GASIKARA AFAKA!

1. STViha ( 29/06/2016 20:21)
GASIKARA AFAKA! (Isaia 60/1-3)

Toa honohono na zary nofinofy ny hoe ''FAHAFAHAN'NY MALAGASY'' na ara-tantara na ara-jeografia, satria tsy arak'izany ny tena toe-java-misy sy ny fomba fiainana nanomboka tamin'ny 1960 izany, satria teo ambony latabatra sy an-tsaina fotsiny ihany izany atao hoe ''FAHAFAHANA'' izany fa mbola betsaka no tandindona ''FANJANAHANA'' tavela, eny fa na dia mandrak'androany aza.
Na teo amin'ny ara-panahy aza dia saiky adinon'ny Malagasy mihitsy ilay hoe: ''Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha.''. Ankehitriny aza moa dia zary anganongano sy ohabolana fotsiny ihany sisa izany fahatahorana an'Andriamanitra teo amin'ny samy Malagasy izany.
Tsy halavaina be intsony ny tian-kambara sy ny hodinidinihina fa eo amin'izay fametrahana ny finoana sy ny fanantenana ankehitriny izay raha mbola azo tratrarina izany ''Tena FAHAFAHANA'' izany na ho fampiononam-po sisa.
Tianay ary ny manambara ankehitriny fa ''TENA MBOLA AZO APETRAKA SY ANTENAINA TOKOA'' izany, saingy mba hahatongavana amin'ny tanjona dia TSY MAINTSY ILAINA NY FIARAHA-MIENTANA, eo amin'ny samy MALAGASY.
Raha tonga dia tsorina ary dia ARA-PANAHY IHANY SISA NO HANY VAHAOLANA amin-tsika MALAGASY raha te hanarina ity firenena ity isika.Tsy diso fa efa betsaka tokoa ireo nitady sy nampihatra io vahaolana(ara-panahy) io kanefa toa zara fa manana ny anjara-tara-masoandrony ihany sisa ny Malagasy tsirairay ankehitriny. Ny antony raha ny fandinihina kely mba hitanay dia niniana ho saratsarahina na tena potehina avy hatrany ilay ''FIRAISANA SY FIOMBONAM-PO'' marihina etoana mantsy ny fiaraha-mientan'ny Israelita tamin'izany fotoana izany dia niteraka fahaombiazana sy fandresena lehibe ho azy ireo izay efa nananan'ny Malagasy fahizany, izay tsy mba nisy loatra tany amin'ny firenen-kafa.
Tsy hitady intsony ary isika hoe iza no tompon'antoka tamin'izany hevitra maha-voafady (fampisaraham-bazana) izany fa samy tompon'andraikitra isika iray firenena, manomboka any amin'ny fara-tampony ka hatrany amin'ny iva indrindra.
Ho fitondrana anjara-biriky sy adidy tsy azo ialàna àry no manosika anay hitondra izao vahaolana sarobidy manaraka izao. Mazava hoazy fa tsy avy tamin-tsaina fotsiny ihany izany vahaolana izany fa bitsika am-PANAHY voaray avy tamin'ILAY NAHARY izao rehetra izao, ka hozarainay am-pitiavana sy am-panentrentena lehibe hoan'izay rehetra mbola matsiaro tena fa MALAGASY.
Tsara ny ahalalan-tsika fa izahay FIKAMBANANA mitondra izao anjara-biriky hoan'ny firenena izao dia mino ILAY NAHARY SY NY ZANANY Izay tonga tety an-tany, mazava hoazy na raha tsorina mivantana dia TENA Kristiana araka ny fitenenana.
Koa araka izany indrindra dia misy toko sy andininy azonay(Revelation) mifanandrify amin'ny toe-draharaha misy eto amin'ny tanintsika na ara-potoana izany satria :
1/ Raha ny fanisana volana sy andro Hebreo dia tsy mifanalavitra loatra tamin'ny fetin'ny fahaleovantenan'ny Malagasy 26 Jona ny andro faha-23 amin'ny volana faha-3(Hebreo) izay voalaza indrindra ao amin'ny bokin'i Estera8 milaza ny fitodihan'ny fahazavana sy ny fahafahana teo amin'ny Israel. Izany indrindra no hitaomana antsika Malagasy tsy ankanavaka hamakafaka sy hamaky tsara manontolo io tantara io. Amin'ny maha Hebreo antsika indrindra dia miainga eto Antananarivo renivohitra izany fanafahana izany raha toa ka tao Sosana tamin'izany no renivohitra ka nipaka hatrany amin'ny firenena hafa mihitsy ny akony hany ka natahorana ny Israel nanomboka teo.
2/ Raha tena dinihina ilay hafatra ao amin'io toko sy andininy io dia mahavelom-panantenana satria Fampitandremana ny hafa firenena izay mbola mitetika ny hitsentsitra sy hanjakazaka ary indrindra indrindra ny hanjanaka amin'ny endriny rehetra ity firenena Malagasy ity ; Mazava ny voalaza ao amin'ny andininy faha-7 ao amin'io toko io fa dia Ahasoerosy mpanjaka mihitsy no nanome izay rehetra fananan'i Hamana hafa firenena hoan'i Estera Hebreo ary indrindra fa novonoina nahantona tamin'ny hazo i Hamana satria naninjitra ny tanany hamely ny firenena voafidy ; mitovy tsy misy fahasamihafana amin'io ihany koa ny tantara izay nanafahana ny zanak'israel tany Egypta.
Noho izany, manainga sy misarika ny saintsika Malagasy mino ny MPAMONJY (Kristiana) fa tonga amintsiaka ny FAMONJENA MESSIANIKA (tsy jodaïsma velively araka izay neritreretinao anefa fa isika kristiana mino ny Mesia anie no atao hoe MESIANIKA e!) hiray fo sy fanahy hiaraka hangataka amin'i Mesia ny famotsoranY avy any an-danitra (fa tsy avy amin'ny hafa firenena akory) izany famonjena lehibe izany ho antsika Malagasy. Tsy tara akory isika fa mbola manana hafitoana hitalahoana izany fanafahana izany mandra-paha tapitr'ity volana faha-3 Hebreo ity. Rehefa voavakinao io bokin'i Estera io dia sokafy amin'ny toerana iray izay mendrika izany ary araho vavaka hoan'ny firenenano ka farito ao anatin'izany ny fanafahana tanteraka ny firenentsika, avereno izany famakiana arahim-bavaka izany ao anatin'ny 7andro mipaka manomboka androany fa tonga amin-tsika Malagasy ny FAMONJENA sy FAHAFAHANA avy amin' Andriamanitsika Hebreo eny manomboka amin'ny tokantranon'ny Malagasy tsirairay avy, koa manàna fifaliana sy fanantenana ary finoana isika fa tena firenena voafidy tokoa i Madagasikara .
Mbola hitohy...


Azonao hifandraisana : Fanomezantsoa STV / 034 31 933 27 - 034 08 029 25

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5422