Hay ve ka ny Hindousime no nipoiran'ny Judaïsme e?

21. lolo110255 ( 09/10/2016 13:59)

rhaj0:

[quote=calin.brandon]
Ny fivavahana rehetra dia misy hifandraisany sy hitoviany daholo (..) Ny anarana ampiasain'ireo fivavahana ireo fotsiny no tsy mitovy.


tena mba mahavariana tokoa ny fanambarana toy itony ; marina dia marina tokoa ny torohevitra nomen'i rhajo hoe : mba mandana mi-google fara faharatsiny vao manoratsora-poana
50 taona lasa izay raha te handalina ny finoana avy any an-kafà ianao (finoana inca , aztèque , bambara , hindou , romana , mesopotamiana , sinoa , japoney ...) dia tsy maintsy mamaky boky nosoratan'ireo mpikaroka ara-tantara na teleolojia na koa mankany any amin'ireo toerana misy ny arsiva voarakitra any amin'ireo toera-pikarohana misy era-tany ; izao isika mi-google dia afaka mahazo izay tadiavintsika , na sava ranonando fotsiny izany (wikipedia ohatra ) na koa te handalina lavidavitra kokoa (mety azonao mivantana hatramin'ireo rakitra an-tsoratra nisy hatramin'ny ...3000 taona lasa aza)

miteniteny foana hoy aho satria raha ny eto Madagasikara fotsiny no resahina dia tsara angamba ny mikaroka sy mandalina hoe :
-misy ifandraisany marina ve ny toetra , ny fomba fihetsika , ny foto-pisainana sy zavatra takian'ny mpamorona noheverin'ny Hebreo izay voasoratra ao anatin'ny testamenta taloha ohatra sy izay nivavahan'ny Malagasy talohan'ny nahatongavan'ny misioenra LMS sy ny môpera frantsay ?
-Andriamanitra tokana iray tokoa ve no nivavahan'ireo vondron'olona maro nonina teto Madagasikara fahagola ?
.....................................................................................................................

-anarany fotsiny tokoa ve ny tsy mampitovy ireo Andriamanitra notompoin-dry zareo Inca na Aztèque na koa ireo izay nohamasin'ny Sumeriana sy ny Mesopotamiana amin'ny an-kapobeny sy ny Ejiptiana raha oharina ny Andriamnitry Jesoa sy ry zareo Hebreo ?

22. rhaj0 ( 12/10/2016 15:44)
Raha izaho atheista aloha no hanontanianao, dia efa hoe, samy nanana ny imagination-ny ho'a ny Raolona, tany @ fotoan'androny sy toerana jeogirafikany tany. RAha mba nifanojo moa izany ny an'ny gasy sasany sy ireo tao moyen-orient de l'an zero, dia izay izany hono eee.. na dia natao t@ ilay hoe, tere-ko "tena izy" toa resa-Baiboly ilay izy..

Hotry ny mampiteny ny Krsitiana aho io, fa zareo ireo angaha moa hamaly anao eo ry Lolo110255.. efa bebe ihany ny fanontanina-fampieritreretana napetrak'i Lahindroy teto izay ohatra, fa .. eeee.... rahefa TSY metimety @ baolin-drizareo (Krsitiana), na ny marimarina kokoa, ary tsorina, fa rehefa takatry RAkrisy fa ridicule/aberrant izao Finoany izao, dia tena "TSY valiny" ary iavonavonany tsotra fotsiny ianao eee.. Fa efa mba nitsotra t@ io kosany i RbNIR ohatra eee...


Ny ahy ho'a, ny ni-frappe ahy, dia ny finoan'ny Amerindiana, ary averiko foana hoe

1- ny Raolona dia "Mpindrana" fa tsy Tompony. I Grand Manitou no tompony. Ka raha miditra an'ala ny Amerindiana ohatra, dia ny hanaja ary TSY hamela trace raha mbola azo atao no ataony.

2- ny an'ny Kristiana anefa, dia hoe "anjakao" ny tany sy ny zava-maniry sy ny biby. I Gros Minou mihitnsy no nanao teny baiko an'io. Ka raha miditra an'ala ny Kristiana, dia asiany fefy ny taniNY hono, ary dia kepohiny ny bois de rose.

23. calin.brandon ( 13/10/2016 06:31)

lolo110255:


rhaj0:

[quote=calin.brandon]
Ny fivavahana rehetra dia misy hifandraisany sy hitoviany daholo (..) Ny anarana ampiasain'ireo fivavahana ireo fotsiny no tsy mitovy.


