa mba teny ierana eo amin'ny roatonta,
11. Y-RINAF ( 13/10/2017 10:51)
Salama e!@ko manokana ra izao n teo @ toerana dia ts mety @ko izany fanitsakitsahana izan,matoa iz mampiraf d ts tia izy zan,zanaka sisa no jerena.
12. shiaran77 ( 28/03/2018 02:49)
Rehefa tonga eo amin'ny fampirafesana ny vadinao ( tratranao nanao firaisana tamin'ny olon-kafa) tsy misy tokony hampisaraka ny mpivady hoy baiboly raha tsy fijangajagana irery ihany,
13. papouus ( 28/03/2018 07:19)
Bjr,
Mitovy foana io na ho aiza enao na ho aiza. Ny tiko tenenina de misy fotoana mafana be io fitiavana io ary misy fotoana mangatsiaka. Aza manao oe noho ny zanako sy ny sisa fa samia mifamela de mifamerena. Soa lavo hahay hamindra, soa kenda ahay mitsako. Matoa niverina le vadinao de nisy nahavoa azy tany fa tys possible zany oe nahazo fitiavana tsara be tany nefa nody indray. Nareo lehilahy misy fotoana mampaditra anareo fa misy tenin'Andriamanitra ity milaza oe : "Omeo vehivavy hendry aho hanorenako firenena vanona", za tsy de mahay baiboly loatra fa ahitsio ra diso. Mahaiza mifamela de ampianaro tsara ny zanakareo.
Bonne chance
14. lhomme ( 18/04/2018 09:59)
salut papouus dia tena tsy nasianao valiny mahitsy ila fangatahako fa de maninona loatra misaotra ihany na de izany aza e mazotoa lhomme
15. papouus ( 19/04/2018 03:56)

lhomme:

salut papouus dia tena tsy nasianao valiny mahitsy ila fangatahako fa de maninona loatra misaotra ihany na de izany aza e mazotoa lhomme


Bjr,
EFa saika hamaly anao iany za fa tsy azoko ny tena tinao ahatongavana. Milaza enao fa efa manana sipa kely 23 ans, alao vady izy de vita ra ny evitro no tinao ho fantatra ko.
Mirary soa.
16. lhomme ( 20/04/2018 07:19)
bonjour,
misaotra @ ilay famaliana fa raha ny ivady aminy indray aloha dia tsy mety izy fa miaraka fotsiny hono no tiany raha nilaza ny haka azy aho fa mbola tsy @ izany mihitsy hono ny tenany ka dia manaja ny safidiny ahy .
ka izany no nisafidiko anao mba ho namana diso ve aho raha manotany hoe efa manam-bady vr ianao tia anao ve raha mba mila fitia aminao aho maha fatifaty ahy ni mijery anao raha somary miondrika aza ny sarinao ry papouu a a dia mila valina aminao aho lhomme
17. papouus ( 20/04/2018 08:09)

lhomme:

bonjour,
misaotra @ ilay famaliana fa raha ny ivady aminy indray aloha dia tsy mety izy fa miaraka fotsiny hono no tiany raha nilaza ny haka azy aho fa mbola tsy @ izany mihitsy hono ny tenany ka dia manaja ny safidiny ahy .
ka izany no nisafidiko anao mba ho namana diso ve aho raha manotany hoe efa manam-bady vr ianao tia anao ve raha mba mila fitia aminao aho maha fatifaty ahy ni mijery anao raha somary miondrika aza ny sarinao ry papouu a a dia mila valina aminao aho lhomme


Bjr,
Tsy haiko zay fomba fiarahanareo fa tokony ho takatrao ny tiany hatao amzany. Tadidio fa enao efa miha lehibe izy mbola ao anatiny taonany tena fahatanorana tanteraka ra zay no azo ilazana azy. De tadidio fa enao ian no tratra faran eo. Miala tsiny fa zay mits no saika tsy hamaliko anao fa manahirana mantsy ny miditra amin'ny fitiavan'olona saingy nena ny zava-misy marina no resahako. De aleo zany hitohy ny tantara refa manaja ny safidiny enao de ajanony zany resaka momba ana zany.
Bonne journée
18. lhomme ( 20/04/2018 09:12)
salut,
voaraiko ny valiteninao ary hitakao fa tena masika be ianao raha momba ny fiarahanay indray aloha dia aleo tsorina fa efa nisaraka izahay fa hanambady hono izy koa dia nisaotra sy nanome tso-drano azy no nataoko miala tsiny raha nahasosotra anao ny noresahako ny momba anao ka tsy namalianao izany raha mba te hizara fitia @ nao aza aho ny fitiavana hono mantsy no lehibe indrindra ka dia hifonana re tompoko o! o! koa dia mirary tontolo andro sambatra ho anao ny tenako. lhomme
19. papouus ( 20/04/2018 09:19)

lhomme:

salut,
voaraiko ny valiteninao ary hitakao fa tena masika be ianao raha momba ny fiarahanay indray aloha dia aleo tsorina fa efa nisaraka izahay fa hanambady hono izy koa dia nisaotra sy nanome tso-drano azy no nataoko miala tsiny raha nahasosotra anao ny noresahako ny momba anao ka tsy namalianao izany raha mba te hizara fitia @ nao aza aho ny fitiavana hono mantsy no lehibe indrindra ka dia hifonana re tompoko o! o! koa dia mirary tontolo andro sambatra ho anao ny tenako. lhomme


OK. DE RIEN. MIRARY SOA.
20. lhomme ( 20/04/2018 10:01)
ok milay be ilay valiteny na dia tsy napoizoko aza merci
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.702