inona no atao

1. dyfisa ( 25/09/2016 04:00)
Lava b ny tatara fa fitiniko. Manambady aho 3ny zanakay nifankatia tokoa zahay fa ts haiko ra mandalo fitsapana na sanatria tapitra ilay fitiavana fa miaraka am olokafa vadiko aminizao ftona izao ary refa fatatro ny fisinio vehivavy io dia narary fo aho ary niditra hôpital mitsy nalaelo sy nataotra izy dia nifona tamiko za ko mo mbola tena tia ny vadiko ka de namena azy fa nasiko niantso lay vevavy izy oe hisaraka zareo d natsony fa lay vevavy ts nety sady tomany b, nivoka hôpital 1andro nahazo antso fa misy asa atao 1volana ts eto antoerana d lasa izy, depuis nialany tato an trano ts niantso anay intsony izy efa ho 4andro zay. Marihiko fa ilay sipa mizesta b mintsy ao am fb ny fa hivady ry zareo fa ftona vitsy sisa. Miasa b ny lohako,ory tanteraka ny foko ary mampalaelo ana ireto zanako fa ravao misaraka eto zay d simba ny hoavin njanako. Ts hitako mintsy izay ataoko sady za malahelo b an vadiko. Fanontaniana: tsy tia ana tsony ve izy? Si oui inona no ataoko hanadinoko azy? Bdb ny fanontanina ato an dohako fa ts haiko tsony ny mametraka azy?vonjeo re reolona a. Toroy hevitra mahomby
2. rhaj0 ( 26/09/2016 13:17)
Raha ny fijeriko aloha, dia tsy hita atao an-tery ny fitia. Na dia vita voady mariazy azany, dia, rahefa TSY ao, TSY te-hiaraka intsony ny anankiray, ary manan-jo ny hiova hevitra izy, manan-jo ny hiala @ voady (engagement) izay nataony, dia... izay izany.

Satria raha TSY tia izy, nefa (voatery ny) hiaraka ihany, noho ilay voady, na hoe noho ny vavan'ny fianakaviana na fiaraha-monina, na hoe noho ireo zaza, na hoe, noho ny falahelovana anao (pitiE fa tsy amour), nefa ilay fiarahana ao TSY miorina @ fitia (avy aminy) akoriny, dia... mbola ho fahoriana koa no hiainana, fahoriana ho azy, ho anao, ary ho an-janakao koa.

Nefa aloha, raha "niova hevitra" izy ka hisaraka aminao, dia mety "hiova hevitra" indray mandeha indray koa izy, hiverina hiaraka aminao.

Ka raha ny fahitako azy, dia ataovy ampamoaka, carte sur table, dia miara-mijery ao ianareo hoe, ahoana ny tohiny...

Mahereza ee... izy mijery ny tenany, ianao koa mila mijery sy miaro ny tenanao, ary mijery ny ho avy.
3. dyfisa ( 27/09/2016 06:54)
manahirana b ny miaina satria ts mitovy loha ny olona roa mpilalao ary reefa hoe hiresaka face à face dia ts mahita lazaina satria ts manana hevitra. mbola te hilalao b ka mamy ny atsy ts foy ny aroa. ra lehilahy ianao d mba azavao zay points de vue nareo lehilahy zay fa mahatezitra be am farany
4. rhaj0 ( 27/09/2016 12:29)
(izaho manokana aloha dia loyal sy fidele, fa tsy manasarotra fiainana toan-drizalahy sasany)

Ny fahitako ny fanambadiana, matetika, dia... rehefa manambady mbola tanora iny, (na koa hoe efa antitra fa tsy mbola matotra izany), dia hotry ny tsy mbola vonona ny hiditra (engagement) amina fiainana "manambady aman-janaka" akoriny ny (lehilahy sy vehivavy) sasany. Mety taitaitra tao fotsiny, na voaterin'ny tsihaitsihay tao eee... fianakaviana/fiaraha-monina/fiangonana/..., zaza-tsy-nampoizina, ny namany na ny iray tam-po hafa efa manambady daholo, mety hoe interet-vola na voninahitra koa eee,,,

Dia rahefa roboka ao nefany, dia ilay fo/vatana/saina toa tsy vonona akoriny, toa tsy mahalala tsara akoriny hoe, inona no nidirana (ni-s'engager-na), dia iny rizareo no lasa manao revy TSY (miaraka) @ vadiamanjanaka, mirevy miaraka @ namany hafa any, ary dia io tsy ferana io, maka fitia @ olon-kafa any.