tena mba mahavariana tokoa ny fanambarana toy itony ; marina dia marina tokoa ny torohevitra nomen'i rhajo hoe : mba mandana mi-google fara faharatsiny vao manoratsora-poana
50 taona lasa izay raha te handalina ny finoana avy any an-kafà ianao (finoana inca , aztèque , bambara , hindou , romana , mesopotamiana , sinoa , japoney ...) dia tsy maintsy mamaky boky nosoratan'ireo mpikaroka ara-tantara na teleolojia na koa mankany any amin'ireo toerana misy ny arsiva voarakitra any amin'ireo toera-pikarohana misy era-tany ; izao isika mi-google dia afaka mahazo izay tadiavintsika , na sava ranonando fotsiny izany (wikipedia ohatra ) na koa te handalina lavidavitra kokoa (mety azonao mivantana hatramin'ireo rakitra an-tsoratra nisy hatramin'ny ...3000 taona lasa aza)

miteniteny foana hoy aho satria raha ny eto Madagasikara fotsiny no resahina dia tsara angamba ny mikaroka sy mandalina hoe :
-misy ifandraisany marina ve ny toetra , ny fomba fihetsika , ny foto-pisainana sy zavatra takian'ny mpamorona noheverin'ny Hebreo izay voasoratra ao anatin'ny testamenta taloha ohatra sy izay nivavahan'ny Malagasy talohan'ny nahatongavan'ny misioenra LMS sy ny môpera frantsay ?
-Andriamanitra tokana iray tokoa ve no nivavahan'ireo vondron'olona maro nonina teto Madagasikara fahagola ?
.....................................................................................................................

-anarany fotsiny tokoa ve ny tsy mampitovy ireo Andriamanitra notompoin-dry zareo Inca na Aztèque na koa ireo izay nohamasin'ny Sumeriana sy ny Mesopotamiana amin'ny an-kapobeny sy ny Ejiptiana raha oharina ny Andriamnitry Jesoa sy ry zareo Hebreo ?




Matoa gaga i Lolo110255 dia hita mihitsy fa tsy nandalina ny tantaran'i Madagasikara talohan'ny fanjanahantany. Aza miainga amin'ny Google sy Wikipedia fotsiny e. Tsy marina daholo manko ny voalazan''ny vazaha ao e. Faanampiny ireo fa tsy tsy ampy akory.
Omeko indice ary ianao : mino aho fa fantatrao ny antony nahatonga ilay vato ao amin'ny Rovan'Ambohimanga lasa mamoaka rano madio fisotro nanomboka tamin'ny andron'Andrianampoinimerina ary mbola ao hatramin'izao ? Mifandray amin'ny tantaran'ny Hebreo io. Inona ary io fifandraisany io ?
24. calin.brandon ( 13/10/2016 06:49)

rhaj0:

calin.brandon:
Ny fivavahana rehetra dia misy hifandraisany sy hitoviany daholo (..) Ny anarana ampiasain'ireo fivavahana ireo fotsiny no tsy mitovy.

Tsy haiko hoe, inona no tian'i Calin Brandon lazaina @ fifandraisany/fitoviana @ finoana/fivavahana isan-karazany eto an-tany.

Ny fahitako azy, dia eo @ mponina/kolotora/sivilizasiona nisaraka ara-jeogirafika, tany @ nisy azy tany aby, dia tena samy nanana ny ... imagination-ny.
- Fa ny ni-imaginer-n'ny isan'isany eo fotsiny, dia mety misy ... "fitoviana" tokoany.
- Ny "fampifandraisana" an'ireo indray kosa dia... ao @ imagination-n'ny ankehitrio fotsiny.

Ohatra fotsiny hoe, avy ny orana. Dia samy ni-imaginer ingahibe mandrotsaka ny ankabeazany, satria t@ izany fotoan'androny izany, miaraka @ fahalalany t@ izany, tany @ jeogirafia-ny tany aby, dia ... tena misitery io. Ka dia samy namoromporona fanazavana ho an'ny zaza (saina) izany ny tsi11 tao eee...


Ny fivavahana dia niainga foana teo amin'ny resaka création de l'univers. Ny fivavahana rehetra dia milaza daholo fa misy créateur tao. Ny fisehony sy ny filazany azy no tsy mitovy. Ny an'ny kristiana, silamo ary jiosy dia ny baiboly sy ny coran no miresaka an'izany. Ny hindouisme dia ny Veda. Ny Inca dia milaza fa ny masoandro no namorona ny univers. Ny Maya efa nilaza fa misy système solaire hafa izay misy olona ary tonga teto ireo nametraka ny olombelona rehefa noforonin'ilay créateur ny tany. Avy eo ny resaka résurrection, ny resaka fahatongavan'ny Mesia sy ny sisa dia samy manana ny filazany azy. Fa misy itovizana daholo. Vakio anie ireny boky ireny e.
Fa tsy miteny toa an-dry Rhaj0 hoe légende (au sens péjoratif) ireny. Ny an-dRahj0 manko dia ohatra ny taritiny midina foana ny resaka satria athée hono izy. Afaka mampiasa ny méthode dialectique hahatakarana izany e.
25. rhaj0 ( 13/10/2016 10:34)
calin.brandon:
Ny fivavahana dia niainga foana teo amin'ny resaka création de l'univers (...) Fa tsy miteny toa an-dry Rhaj0 hoe légende (au sens péjoratif) ireny.

Ka "légende" azany ve ity sary ity sa tsia eee... Hoe io napetak'ilay Andmtnra hotry ny punaise @ toile-n'ny lanitra ny masoandro amam-bolana. Izay ilay "création".

"Tantara" izany sa "tantara-angano"??

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8802