GRENADY-FAMPIHAVANAM-PIRENENA

1. RUZ9 ( 20/07/2016 08:39)
Tsy mamoha fota-mandry akory i RUZ9 raha manoratra miresaka kely an'ilay fipoahana grenady tetsy Mahasina tamin'ny 26 jona lasa teo.
Ny mahavariana aloha, toa mirazotra amin'ny resaka fampihavanam-pirenena ilay famonoanana sy fandratrana olona.
Nipoitra tsikelikely teny amin'ny antenimieram-pirenena teny indray mantsy ny famolavolana lalana hanohizana an'ity sarintsarina fampihavanana ity nialoha kelin'ireny fotoana ireny ka mitohy hatramin'izao.
Diniho kely anie, teto Antananarivo iny lanonana namoizana aina sy nandratrana olona mihoatra ny 70 iny.
Mpanakanto anisan'ny be mpakafy, mpanakanto avy any amin'ny faritany ilay ho niaka-tsehatra tamin'iny fotoana iny, izay isan'ny toa nokendrena ho lasibatra.
Hahafahana mikitika ny resa-poko sy fiaviana indray izany ka hanamafisana fa ilaina indray ilay saritsarina fampihavanam-pirenena.
Toa mila sorona (bouc emissaire) hatrany ireo vondrona mpikendry tombontsoa amin'ny alalan'iny resabe iny na ny marina kokoa, amin'ireo mpisisika hitarika azy.
Raha tsiahivina, ny raharaha 2009, no nanomboka niseho masoandro ny fitakiana an'ity fampihavanam-pirenena hafahafa ity, rehefa avy nahazo laka hanelanelana ara-politika teto ny vondrona iray izay tsy hotoniko eto.
Mba hilazana fa toa ny vahoaka tokoa no mitaky an'ity lazaina ho fampihavanana ity, dia nisy mpitondra fivavahana roa, tompon'andraikitra ambony, natao sorona, lazaina ny iray fa maty an-drano nefa natao ho hita an-gazety ihany koa mpitondra fivavahana tao amin'ity vondrona ity ihany no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesany, noho ny resam-pihaviana.
Hitantsika moa ny tohiny avy eo, nahavita nampiditra ny fitakiany tao amin'ilay volavolan-kevitra lazaina fa tapaka tamin'izany "fampihavanam-pirenena" izany ireo vondrona nitarika sady nanapa-kevitra samirery tao anatiny.
Iray izay, faharoa, fantatra fa misy lalana hafa tsy natao ho an'olombelona, tsy natao ho an'ny Malagasy nampidirina tao koa, tsy sahy naseho masoandro ho hitam-bahoaka mihitsy moa ireo lahy ireo (mpitondra fivavahana 4 sy mpanao politika iray), io lalana io izay fanjakana kely mirefy 48 ha any ivelany any no tena mila sy manaparitaka azy.
(Anisan'ny antony lehibe naneren'izy ireo ny mpitarika azy eran-tany hametra-pialana moa ny [url=http://cyrius.unblog.fr/?p=534]fandavan'ity farany hampanaiky an'io lalana io
tamin'ny 2012).
Mba hilazana ihany fa ilaina io lalana io dia natao sorona (bouc emissaire) koa, novonoina ny olona iray miaina amin'izany fitondran-tena hafahafa izany handresen-dahatra ny besinimaro fa ilaina io lalana io,(manaporofo an'izany ny tsy nahavoakitika mihitsy an'izay atidoha nikotrika ny famonoana an'io olona io).
Fahatelo, sady farany, tsy hilazana zavatra hafa fanampiny, iny fampihorohoroana tamin'iny 26 jona hariva iny.
Mbola sarintsarina fampihavanana ihany no anton'iny.
Tsy ahafahan'olon-tsotra, mampiditra grenady mihitsy raha ny hamafin'ny fanaraha-maso sy ny fiambenana tamin'iny fotoana iny.
Raha tsy vondrona MAFIA no ao ambadik'ireo raharaha ireo, efa voasazy ny tena tompon'andraikitra.
Mila tonga saina isika fa vondrona mafia izany no tena tompon-kevitra ao anatin'io lazaina ho fampihavanam-pirenena io, ary vondrona MAFIA no hahazo tombontsoa avy amin'izany.
Mila ajanona aloha io sarintsarina fampihavanam-pirenena io fa loza mitatao ho ahy sy ho anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799