Ka ny tiako tenenina @ carte sur table, dia apetraho mazava fotsiny ny situation. Decriver-o eo. Izao sy izao no nisy sy natao sy nanjo. Dia apetraho mazava eo ny visavisa, na tohiny, raha izay ilay izy. Atao resak'olon-dehibe, miatrika ny zava-misy. TSisy sentiment fa hotry ny hoe business io eee...
5. Lydag ( 30/09/2016 08:54)
Amiko manokana dia"fitiavana azo teny am-pakana kitay ny an'ny vadinao ka ho faty eo am-pisoronana afo" izany hoe ho rava satria tsy mafy fototra, miorina amin'ny zesta. Matoa nalainy ho vady ianao dia ianao no tiany ka vavaka no azo atao fa "izay mandeha no vakivaky tongotra" Hitady anao ihany izy amin'ny farany ka mikarakara tena mba hanananao fifaliana
6. rhaj0 ( 30/09/2016 14:51)
Ka sao dia "fitia eny am-pakana kitay", tokony mijanona eny am-pakana kitay, no noeritreretin'ilay ranamana, nefa voarirotra "tany @ fisoronana afo" izy, noho ny antony samy hafa. Ka izy mbola tsy vonona ny hisoron'afo akoriny, na hoe, tsy fantany akoriny ho'a ny miandry azy, na ny tokony atao ao am-patana ao, ka dia mazava ho azy fa ho rava eee...

Ilay hoe "Hitady anao ihany izy amin'ny farany" kosa aloha dia .. hotry ny dia ilay miaritra milefitra be @ ilay "izay maharitra no vadin'Ikotobe" ireny. Sa moa, tena tia dia tia tokoany ianao, ary dia "miandry mahazo" eo izany.


Fa mila iarahana midinika tokoany hoe, inona tokoany moa izany Fanambadiana izany.
- hatrany @ misoron'afo ve...
- fiaretana sy fiandrasana mahazo ve...
- sa inona...
7. rhaj0 ( 04/10/2016 13:22)
Inona Moa ny Vady...

8. Lydag ( 04/10/2016 13:34)
Mahafehy ny hoe vady tokoa io hira io. Akaiky fo na lavitry ny masony aza ianao. Ianao vonin-draozy mandravaka ny tratrany fa ilay rafinao tsipolitra manaraka ny lambany! Mahereza.
9. BANDBGS ( 12/10/2016 07:21)
SALAMA ENAO
TSY OE TSY TIA IZY FA MILA MIFAMPIRESAKA IANAREO.MISY BANGA AO ARY TADIDIO FA NY RAFY TSY MAINTSY MANDRAGITRA FOANA.TSY DIA TSARA LOATRA IHANY KOA NY FB AMIN IZAY LAFINY IZAY.OK MERCI
10. iolynjarasoa ( 09/11/2016 08:29)
dyfisa/
manaona,tsy miaramipetraka aminareo 4mianaka zan zao ny vadinao fa lasa lavitra raha azoko tsara.
ampafantaro ny akizy fa lasa niasa lavitra i dada.
Voalohany: ento ambavaka ny tokatranonao.
Faharoa:Miezaha mintsy mivavaka manokana ho an vadinao,tahio ny vadiko Jesoa any antany lavitra any mba tolory fahendrena tsy ho azon'ny fakampanahy(aza atao fantatry ny akizy) . Mivavaha ka aza mitsahatra.
Mivavaha ho anilay rafinao (marary zany fa mora izany refa miantoraka tanteraka amin'Andriamanitra hianao, ary ahatsiaro sambatra hianao refa mivavaka). iaino ny tenin'Andriamanitra
"Mifankazara amin'Tsitoha hianao dia hiadana ......"
Aza mieritreritra valimbavaka mintsy fa mivavaha foana fa ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra @ andro sy ora tsy ampoizinao.
Ajanony hatreo ny fifaneraseranao sy ilay rafinao @fb fa maha be probleme anao.
Miezaha mints hianao ts ieritreritra ny vadinao @ andavanadro fa nymivavaka ho azy no ataonao. Ny ankizy karakaraina fa aleo anjaran'Andriamanitra ny mikarakara ny vadinao.
Sahia mijoro vavolombelona eto ary aza avela very maina ny fotoana laninao teto.
11. Mirananirina ( 28/01/2017 18:46)
Matoa n'y lehilahy miodina miaraka @ sipa hafa ka efa miseho vahoaka (matoa fantatrao ny FB). Dia efa tsy tiany intsony ianao izay.
?Marina fa mafy be izany misaram-panambadiana izany, saingy mijoroa, mihezaha, mifalia. Ataovy ao andoha foana ratsy vitany dia ho halanao izy afaka volana vitsy.
?Raha tsy mety aminao ny misaraka aminy dia tsy maintsy mandefitra ianao @zavatra ataony rehetra. Ialao daholo zavatra rehetra mankarary fo, toy mijery FB ilay sipa, tsy manontany izay ataony sy alehany sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2538