Ny notion de découverte ao amin'ny Code minier malagasy

1. mpilaza444 ( 03/10/2016 12:33)
Mahagaga fa tsy mba tafiditra akory ao amin'ny Code minier ny fahitana harembevava tsy nampoizina toy ny vatosoa, volamena na akorana metaly hafa. Mety hitranga anefa ny toy izao: nangady tany ianao dia safira no nipitika avy tao na koa nanandrana nisivana volamena teny amoron'ny tanilbarinao ianao dia nahita tahan'ny volamena ambony be.

Iza no tompon'ny vato hita? Ny olona nahita izany sa ny CTD nahitana izany?

Tsy mazava mihitsy io ka ny iafarany aza dia ilay nahita indray no samborina raha vao mivarotra izay vato hitany.

Inona no atao itsimbinana ireny olona nahita vato na volamena ireny?
2. Tovorandria ( 03/10/2016 13:43)
Ny tompon ny vato hita d ireo mpitondra fanjakana. Miditra any am_ paosiny avy hatrany ny vola vidin iny na iny harena mibolongana iny. Zany hoe nikaroka ary tsy mahazo ninoninona ilay nahita, efa nande eraky ny haino aman jery nalaza mits ity zava niseho iray tataraiko eto ity: nahita vato sarobidy maro le ramatoa, gasy io an d aveo araky ny mpitondra, nandefasany miaramila haka ilay vato maro, d inona hoy ianao no navaliny an le ramato t@ reo polisy sy zandary naka ilay vato?? Efa lany andro ny permis ahafahanao mitrandraka, kanefa mbola valable le Permis ar tss afa tsy io iany no fotopiveloman le ramato.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0836